Hijery ny anatiny

Manao Asa Misionera ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Manao Asa Misionera ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Eny. Miezaka hanana ny toe-tsain’ny misionera ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra, na aiza na aiza misy azy. Miezaka foana izahay hiresaka ny zavatra inoanay amin’izay olona hitanay.—Matio 28:19, 20.

 Misy Vavolombelon’i Jehovah mandeha mipetraka vetivety any amin’ny faritra hafa ao amin’ny taniny, na mifindra any mihitsy. Nahoana? Mba hitory amin’izay mbola tsy nandre ny vaovao tsara ao amin’ny Baiboly. Misy koa mifindra any an-tany hafa mba hitory amin’ny olona maro kokoa. Faly izy ireo manatanteraka an’ilay faminanian’i Jesosy hoe: ‘Ho vavolombeloko any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.’—Asan’ny Apostoly 1:8.

 Nanangana sekoly manokana izahay tamin’ny 1943 mba hampiofanana misionera. Sekoly Ara-baibolin’i Gileada no anaran’izy io, ary 8000 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah efa niofana tamin’izy io.