Hijery ny anatiny

Iza i Mikaela Arkanjely?

Iza i Mikaela Arkanjely?

Valiny ara-baiboly

 Anarana nomena an’i Jesosy tamin’izy mbola tsy tetỳ an-tany sy taorian’ny niakarany tany an-danitra ny hoe Mikaela. Misy koa fivavahana miantso azy hoe “Masindahy Misely.” a Nifamaly tamin’i Satana i Mikaela rehefa maty i Mosesy. Nanampy anjely iray koa izy mba hampita ny hafatr’Andriamanitra tamin’i Daniela mpaminany. (Daniela 10:13, 21; Joda 9) Midika hoe “Iza no tahaka an’Andriamanitra” ny hoe Mikaela. Tena mety aminy mihitsy izany anarana izany, satria miaro ny fitondran’Andriamanitra izy sady miady amin’ny fahavalon’Andriamanitra.—Daniela 12:1; Apokalypsy 12:7.

 Andao isika hijery porofo mampiseho hoe i Jesosy ihany i Mikaela arkanjely.

  •   I Mikaela no ilay “arkanjely.” (Joda 9) Ilay anaram-boninahitra hoe “arkanjely” dia midika hoe “filohan’ny anjely.” Andininy roa ao amin’ny Baiboly ihany no ahitana azy io, ary amin’ny endriny milaza tokana foana izy io. Midika izany fa anjely iray ihany no manana an’io anaram-boninahitra io. Milaza ny iray amin’ireo andininy ireo fa i Jesosy Tompo natsangana tamin’ny maty, dia “hidina avy any an-danitra ka hanome baiko mafy amin’ny feon’arkanjely.” (1 Tesalonianina 4:16) “Feon’arkanjely” ny feon’i Jesosy satria izy no Mikaela arkanjely.

  •   Mpitarika ny tafik’anjely i Mikaela. “I Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona”, na i Satana. (Apokalypsy 12:7) Manana fahefana lehibe any an-danitra i Mikaela, matoa izy antsoina hoe “iray amin’ireo andriana lehibe indrindra” sy hoe “ilay andriana lehibe.” (Daniela 10:13, 21; 12:1) Nilaza i David Aune, manam-pahaizana momba ny Testamenta Vaovao, fa “mpitari-tafika lehibe indrindran’ny tafik’anjely” i Mikaela, matoa manana an’ireo anaram-boninahitra ireo.

     Ankoatra an’i Mikaela, dia i Jesosy ihany no resahin’ny Baiboly fa manana fahefana amin’ny tafik’anjely. Izao no voalaza ao: “Haharihary i Jesosy Tompo avy any an-danitra miaraka amin’ny anjeliny mahery, ao amin’ny afo midedadeda, amin’ny fotoana hamaliany.” (2 Tesalonianina 1:7, 8; Matio 16:27) Rehefa “nankany an-danitra” i Jesosy, dia “nasaina nanaiky azy ny anjely sy ny fahefana ary ny fanjakana.” (1 Petera 3:21, 22) Mpitari-tafik’anjely i Jesosy, ary mpitari-tafik’anjely koa i Mikaela. Andriamanitra anefa ve dia hanendry mpitari-tafik’anjely roa mifandrafy? Mitombina kokoa àry ny hoe i Jesosy ihany no Mikaela.

  •   “Hitsangana” i Mikaela mandritra ny “fotoam-pahoriana” mbola tsy nisy hoatr’izany. (Daniela 12:1) Matetika no resahin’ny bokin’i Daniela hoe ‘mitsangana’ ny mpanjaka iray, rehefa hanao zavatra miavaka ilay mpanjaka. (Daniela 11:2-4, 21) Antsoina hoe “Ny Tenin’Andriamanitra” i Jesosy Kristy. “Mpanjakan’ny mpanjaka” koa anefa izy, ka hanao zavatra miavaka. Handringana ny fahavalon’Andriamanitra izy sady hiaro ny vahoakan’Andriamanitra. (Apokalypsy 19:11-16) Hanao an’izany izy mandritra ilay “fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao.”—Matio 24:21, 42.

a Antsoin’ny Baiboly amin’ny anarana maromaro koa ny olona sasany, anisan’izany i Jakoba (izay antsoina koa hoe Israely), Petera (antsoina koa hoe Simona), ary Tadeo (antsoina koa hoe Jodasy).—Genesisy 49:1, 2; Matio 10:2, 3; Marka 3:18; Asan’ny Apostoly 1:13.