Hijery ny anatiny

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mampiasa Lakroa?

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mampiasa Lakroa?

 Maro no mieritreritra hoe marika amantarana ny Fivavahana Kristianina ny lakroa. Kristianina ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy mampiasa lakroa izahay amin’ny fivavahanay. Nahoana?

 Tsy manao izany, ohatra, izahay satria tsy maty teo amin’ny lakroa i Jesosy, fa teo amin’ny tsato-kazo tsotra fotsiny. Mampitandrina ny Kristianina koa ny Baiboly hoe “andosiro ny fanompoan-tsampy.” Midika izany fa tsy tokony hampiasaina amin’ny fivavahana ny lakroa.—1 Korintianina 10:14; 1 Jaona 5:21.

 Tsara homarihina koa ilay tenin’i Jesosy hoe: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:34, 35) Hita amin’io tenin’i Jesosy io fa ny fifankatiavana no amantarana ny tena mpanara-dia azy, fa tsy ny fampiasana lakroa na sary hafa.