Hijery ny anatiny

Fonja any Vacaville, any Kalifornia

25 DESAMBRA 2020
ETAZONIA

Mbola Mahazo Fampaherezana Foana ny Voafonja na dia eo aza ny Fihibohana

Mbola Mahazo Fampaherezana Foana ny Voafonja na dia eo aza ny Fihibohana

Lasa tsy azo notsidihina ny fonja rehetra eran’i Etazonia, vokatr’ilay valanaretina COVID-19. Tsy afaka nizara boky sy gazety tany sy nampianatra Baiboly an’ireo voafonja intsony koa àry ny Vavolombelon’i Jehovah an-jatony. Midika izany fa voafonja an’arivony no lasa tsy afaka nianatra momba an’i Jehovah intsony. Nitady fomba vaovao hitoriana amin’ny voafonja anefa ireo rahalahy, sady manaraka tsara ny fepetra ara-pahasalamana mifandray amin’ny COVID-19.

Hoy ny Rahalahy Dan Houghton, anisan’ny miandraikitra ny fitoriana amin’ny voafonja any amin’ny faritanin’ny sampan’i Etazonia: “Nieritreritra be an’ireo voafonja efa zatra notsidihinay izahay. Miandry ny fahatongavanay foana mantsy ry zareo satria te hianatra Baiboly. Izao mihitsy anefa ry zareo no tena mila anay.”

Niantso ny tompon’andraikitry ny fonja tany Vacaville, any Kalifornia, ohatra, ny Rahalahy Micah Seierstad, ary nanontany raha afaka mandefa video amin’ny fandaharana Tele JW any amin-dry zareo. Gaga izy rehefa niteny taminy ny tompon’andraikitry ny fonja hoe sao dia mba afaka mandefa video azo alefa amin’ny tele rehetra any amin’ny fonja 33 eran’i Kalifornia izy. Nozarazaraina mba ho lasa ampahana video maharitra 28 minitra avy àry ilay fandaharan’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2020 hoe “Mifalia Foana!”, ary nalefa intelo isan’andro tany amin’ny telen’ny fonja. Vokatr’izay dia voafonja 130 000 no afaka nijery an’ilay izy.

Hoy ny Rahalahy Seierstad: “Tena mahavariana ny zavatra vitan’i Jehovah. Tsisy mahasakana azy mihitsy rehefa misy zavatra tiany hatao!”

Henon’ireo rahalahintsika hoe tian’ny mpiandraikitry ny fonja ao amin’ny fonjan’i Sarasota, any Floride, raha homena boky mampahery mba hiatrehana ny adin-tsaina vokatry ny fihibohana ny voafonja. Nanontany ny mpiandraikitry ny fonja àry ireo rahalahintsika raha afaka manome Baiboly sy boky ara-baiboly isan-karazany amin’ny teny anglisy sy espaniola ho an’ny voafonja. Nekena ny fangatahan’izy ireo, sady afaka nandamina fianarana Baiboly amin’ny alalan’ny vidéoconférence koa ry zareo. Izao no nosoratan’ny voafonja iray tany amin’ilay mpampianatra Baiboly azy: “Efa tsy andriko indray izay hianarantsika. Tena mampirisika ahy hamaky Baiboly mantsy ilay fianarana. Hafa mihitsy izao ny fahitako ny hoavy.”

Maka Baiboly 70 amin’ny teny anglisy sy espaniola sy boky ara-baiboly 30 any an-tranon’ny Rahalahy Manolo Rodriguez ny mpiandraikitra ny fonjan’i Sarasota. Manampy azy ireo mitatitra an’izany ny Rahalahy Rodriguez

Faly isika hoe tsy misy mahasakana an’ilay Raintsika be fitiavana tsy hanampy ny olona te hahafantatra azy mihitsy, na valanaretina izany na fonja.​—Salamo 139:7-10.