Hijery ny anatiny

Inona no Asehon’ny Fanisan-taonan’ny Baiboly Momba ny Taona 1914?

Inona no Asehon’ny Fanisan-taonan’ny Baiboly Momba ny Taona 1914?

Valiny ara-baiboly

 Asehon’ny fanisan-taonan’ny Baiboly fa tamin’ny 1914 no niorina tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Manaporofo an’izany ilay faminaniana resahin’ny bokin’i Daniela toko fahefatra.

 Ilay faminaniana. Nasehon’Andriamanitra an’i Nebokadnezara Mpanjaka tao amin’ny nofy ny hazo ngezabe iray nokapaina. Tsy navela hitombo nandritra ny “fe-potoana fito” ny fotony, fa taorian’izay ilay izy vao navela haniry indray.—Daniela 4:1, 10-16.

 Ny fahatanterahany voalohany. Manondro an’i Nebokadnezara Mpanjaka ilay hazo ngezabe. (Daniela 4:20-22) Toy ny hoe ‘nokapaina’ izy rehefa lasa very saina nandritra ny fito taona, ka tsy afaka nanjaka. (Daniela 4:1, 10-16) Nositranin’Andriamanitra izy taorian’izay ka lasa mpanjaka indray, ary niaiky hoe Andriamanitra no tena mpitondra.—Daniela 4:34-36.

 Mbola misy fahatanterahany lehibe kokoa ilay faminaniana. Inona no tiana hasongadina amin’ilay faminaniana? Ny “mba hahalalan’ny velona fa ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona, ka izay tiany homena azy no omeny azy, ary ilay ambany indrindra amin’ny olombelona no apetrany eo amin’izany fanjakana izany.” (Daniela 4:17) I Nebokadnezara, izay mpanjaka nanambony tena, ve no tena tian’Andriamanitra homena an’izany fanjakana izany? Tsia, satria efa nasehon’Andriamanitra azy tamin’ny nofy, taloha kelin’io, hoe tsy izy na ny mpitondra olombelona hafa no homeny azy io. “Fanjakana tsy ho rava mandrakizay” mantsy izy io, ary Andriamanitra mihitsy no hanorina azy.—Daniela 2:31-44.

 Efa nanorina fanjakana nisolo tena azy teto an-tany Andriamanitra. Tsy inona izany fa ny firenen’Israely fahiny. Navelan’Andriamanitra ho ‘rava’ anefa izy io, satria nivadika taminy ny mpitondra tao. Nilaza mialoha izy fa homeny an’ilay “manan-jo ara-dalàna hahazo izany” ilay fanjakana. (Ezekiela 21:25-27) Milaza ny Baiboly fa i Jesosy Kristy no manan-jo hitondra an’io fanjakana tsy ho rava mandrakizay io. (Lioka 1:30-33) Tsy toa an’i Nebokadnezara izy, fa “manetry tena”, araka ny efa nolazain’ny faminaniana.—Matio 11:29.

 Manondro inona ilay hazo resahin’ny Daniela toko 4? Matetika no manondro fitondrana ny hazo ao amin’ny Baiboly. (Ezekiela 17:22-24; 31:2-5) Ny fitondran’Andriamanitra no tondroin’ilay hazo ngezabe ao amin’ny Daniela toko 4. Izany no fahatanterahany lehibe kokoa.

 Inona no dikan’ilay hoe nokapaina ilay hazo? Niato kely ny fitondran’i Nebokadnezara rehefa nokapaina ilay hazo. Niato koa ny fitondran’Andriamanitra teto an-tany, rehefa noravan’i Nebokadnezara i Jerosalema. Nipetraka “teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah” mantsy ny mpitondra tao, izany hoe solontenany.—1 Tantara 29:23.

 Inona no dikan’ilay hoe “fe-potoana fito”? “Fe-potoana” itondran’ny fanjakan’olombelona eto an-tany izy io. Avelan’Andriamanitra hitondra samirery izy ireo mandritra an’io fotoana io, fa tsy midikiditra mihitsy izy. Nanomboka tamin’ny Oktobra taona 607 Talohan’i Kristy (T.K.) io fe-potoana io. Asehon’ny fanisan-taonan’ny Baiboly mantsy fa tamin’io no noravan’ny Babylonianina i Jerosalema. a2 Mpanjaka 25:1, 8-10.

 Maharitra hafiriana ilay “fe-potoana fito”? Tsy maharitra fito taona fotsiny toy ilay tamin’ny andron’i Nebokadnezara akory izy io. Hoy i Jesosy momba azy io: “Hohitsahin’ny hafa firenena i Jerosalema [na ny fitondran’Andriamanitra] mandra-pahatapitry ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.” (Lioka 21:24) Ilay “fe-potoana fito” noresahin’ny Daniela toko 4 ihany ilay “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena” resahina eto. Navelan’Andriamanitra hohitsahin’ny hafa firenena ny fitondrany nandritra an’io fotoana io. Mbola tsy tapitra àry io fe-potoana io na dia tamin’i Jesosy teto an-tany aza.

 Atoron’ny Baiboly antsika ny fomba hamantarana ny faharetan’ilay “fe-potoana fito.” Resahin’izy io fa maharitra 1 260 andro ny “fe-potoana” telo sy tapany. (Apokalypsy 12:6, 14) Noho izany, ny fe-potoana fito dia maharitra 2 520 andro (1 260 ampitomboina roa). Raha ampiharina amin’izy io indray ilay fitsipika hoe “andro iray hosoloana taona iray”, dia lasa midika hoe 2 520 taona ilay 2 520 andro. Rehefa atao àry ny kajy, dia hita hoe tapitra tamin’ny Oktobra 1914 ilay “fe-potoana fito”, na ilay 2 520 taona. Nanomboka teo no niorina tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra.—Nomery 14:34; Ezekiela 4:6.

a Raha mila fanazavana momba an’io daty 607 T.K. io, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Oviana no Rava i Jerosalema Fahiny?: Fizarana Voalohany”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2011, pejy 26-31, sy ilay hoe “Oviana no Rava i Jerosalema Fahiny?: Fizarana Faharoa”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2011, pejy 22-28.