Hijery ny anatiny

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Manao Aniversera?

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Manao Aniversera?

 Tsy mankalaza ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana, na aniversera, ny Vavolombelon’i Jehovah satria mino izy ireo hoe tsy mampifaly an’Andriamanitra izany. Tsy mandrara mivantana ny aniversera ny Baiboly, nefa manampy antsika hahatakatra ny hevitr’Andriamanitra momba azy io ny zavatra voaresaka ao. Andao hojerentsika ny efatra amin’izy ireo sy ny toro lalana ao amin’ny Baiboly mifandray amin’izany.

  1.   Avy amin’ny mpanompo sampy no niandohan’ny aniversera. Manazava ny niandohan’io fety io ilay diksionera hoe Funk & Wagnalls Standard Dictionary of Folklore, Mythology, and Legend. Nino ny olona taloha hoe rehefa mitsingerina, hono, ny andro nahaterahan’ny olona iray dia misy “fanahy ratsy sy hery ratsy afaka mampijaly azy.” “Mety ho voaro kosa izy rehefa miaraka aminy eo ny namany, sady mirary soa ho azy.” Milaza ny boky The Lore of Birthdays fa tamin’ny andro taloha, dia efa nianatra momba ny astrolojia ny olona, izany hoe nianatra nampifandray ny zavatra eny amin’ny lanitra amin’ny zava-mitranga etỳ an-tany. Nanao izany izy ireo mba hamoronana tononandro, ka tena zava-dehibe tamin’izy ireo ny nandrakitra an-tsoratra ny andro nahaterahan’ny olona. Araka io boky io, dia “nino ny olona fahiny hoe misy hery mahagaga amin’ireny labozia ampiasaina amin’ny aniversera ireny, satria afaka manatanteraka ny fanirian’ilay olona.”

     Melohin’ny Baiboly anefa ny olona manao mazia, manao sikidy, mifandray amin’ny herin’ny maizina, ary ny “toy izany.” (Deoteronomia 18:14; Galatianina 5:19-21) Izany mihitsy aza no anisan’ny nahatonga an’Andriamanitra hanameloka ny tanànan’i Babylona fahiny. Zatra nampiasa astrolojia ny olona tao, nefa anisan’ny fifandraisana amin’ny herin’ny maizina izany. (Isaia 47:11-15) Izahay Vavolombelon’i Jehovah akory tsy hoe mikaroka be momba ny niandohan’ny fety sy fombafomba rehetra, fa rehefa manome tari-dalana mazava kosa ny Baiboly dia arahinay izany.

  2.   Tsy nankalaza aniversera ny Kristianina voalohany. Hoy ny The World Book Encyclopedia: “Nihevitra izy ireo fa fanaon’ny mpanompo sampy ny mankalaza aniversera.” Asehon’ny Baiboly hoe tokony harahin’ny Kristianina rehetra izay nataon’ny apostoly sy ny olona hafa nampianarin’i Jesosy mivantana.—2 Tesalonianina 3:6.

  3.   Ny nahafatesan’i Jesosy ihany no asaina ankalazain’ny Kristianina, fa tsy ny andro nahaterahan’i Jesosy na ny an’ny olon-kafa. (Lioka 22:17-20) Tsy mahagaga izany satria milaza ny Baiboly hoe “aleo ny andro ahafatesana toy izay ny andro ahaterahana.” (Mpitoriteny 7:1) Rehefa maty i Jesosy dia nahazo laza tsara teo anatrehan’Andriamanitra. Ny andro nahafatesany àry no zava-dehibe kokoa noho ny andro nahaterahany.—Hebreo 1:4.

  4.   Tsy mitantara mihitsy ny Baiboly hoe nisy mpanompon’Andriamanitra nanao aniversera. Tsy hoe sendra hadino fotsiny ny nitantara momba an’izany. Misy fankalazana andro nahaterahana anankiroa voaresaka mantsy ao amin’ny Baiboly, saingy tsy mpanompon’Andriamanitra no nanao azy ireo. Samy ratsy koa ny zavatra lazain’ny Baiboly momba an’ireo fankalazana roa ireo.—Genesisy 40:20-22; Marka 6:21-29.

Mahatsiaro ho matiantoka ve ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah satria tsy manao aniversera?

 Hoatran’ny ray aman-dreny rehetra ihany ny Vavolombelon’i Jehovah satria mandritra ny taona izy ireo no mampiseho hoe tia ny zanany. Manome fanomezana ho an-janany izy ireo ary miara-mifalifaly aminy. Miezaka izy ireo manahaka an’Andriamanitra, izay manome zava-tsoa ho an’ny zanany. (Matio 7:11) Tsy mahatsiaro ho matiantoka mihitsy ny zanak’izy ireo. Jereo ange ny tenin’ireto ankizy ireto e!

  •   “Mahafinaritra kokoa ny mahazo fanomezana rehefa tsy ampoizina ilay izy.”​—Tammy, 12 taona.

  •   “Na tsy mahazo fanomezana aza aho amin’ny aniverserako, dia ividianan-dry Dada sy Neny aho amin’ny fotoana hafa. Tiako ilay izy satria tsy ampoiziko mihitsy.”​—Gregory, 11 taona.

  •   “Ny anay ny fety tsy hoe folo minitra fotsiny, dia mihinana gatô kely, dia manao hira iray. Tongava ange any aminay, dia ho hitanao e!”​—Eric, 6 taona.