Hijery ny anatiny

Te ho Velona Mandrakizay ve Ianao?

Te ho Velona Mandrakizay ve Ianao?

Valiny ara-baiboly

 Mampanantena ny Baiboly hoe: “Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:17) Inona anefa ny sitrapon’Andriamanitra?

  •   Mianara momba an’Andriamanitra sy Jesosy Zanany. Izao no notenenin’i Jesosy, indray mandeha, tamin’izy nivavaka: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Inona no tokony hataonao raha te “hahalala” an’Andriamanitra sy Jesosy ianao? Mila mianatra Baiboly sy mankatò an’izay voalaza ao ianao isan’andro. a Ao amin’ny Baiboly no ahitana ny hevitr’i Jehovah Andriamanitra, ilay namorona antsika sy nanome aina antsika. (Asan’ny Apostoly 17:24, 25) Ny Baiboly koa no miresaka momba an’i Jesosy Zanany. Nampianatra ny “tenin’ny fiainana mandrakizay” i Jesosy, tamin’izy teto an-tany.—Jaona 6:67-69.

  •   Asehoy hoe mino ny sorona nataon’i Jesosy ianao. Tonga tetỳ an-tany i Jesosy mba “hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana.” (Matio 20:28) Afaka manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany isika olombelona, noho i Jesosy nanao sorona ny ainy ho antsika. b (Salamo 37:29) Hoy izy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Tsy ampy fotsiny àry ny hoe mino an’i Jesosy, fa mila “maneho finoana azy” koa isika, izany hoe mankatò an’izay nampianariny sy manao ny sitrapon’ny Rainy.—Matio 7:21; Jakoba 2:17.

  •   Miezaha hifandray akaiky amin’Andriamanitra. Tian’Andriamanitra hanatona azy sy hinamana aminy isika. (Jakoba 2:23; 4:8) Tsy ho faty mihitsy Andriamanitra fa ho velona mandrakizay, dia tiany ho velona mandrakizay koa ny namany. Hoy izy momba an’izay rehetra mitady azy: “Hitepo mandrakizay anie ny fonareo!”—Salamo 22:26.

Hevi-diso momba ny fiainana mandrakizay

 MHevi-diso: Ho velona mandrakizay ny olombelona raha mitohy ny ezaka ataony eo amin’ny sehatry ny fitsaboana.

 Ny marina: Mampanantena ny manam-pahaizana momba ny fitsaboana hoe hataony izay hanalavana ny androm-piainan’ny olona. Tsy hahita ody faty mihitsy anefa ny manam-pahaizana, na hiezaka toy inona aza. Andriamanitra ihany no mahavita manome fiainana mandrakizay antsika, satria izy irery no “loharanon’aina.” (Salamo 36:9) Mampanantena izy hoe “hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana”, dia ho velona mandrakizay izay rehetra tsy mivadika aminy.—Isaia 25:8; 1 Jaona 2:25.

 Hevi-diso: Ny karazan’olona sasany ihany no ho velona mandrakizay.

 Ny marina: Tsy manavakavaka Andriamanitra, fa “amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Ho afaka hiaina mandrakizay daholo àry izay olona mankatò an’Andriamanitra, na inona na inona fiaviany na kolontsainy.

 Hevi-diso: Hankaleo izany hiaina mandrakizay izany.

 Ny marina: Andriamanitra no mampanantena antsika hoe hanome antsika fiainana mandrakizay. Tia antsika izy, dia tiany ho sambatra isika. (Jakoba 1:17; 1 Jaona 4:8) Fantany hoe mila asa mahafa-po isika vao ho sambatra. (Mpitoriteny 3:12) Mampanantena àry izy hoe hanana asa mahafa-po sy mahasambatra daholo izay olona hiaina mandrakizay eto an-tany. Hahasoa an’ilay olona sy ny fianakaviany koa izay asa hataony.—Isaia 65:22, 23.

 Tsy vitan’izay fa mbola hianatra zava-baovao foana izay olona velona mandrakizay. Hisy zavatra azony ianarana foana momba ny Mpamorona sy ireo zavaboariny tsy hita isa. Nataon’Andriamanitra hanana faniriana hiaina mandrakizay sy hianatra momba azy mantsy isika olombelona. Marina aloha hoe tsy ho fantatsika daholo ny “asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany”, na hiaina mandrakizay aza isika. (Mpitoriteny 3:10, 11) Hahita zavatra mahaliana hianarana sy hatao foana anefa isika.

a Mampianatra Baiboly maimaim-poana ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay video hoe Ahoana no Atao Rehefa Mianatra Baiboly?

b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Nahoana no Lazaina fa Mpamonjy i Jesosy?