Hijery ny anatiny

Rahalahy Oleg Danilov notsenain’i Nataliya vadiny, tamin’izy nafahana tany am-ponja

5 MARTSA 2024
ROSIA

Nafahana ny Rahalahy Oleg Danilov, any Rosia

Nafahana ny Rahalahy Oleg Danilov, any Rosia

Nafahana avy tao amin’ny fonja any Rosia ny Rahalahy Oleg Danilov, tamin’ny 1 Martsa 2024, rehefa avy nigadra telo taona.

Talohan’ny nanamelohana azy, dia nilaza ny zavatra hataony i Oleg raha sendra halefa any am-ponja izy. Hoy izy: “Nisaintsaina ny tenin’i Paoly ao amin’ny Filipianina 4:4 aho hoe: ‘Mifalia foana noho ny amin’ny Tompo. Averiko ihany hoe: Mifalia!’ Mbola tany am-ponja i Paoly tamin’izy nanoratra an’io. Nifandray be tamin’i Jehovah sy tena natoky azy izy, ka na dia nigadra aza izy dia tsy nampihena ny fifaliany izany. Te hanao hoatr’izany koa aho, dia tsy hisy avelako hanala ny fifaliako, na inona na inona.”

Tsy maintsy niezaka be i Oleg vao nahavita hifaly foana, rehefa nampidirina am-ponja sy tafasaraka tamin’ny fianakaviany. Tena mafy taminy ny tsy nanatrika ny mariazin’ny zanany lahimatoa. Nohazavain’ny Ranabavy Nataliya Danilova, vadin’i Oleg, hoe inona no nanampy an’i Oleg. Hoy izy: “Tonga saina i Oleg hoe mety ho kivy sy tsy ho falifaly intsony izy raha mieritreritra foana an’izay nafoiny. Nieritreritra foana ny zavatra ananany kosa izy: Ny fifandraisany amin’i Jehovah, ny fanampian’ny fanahiny masina, fianakaviana tena tia azy, ireo namany akaiky, ary ireo rahalahy sy anabavy maneran-tany. Rehefa nanova ny fomba fijeriny izy, dia tsapany hoe hoatran’ny lehilahy iray manankarena izy.”

Oleg sy Nataliya miaraka amin’ny zanany roa lahy sy ny vinantovaviny

Nilaza koa i Nataliya fa nanampy ny zanany koa ny modely nomen’i Oleg. Hoy izy: “Vao mainka ry zareo natoky an’i Jehovah sy tia ny mpiara manompo, rehefa hitan’izy ireo ny zavatra niainan’ny dadany sy ny fomba nanampian’i Jehovah ny fianakavianay. Lasa tapa-kevitra kokoa izao ry zareo hoe hanao loha laharana ny fanompoana an’i Jehovah eo amin’ny fiainany.”

Tena faly isika hoe tafaraka indray i Oleg sy ny fianakaviany. Manampy antsika hitadidy koa ny tantaran’i Oleg fa afaka ny ho faly foana isika na dia mijaly noho ny finoana aza, ary matoky fa hanampy antsika foana ny fanahin’i Jehovah.​—1 Petera 4:14.