Hijery ny anatiny

Mpanao fanorenana eo ivelan’ny biraon’ny sampan’i Kolombia

29 SEPTAMBRA 2023
KOLOMBIA

Efa Azo Tsidihina Izao Ilay Biraon’ny Sampan’i Kolombia Nohavaozina

Efa Azo Tsidihina Izao Ilay Biraon’ny Sampan’i Kolombia Nohavaozina

Vao tsy ela izay dia vita ny fanavaozana lehibe natao tao amin’ny biraon’ny sampan’i Kolombia. Tamin’ny Febroary 2019 ilay izy no natomboka ary nifarana tamin’ny Martsa 2023. Rahalahy sy anabavy 200 mahery no nifarimbona nanao ny asa, anisan’izany ny mpiasa an-tsitrapo avy any Angletera, Aostralia, Etazonia, Kanada, Repoblika Dominikanina, ary Silia.

Vehivavy iray sy ny zanany lahy, mitsidika an’ilay biraon’ny sampana nohavaozina

Nanomboka tamin’ny 1 Jona 2023, dia azo atao ny mitsidika an’io biraon’ny sampana nohavaozina io. Sambany ny Rahalahy John Rodriguez no nitsidika biraon’ny sampana. Natao batisa nandritra ny valanaretina COVID-19 mantsy izy. Izao no nolazainy: “Hita amin’ny asa atao ato hoe tena miavaka i Jehovah sady be fitiavana. Tena mahafinaritra ny fandaminan’i Jehovah ary faly be aho hoe anisan’izy io!” Nisy rahalahy iray koa niteny hoe: “Tena mahavariana be ahy ny fomba nampiasan’ireo rahalahy ny fitaovana sy ny teknolojia nivoaka farany indrindra. Porofoin’io fanavaozana io hoe mihatsara foana ny fandaminan’i Jehovah.”

Any amin’ny 42 kilaometatra any avaratrandrefan’i Bogotá, any Kolombia, no misy an’ilay biraon’ny sampana. Izy io no miandraikitra ny asan’i Vavolombelon’i Jehovah any Bolivia sy Kolombia. Io sampana io koa no manao pirinty boky sy gazety ho an’i Ekoatera, Kolombia, Peroa, ary Venezoelà. Mihabetsaka ny mpanompon’i Jehovah any amin’ireo firenena ireo, ka azo inoana hoe hanampy amin’ny fikarakarana azy ireny ilay biraon’ny sampana nohavaozina. Efitra fatoriana sy birao 350 mahery no nohavaozina, ary birao vaovao 156 no naorina. Ankoatra an’izay, dia misy efitra fianarana sy efitra fivoriana maromaro vao naorina, ary nitarina ny lalana fandehanan’ny mpitsidika.

Ilay efitra fivoriana nohavaozina ao amin’ny sampan’i Kolombia. Mahazaka olona 420 io efitra io. Sary kely: Rahalahy maromaro manamboatra an’ilay efitra fivoriana

Izao no nolazain’ny Rahalahy Tait Boulais, mpandrindra ny Komitin’ny Fanorenana: “Nanasaro-javatra ilay valanaretina COVID-19. Fa na izany aza dia miharihary hoe notahin’i Jehovah ilay asa. Noho ilay valanaretina izao, dia tena vitsy kokoa ny olona afaka nanampy tamin’ilay fanorenana. Izay afaka nanao an’ilay izy anefa dia faly erỳ nanao asa mbola tsy nahazoany fiofanana na zara raha nahazoany fiofanana. Hitanay hoe nampian’ny fanahin’i Jehovah ry zareo, dia vetivety dia lasa hainy tsara ilay asa, hoatran’ny mpanompon’i Jehovah maro tsy nivadika taloha.”

Matoky isika hoe hanohana an’ireo rahalahy sy anabavy ary ny olona liana be dia be any amin’io faritra io ilay biraon’ny sampana nohavaozina.​—Asan’ny Apostoly 1:8.