Hijery ny anatiny

19 JOLAY 2019
ESPAINA

Fotoana Miavaka: Namoaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina Tamin’ny Fiteny Espaniola ny Vavolombelon’i Jehovah

Fotoana Miavaka: Namoaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina Tamin’ny Fiteny Espaniola ny Vavolombelon’i Jehovah

Namoaka Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny fiteny espaniola ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny zoma 19 Jolay 2019, andro voalohany amin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!, izay natao tany Madrid, any Espaina. Efa ela no niandrasan’ny maro azy io. Efa ao amin’ny jw.org® izao io Baiboly nohavaozina io ary efa azo vakina sy alaina ao. Rahalahy sy anabavy 2500000 mahery no miteny espaniola maneran-tany. Io no fiteny be mpampiasa indrindra eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah. a

Ny Rahalahy Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny rehefa navoaka ilay Baiboly. Nalaina video mialoha ilay lahateny ary nalefa tao amin’ny toerana nanaovana an’ilay fivoriambe iraisam-pirenena, tao amin’ny Kianja Wanda Metropolitano any Madrid. Nanaraka mivantana an’ilay video koa ny mpanatrika fivoriambe tany amin’ny toerana 11 hafa manerana an’i Espaina. Napetraka ao amin’ny Tele JW io video io, taoriana kelin’ny nivoahan’ilay Baiboly.

Faly be ny mpanatrika rehefa nilazana hoe mivoaka ny Baiboly espaniola nohavaozina

Natoro an’ireo mpanatrika tao amin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena hoe ahoana no hakana an’ilay Baiboly ao amin’ny jw.org. Afaka naka an’ilay Baiboly amin’ny endrika elektronika koa ny mpanatrika tany amin’ireo toerana 11. Ampifandraisiny amin’ny JW Box fotsiny izay fitaovana elektronika ampiasainy. Fitaovana namboarin’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahafahana maka zavatra amin’ny alalan’ny Wi-Fi ny JW Box. Mpiasa an-tsitrapo 1200 mahery no nanampy ny mpanatrika haka an’ilay Baiboly nohavaozina, tao amin’ilay kianja sy tany amin’ireo toerana 11.

Rahalahy sy anabavy mampiditra ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny fiteny espaniola ho ao amin’ny fitaovana elektronikany

Sarotsarotra ihany ny nandika an’ilay Baiboly ho amin’ny fiteny espaniola satria mipetraka any amin’ny firenena samihafa ny Vavolombelon’i Jehovah mampiasa an’ilay fiteny. Hoy ny Rahalahy Pedro Gil, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Espaina: “Tombanana ho 577 tapitrisa ny olona miteny espaniola, maneran-tany. Miovaova arakaraka ny firenena misy azy ireo ny hevitry ny teny sy ny fomba fiteny sasany. Nivoatra be koa ny teny espaniola tato ho ato.”

Anabavy tanora mpiasa an-tsitrapo manampy rahavavy iray hampiditra an’ilay Baiboly ho ao amin’ny fitaovana elektronikany

Rahalahy sy anabavy 100 teo ho eo, any amin’ny firenena samihafa, no nakana hevitra mba hanampiana ny ekipa mpandika Baiboly hamoaka fandikan-teny marina tsara sy mora vakina. Naharitra efa-taona sy tapany ny fandikana an’ilay Baiboly.

Hoy ny Rahalahy Gil: “Teny azon’ny olona rehetra no ampiasaina ao amin’io Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny fiteny espaniola io. Ho hitan’ny mpitory hoe mora ampiasana ilay izy na eny amin’ny fanompoana na any am-pivoriana. Faly be koa izahay satria hanampy ny rahalahy sy anabavy miteny espaniola hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah io Baiboly nohavaozina io.”

Misaotra an’i Jehovah isika noho ilay Baiboly nohavaozina midera ny anarany. Matoky isika hoe hanampy ny Vavolombelon’i Jehovah hitory “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany” io Baiboly io.—Asan’ny Apostoly 1:8.

a Tsy nisy Baiboly vita pirinty nozaraina tany amin’ireo toerana samihafa nanaovana fivoriambe satria be loatra ny mpanatrika. Halefa any amin’ny fiangonana miteny espaniola maneran-tany kosa ilay izy rehefa vonona. Ho azo alaina ao amin’ny JW Library® io Baiboly nohavaozina amin’ny fiteny espaniola io, manomboka amin’ny alatsinainy 22 Jolay.