Hijery ny anatiny

Ilay Trano Handraisana Mpitsidika any Patterson any New York, any Etazonia. Sary kely: Mpitsidika manandrana ny zavatra azo atao ao amin’ilay tranombakoka hoe “Tanàna Kely Tamin’ny Taonjato Voalohany”

26 JANOARY 2024
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Tena Miavaka Sady Ianarana Zavatra Be dia Be Ilay Trano Vaovao Handraisana Mpitsidika any Patterson

Tena Miavaka Sady Ianarana Zavatra Be dia Be Ilay Trano Vaovao Handraisana Mpitsidika any Patterson

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny 1 Janoary 2024 ilay trano handraisana mpitsidika any Patterson. Any amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana any Patterson, any New York, any Etazonia no misy an’ilay izy. Misy tranombakoka fampirantiana ao amin’ilay izy, ary izao no anaran’ilay fampirantiana: “Tanàna Kely Tamin’ny Taonjato Voalohany.” Hoy ny Rahalahy Isaiah Miller, miasa ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Tranombakoka, any amin’ny Betelan’i Etazonia: “Nasiana an’io Tanàna Kely io ao mba hanampiana ny olona hahita hoe hoatran’ny ahoana ny fiainana tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Hitan’ny mpikaroka mantsy hoe misy vokany be amin’ny olona rehetra, na kely na lehibe, raha ianarany zavatra ilay zavatra ataony.” Hoy ny vehivavy iray, rehefa avy nitsidika an’io tranombakoka io: “Hoatran’ny hoe nentina niverina tany amin’ny tanin’ny Israely fahiny aho, rehefa nitsidika an’ity tranombakoka ity. Mahafinaritra be ilay izy!”

Manampy ny olona mba hahafantatra momba ny biby, ny sakafo, ny zavamaniry, ary ny fiainan’ny Israelita tamin’ny taonjato voalohany, ilay tranombakoka. Misy hazo oliva, ohatra, ao amin’ilay izy, ary lasitra namboarina tamin’ny hazo oliva any Israely no nanaovana azy. Misy vato fikosoham-bary mitovy habe amin’ny tena izy koa ao, dia afaka mampiasa an’ilay izy ny mpitsidika. Misy sambo kely mitovy amin’ilay nampiasain’i Jesosy sy ny mpianany koa ao, ary afaka mankao amin’ilay izy koa ny mpitsidika. Falifaly erỳ ny rahalahy iray niteny hoe: ‘Hoatran’ny hoe teo mihitsy aho, tamin’ilay Jesosy niteny tamin’ny ranomasina i Jesosy hoe: “Aoka izay! Mangìna!”’ (Marka 4:39) Misy hoatran’ny synagoga fahiny koa ao, ary manampy ny mpitsidika ilay izy mba hahazo sary an-tsaina hoe hoatran’ny ahoana ilay hoe mipetraka sy mihaino tsara rehefa vakina mafy ao ny Tenin’Andriamanitra.

Ny zavatra hita ao amin’ilay Tanàna Kely (Manaraka ny fihodinan’ny famantaranandro, miainga avy eo ambony ankavia): Sambo kely fampiasan’ny mpanjono tamin’ny taonjato voalohany, vato fikosoham-bary, synagoga, ary tsena

Rebecca sy Marcos mianatra mandrafitra, ao amin’ilay Tanàna Kely

Anisan’ny mampiavaka an’ilay tranombakoka koa ny hoe afaka miresaka amin’ny “israelita mipetraka ao amin’ny tanàna kely” ny mpitsidika, dia afaka mianatra momba ny fiainana tamin’ny taonjato voalohany. Rahalahy sy anabavy ihany no manao ny anjaran’ireo israelita ireo. Afaka mandray anjara amin’ny asa fanao tamin’ny andron’ny Jesosy ny mpitsidika. Hoy i Marcos, ankizilahy folo taona: “ Ilay nanampy israelita mpandrafitra mba hanamboatra zavatra no tena tiako!” Nitovy hevitra taminy i Rebecca, ankizivavy valo taona, dia niteny hoe: “Iny koa ny ahy no tena tiako! Fa tiako koa ilay nikosoka vary mba hanaovana lafarinina.”

Misy fizarana telo hafa koa ao amin’ilay trano handraisana mpitsidika. Aseho ao amin’ilay hoe “Vola Nampiasaina Tamin’ny Taonjato Voalohany” ny vola madinika nampiasaina tamin’ny taonjato voalohany, anisan’izany ny tetradrakma. Aseho ao amin’ilay tranombakoka hoe “Hampianarin’i Jehovah ny Zanakao Rehetra” ny momba ny karazana sekoly alamin’ny fandaminana, ary asongadina ao koa hoe nahoana no tena ilaina ilay hoe ampianarin’i Jehovah. Hita ao amin’ilay hoe “Niaro ny Vaovao Tsara sy Niezaka Hahazo Zo Ara-dalàna Hitory An’izany Izy Ireo” ny tantaran’ireo rahalahy sy anabavy any amin’ny tany maro. Niatrika fanenjehana izy ireny, ary aseho ao amin’ilay izy hoe ahoana no nanampian’ny fandaminana an-dry zareo.

Avy eo ankavia miankavanana: Ilay fampirantiana hoe “Vola Nampiasaina Tamin’ny taonjato Voalohany”, ao amin’ilay tranombakoka hoe “Hampianarin’i Jehovah ny Zanakao Rehetra”, ary ao amin’ilay tranombakoka hoe “Niaro ny Vaovao Tsara sy Niezaka Hahazo Zo Ara-dalàna Hitory An’izany Izy Ireo”

Asaina hitsidika an’ilay Trano Handraisana Mpitsidika any Patterson ny rahalahy sy anabavy eran-tany, satria hanatanjaka ny finoan-dry zareo io fanomezana avy amin’i Jehovah io. Anisan’ny fomba ampisehoan’i Jehovah io trano vaovao io hoe tena tiany ny vahoakany sady sarobidy aminy.​—Jakoba 1:17.