Hijery ny anatiny

Toerana samihafa anaovana fampirantiana eny amin’ny Las Vegas Boulevard any Las Vegas, Nevada, Etazonia.

5 Martsa 2024
ETAZONIA

Fitoriana Tamin’ny Fiteny Samihafa Nandritra ny Herinandron’ny Lalao Super Bowl 2024

Fitoriana Tamin’ny Fiteny Samihafa Nandritra ny Herinandron’ny Lalao Super Bowl 2024

Nisy fiadiana ny ho tompon-daka tamin’ny lalao baolina kitra amerikanina (Super Bowl) tany Las Vegas, Nevada, tany Etazonia, tamin’ny 11 Febroary 2024. Olona 300 000 teo ho eo no nitsidika an’ilay toerana, nandritra ny herinandro talohan’ilay lalao. Toerana 50 no nametrahana kalesy fampirantiana teo amin’ny Las Vegas Boulevard, izay anisan’ny lalana be mpandeha indrindra ao amin’io tanàna io. Nisy boky sy gazety tamin’ny fiteny sivy teo amin’ireo fampirantiana. Rahalahy sy anabavy 1 500 teo ho eo no nandray anjara tamin’ilay fitoriana manokana. Betsaka ny fitantarana mampahery hitan’ireo rahalahy sy anabavy tamin’iny fotoana iny, fa santionany fotsiny no hojerentsika etsy ambany.

Nisy lehilahy iray nandalo teo amin’ny kalesy fampirantiana iray nisy soratra hoe “Ahoana no Hiafaran’ity Tanintsika Ity?” Niverina haingana izy avy eo dia nanatona an’ireo Vavolombelona nijoro teo akaikin’ilay fampirantiana. Niresaka momba an’ireo zava-mitranga maneran-tany amin’izao izy, dia faly rehefa naheno ny fampanantenan’ny Baiboly momba ny fiadanana resahin’ny Jeremia 29:11. Efa adiny iray mahery izy sy ireo rahalahy no niresaka teo. Nilaza koa izy talohan’ny nandehanany hoe te hanatrika fivoriana.

Anabavy mitory amin’ny fianakaviana nanatona ny kalesy fampirantiana

Nisy kalesy fampirantiana koa teny amin’ny toerana hafa tsy lavitra ny kianja. Tsikaritry ny mpiambina iray ilay soratra hoe: “Ahoana no Hiafaran’ity Tanintsika Ity?” Mbola am-perinasa izy tamin’izay, fa nilazany ireo rahalahy teo hoe hiverina eo ihany izy rehefa vita ny asany. Niverina izy rehefa afaka kelikely, dia nohazavainy hoe vao haingana izy izay no nanomboka namaky Baiboly samirery. Noresahin’ireo rahalahy ireo avy eo ny momba ny fampianarana Baiboly ataontsika, dia nazoto be mihitsy izy hianatra. Nisy fandaharana natao àry mba hisy olona hitsidika azy.

Nisy vehivavy izay niresahan’ny mpitory, tamin-dry zareo nitory isan-trano ny andro talohan’ilay lalao baolina kitra. Nilaza izy hoe hitany tamin’ny vaovao tamin’ny tele ny momba ny fampirantiana ataontsika. Izao no noteneniny: “Tsara be ny ataonareo. Mila zavatra manome fanantenana mihitsy isika amin’izao andro sarotra izao.” Nanontany izy avy eo hoe aiza ny Vavolombelon’i Jehovah eny amin-dry zareo no mivory, dia isaky ny inona.

Faly isika fa mbola betsaka ny olona mamaly ny ‘antsoantson’ny fahendrena’ eny amin’ny toerana be olona, amin’ny alalan’ireny fitoriana manokana ireny. Tena ankasitrahantsika i Jehovah noho izany.​—Ohabolana 1:20, 21.