Hijery ny anatiny

Fitsarana Tampony any Santiago, any Silia

31 DESAMBRA 2019
SILIA

Miavaka ny Didy Navoakan’ny Fitsarana Tampony any Silia Izay Miaro ny Zon’ny Marary

Miavaka ny Didy Navoakan’ny Fitsarana Tampony any Silia Izay Miaro ny Zon’ny Marary

Namoaka didy ny Fitsarana Tampony any Silia, tamin’ny 13 Desambra 2019, hoe zon’ny Vavolombelon’i Jehovah iray ny mandà tsy hampidiran-dra noho ny zavatra inoany. Nofoanan’ny Fitsarana Tampony, tamin’izay, ny didy navoakan’ny fitsarana ambany kokoa.

Ny Ranabavy Ríos, mitazona taratasy misy an’ilay didim-pitsarana nivoaka tamin’ny 13 Desambra 2019

Mahakasika ny Ranabavy Polonia Ríos ilay raharaha ara-pitsarana. Imbetsaka ny dokotera no tsy nety nandidy azy satria tsy manaiky hampidiran-dra izy. Nametraka fitoriana teny amin’ny fitsarana àry izy satria tsy nety nitsabo azy ilay hopitaly. Namoaka didy nanome rariny an’ilay hopitaly anefa ny fitsarana ambony tao San Miguel, tamin’ny 6 Aogositra 2019.

Nampakatra an’ilay raharaha tany amin’ny Fitsarana Tampony ny Ranabavy Ríos ary nandresy izy tamin’ilay fitsarana. Sambany ny Fitsarana Tampony no namoaka didy hoe manan-jo handà karazana fitsaboana sasany ny olon-dehibe marary afaka manapa-kevitra tsara, raha tsy mifanaraka amin’ny zavatra inoany ilay fitsaboana. Efa 25 taona mahery izay ny Fitsarana Tampony no nanapa-kevitra hoe tsy mahazo mandà ny fitsaboana atao aminy ny marary raha mihevitra ny dokotera hoe mety hamonjy ny ainy ilay fitsaboana.

Niaiky ilay Fitsarana tao amin’ny didy navoakany fa efa hatramin’ny telo taona izay ilay marary no niandry hoe hodidina satria te ho velona sy ho salama tsara. Nolazainy koa hoe manana antony marim-pototra izy matoa tsy manaiky hampidiran-dra ary tsy manakana ny dokotera tsy hitsabo azy. Noresahina tao amin’ilay didim-pitsarana koa hoe: “Noho ny zavatra inoany no mahatonga azy tsy hampidiran-dra. Tokony hohajaina izany satria manan-jo hanaraka ny feon’ny fieritreretany izy ary olona manana ny hajany. Vao mainka koa tokony hohajaina ny safidiny satria be dia be ny tatitra mampiseho hoe azo atao tsara ny mandidy azy tsy misy fampidiran-dra.”

Miara-paly amin’ny mpiara-manompo amintsika any Silia isika noho iny fandresena ara-pitsarana miavaka iny.—1 Korintianina 12:26.