Hijery ny anatiny

Taratasy Kely tao Ambany Masinina Fanasan-damba

Taratasy Kely tao Ambany Masinina Fanasan-damba

 Natao batisa tany Rosia i Zarina ary lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nody tany amin’ny taniny, any Azia Afovoany, izy taorian’izay ary tapa-kevitra hampianatra an’ireo zanany roa vavy momba ny zavatra inoany. Niara-nipetraka tao amin’ny efitra iray izy sy ny ray aman-dreniny, sy ny anadahiny ary ny vadin’ny anadahiny satria tsy dia nanam-bola izy. Nandidy azy ny ray aman-dreniny hoe tsy tokony hampianariny Baiboly ny zanany. Noteneniny koa ny zafikeliny roa vavy mba tsy hiresaka Baiboly amin’ny mamany.

 Nisaintsaina lalina izy hoe ahoana no hampianarany ny zanany momba an’i Jehovah. (Ohabolana 1:8) Niangavy mafy an’i Jehovah àry izy mba hanome azy tari-dalana sy fahendrena. Nanao zavatra mifanaraka amin’ilay vavaka i Zarina. Matetika izy roa vavy no nentiny nandehandeha ary niresahany momba ny hakanton’ny zavaboary. Izany no nahatonga ny zanany ho lasa te hahalala ny Mpamorona.

 Nahita hevitra i Zarina avy eo mba hampianarana misimisy kokoa azy roa vavy. Nampiasa ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? a izy. Nadikany tamin’ny taratasy kely maromaro ny fehintsoratra sy fanontaniana ao amin’ilay boky, ary nampiany fehezanteny vitsivitsy izany mba hazava tsara amin’ny zanany. Nafeniny tao ambany masinina fanasan-damba, tao amin’ny efitra fandroana, avy eo ireo taratasy ary nasiany pensilihazo niaraka taminy. Amin’izay izy roa vavy rehefa niditra tao, dia afaka namaky ny fehintsoratra sy nanoratra ny valin’ny fanontaniana.

 Efa nahavita toko roa amin’ny boky Ampianarina izy telo mianaka talohan’ny nifindrany trano. Afaka nampianatra malalaka ny zanany i Zarina tany. Natao batisa tamin’ny Oktobra 2016 izy roa vavy. Faly izy ireo satria hendry sy malina ny reniny rehefa nampianatra Baiboly azy ireo.

a Be dia be izao ny olona mampiasa an’ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!