Hijery ny anatiny

Ezaka Manokana Nanampiana ny Sinti sy ny Rôma Tany Alemaina

Ezaka Manokana Nanampiana ny Sinti sy ny Rôma Tany Alemaina

An’aliny ny Sinti sy Rôma mipetraka any Alemaina. a Vao haingana ny Vavolombelon’i Jehovah no namoaka taratasy mivalona sy bokikely ary video amin’ny fiteny rômania, izay fitenin-drazan’izy ireo. b

Nisy ezaka manokana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Septambra sy Oktobra 2016, mba hitoriana tamin’ny olona miteny rômania tany amin’ny tanàn-dehibe maromaro tany Alemaina. Anisan’izany ny tany Berlin, Bremerhaven, Freiburg, Hambourg, ary Heidelberg. Nisy fivoriana natao tamin’ny fiteny rômania koa nalamina tany amin’ny Efitrano Fanjakana.

Tena tian’ny olona ilay izy

Be dia be ny Sinti sy Rôma gaga sady faly be tamin’ilay ezaka manokana. Hoy i Andre sy Esther, mpivady nandray anjara tamin’ilay izy: “Faly be ry zareo hoe nanao ezaka be izahay mba hitory tamin-dry zareo.” Nisy koa nihetsi-po rehefa naheno sy namaky ny zavatra ampianarin’ny Baiboly, amin’ny fitenin-drazany. Gaga be ny vehivavy iray rehefa nijery an’ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? amin’ny fiteny rômania. Hoy foana izy hoe: “Amin’ny fiteninay izany!”

Hoy i Matthias, Vavolombelona nandray anjara tamin’ilay ezaka tany Hambourg: “Valo mianadahy izahay no nitory tany amin’ny toerana misy Sinti sy Roma 400 eo ho eo. Nangataka boky sy gazety daholo izay olona niresahanay.” Hoy koa i Bettina, izay nanampy tany Hambourg: “Nisy nitomany rehefa nahita boky sy gazety amin’ny fiteny rômania, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Be dia be no tonga dia namaky mafy an’ireo boky sy gazety, ary nisy koa nangataka fanampiny mba homena ny namany.

Maromaro ny Sinti sy Rôma nanaiky ny fanasana hanatrika Fivoriana ho An’ny Besinimaro. Nisy 94 no tonga nanatrika tany Hambourg, ary mbola tsy niditra tao amin’ny Efitrano Fanjakana izany mihitsy ny ankamaroan’izy ireo. Nisy 123 no tonga nanatrika fivoriana tany Reilingen, any akaikin’i Heidelberg. Dimy tamin-dry zareo no nangataka hampianarina Baiboly taorian’izay.

Nizara taratasy mivalona sy bokikely efa ho 3 000 ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ilay ezaka manokana. Niresaka tamin’ny Sinti sy Rôma 360 mahery ny Vavolombelona ary nanomboka fampianarana Baiboly 19. Be dia be tamin’ireny olona ireny no niteny hoe: “Faly izahay satria niezaka nanampy anay Andriamanitra.”

a Olona mipetraka any amin’ny faritra andrefana sy afovoan’i Eoropa ny Sinti, ary ny Rôma indray avy any amin’ny faritra atsinanana sy atsimoatsinanan’i Eoropa. Samy vitsy an’isa izy ireo.

b Milaza ny Encyclopædia Britannica Online fa misy “60 na mahery ny tenim-paritra” amin’ny fiteny rômania. Ny hoe “rômania” no ampiasaina ato amin’ity lahatsoratra ity, mba hilazana ny fiteny ampiasain’ny Sinti sy Rôma mipetraka any Alemaina.