Hijery ny anatiny

15 MEY 2023
RWANDA

Oram-be sy Tondra-drano Tany Amin’ny Faritra Andrefan’i Rwanda

Oram-be sy Tondra-drano Tany Amin’ny Faritra Andrefan’i Rwanda

Nisy oram-be tany amin’ny faritra andrefan’i Rwanda tamin’ny 2 Mey sy 3 Mey 2023, dia nisy tondra-drano sy tany nihotsaka. Olona 130 mahery no maty vokatr’izany, ary an’arivony no voatery niala tao an-tranony. Betsaka koa ny voly, trano, tetezana, ary lalana simba noho ilay tondra-drano sy tany nihotsaka.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty na naratra

  • Trano 51 no potika tanteraka

  • Trano 43 no simba be

  • Efitrano Fanjakana 2 no misy simba kely

Fanampiana tra-boina

  • Komitin’ny Vonjy Rano Vaky 3 no notendrena handamina ny fanampiana tra-boina sy hizara an’izay ilain’izy ireo

  • Mampahery an’ireo tra-boina amin’ny alalan’ny Baiboly ny rahalahy anisan’ny Komitin’ny Sampana sy ny mpiandraikitra ny faritra ary ny anti-panahy

Mivavaka isika mba hampian’i Jehovah foana ireo rahalahy sy anabavintsika any Rwanda, amin’izao ry zareo miatrika “fotoan-tsarotra” izao.​—Salamo 46:1.