Hijery ny anatiny

Rahalahy Shamil Khakimov talohan’izy nigadra tamin’ny Febroary 2019

4 MARTSA 2021
TADJIKISTAN

Hangataka ny Hanafahana An’ny Rahalahy Shamil Khakimov, Izay Migadra any Tadjikistan, ny Vaomiera Amerikanina Miaro ny Fahalalahana Ara-pivavahana Maneran-tany

Hangataka ny Hanafahana An’ny Rahalahy Shamil Khakimov, Izay Migadra any Tadjikistan, ny Vaomiera Amerikanina Miaro ny Fahalalahana Ara-pivavahana Maneran-tany

Nanao fanambarana Atoa Nury Turkel, ambasadaoron’ny USCIRF a, tamin’ny 24 Febroary 2021 fa hangataka ny hanafahana an’ilay rahalahy 70 taona atao hoe Shamil Khakimov izy. Ao anatin’ilay lisitry ny Mpivavaka Gadraina Noho ny Finoany nataon’ny USCIRF mantsy io rahalahy io. Izao no nohazavain’Atoa Turkel tamin’izy nanao an’ilay fanambarana: “Nanomboka tamin’ny 2019, dia nijaly be tao amin’ny fonja efa ratsy anankiray sady feno hipoka io lehilahy be taona efa marary io. Voaheloka higadra fito taona sy tapany izy, dia tena tsy rariny mihitsy izany. Mitovy amin’ny hoe voaheloka ho faty ihany izany. Izy anefa tsy nanao ratsy sady tsy nanakorontana akory, fa Vavolombelon’i Jehovah izy dia nanaraka an’izay zavatra inoany fotsiny.”

Nisy Vavolombelona 24 natao famotorana tany Tadjikistan avaratra tamin’ny Janoary sy Febroary 2019, ary iray tamin’izany ny Rahalahy Khakimov, izay efa maty vady. Ny Sampan-draharaha Miady Amin’ny Fikambanan’ny Mpanao Heloka Bevava (DOCC) no nanao an’io famotorana io. Nosamborin’ny DOCC ny Rahalahy Khakimov, dia nanontanintanian-dry zareo hoe ahoana ny fomba andaminana ny Vavolombelon’i Jehovah ary ahoana no nahatonga azy ho lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Notanana nandritra ny adiny valo ny Rahalahy Khakimov, ary tsy navela hahazo ny fitsaboana nilainy nefa izy vao nodidiana vao haingana. Miakatra tosidra koa izy. Rehefa naterin’ny polisy nody izy avy eo, dia nalain-dry zareo daholo ny fitaovana elektronika nananany, ny Baiboliny, ireo boky fianarantsika Baiboly, ary ny pasipaorony. Raha tsy misy ny pasipaorony anefa ny Rahalahy Khakimov, dia tsy ho afaka hahazo ny vola fisotroan-drononony ka tsy hahavita handoa ny fitsaboana ilainy.

Tamin’ny 28 Febroary 2019, dia namoaka didy ny mpitsara tao amin’ny fitsarana any amin’ny tanànan’i Khodjent fa hotanana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Khakimov. Nohalavaina intelo ny fotoana nijanonany tany am-ponja. Notanana tao izy nandritra ny famotorana sy ny fitsarana azy.

Voaheloka higadra fito taona sy tapany izy tamin’ny 10 Septambra 2019. Nampahafantarin’ny tompon’andraikitry ny fonja anefa ny Rahalahy Khakimov, tamin’ny 4 Jolay 2020, fa hampiharina aminy ny lalàna momba ny famotsoran-keloka any Tadjikistan. Nihena ho roa taona sy telo volana sy folo andro àry ny saziny. Tokony hivoaka ny fonja izy amin’ny 16 Mey 2024.

Matoky isika fa hanampy foana an’ireo rahalahy sy anabavintsika i Jehovah, amin’izay ry zareo hahavita hiaritra sady hanam-paharetana sy ho falifaly.​—Salamo 20:2.

a Vaomiera Amerikanina Miaro ny Fahalalahana Ara-pivavahana Maneran-tany