Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Marina ve Izay Lazain’ny Baiboly Momba ny Jiosy Babo Tany Babylona?

Marina ve Izay Lazain’ny Baiboly Momba ny Jiosy Babo Tany Babylona?

 Resin’ny Babylonianina ny Jiosy, 2 600 taona mahery lasa izay, dia noterena ho any Babylona. Natao sesitany tany nandritra ny 70 taona teo ho eo izy ireo. Hita ao amin’ny Baiboly fa efa nilaza mialoha Andriamanitra hoe hanao ahoana ny fiainan’ireo Jiosy babo ireo rehefa any Babylona izy ireo. Hoy izy: “Manorena trano ka mipetraha ao. Manaova tanimboly ka hano ny vokatra avy aminy. Manambadia ka miteraha zazalahy sy zazavavy. ... Dia katsaho izay hampiadana an’ilay tanàna nandefasako sesitany anareo.” (Jeremia 29:1, 4-7) Tena hoatr’izany tokoa ve ny fiainan’izy ireo tany Babylona?

 Ahitana ny valin’izany ireo takelaka tanimanga efa ho 100 mahery, izay mety ho avy any Babylona fahiny na ny tanàna manodidina azy. Rehefa nandinika azy ireo ny mpikaroka, dia nahita fa maro tamin’ny Jiosy babo no mbola nitazona ny kolontsainy sy ny fivavahany, nefa sady nankatò ny lalàna babylonianina ihany izy ireo. Tamin’ny 572 ka hatramin’ny 477 Talohan’i Kristy tany ho any no nosoratana ireo takelaka ireo. Fifanarahana tamin’ny resaka trano hofana na fifanarahana ara-barotra isan-karazany no hita tamin’ny takelaka sasany. Misy boky iray milaza hoe: “Asehon’ireo takelaka ireo fa olon-tsotra nipetraka tany ambanivohitra ireo olona babo ireo. Niasa tany, nanao trano, nandoa hetra, ary nanao asa ho an’ny mpanjaka izy ireo.”

Takelaka tanimanga misy soratra miendri-pantsika avy any amin’ny Tanànan’i Joda

 Asehon’ireo takelaka sarobidy ireo koa hoe nisy Jiosy maro be niara-nonina tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Al Yahudu, na Tanànan’i Joda. Hita teo amin’ireo takelaka ireo ny anaran’ny taranaka efatra tao amin’ny fianakaviana jiosy iray. Litera hebreo fahiny no nanoratana ny sasany tamin’ireo anarana. Mbola zara raha nahafantatra momba ny fiainan’ny Jiosy babo tany Babylona ny manam-pahaizana, talohan’ny nahitana an’ireo takelaka ireo. Hoy ny Pr. Filip Vukosavović, anisan’ireo mpitantana ny Fikambanana Miandraikitra ny Rakitry ny Ela any Israely: “Ela ny ela fa lasa fantatsika ireo Jiosy babo, noho ireo takelaka ireo. Lasa fantatsika hoe iza no anaran’izy ireo, taiza izy no nipetraka, oviana izy no velona, dia inona avy no nataony tamin’izany.”

Afaka nivezivezy tao Babylona ireo Jiosy babo

 Nalalaka ireo Jiosy babo fa tsy hoatran’ny gadra na andevo, dia afaka nivezivezy tao amin’ilay tany. Nilaza i Vukosavović hoe “tsy tao Al-Yahudu ihany izy ireo” no nipetraka, “fa nisy koa tany amin’ny tanàna hafa 12 mahery.” Nianatra asa isan-karazany koa ny sasany tamin’izy ireo. Tena nilaina izany rehefa nanorina an’i Jerosalema indray izy ireo. (Nehemia 3:8, 31, 32) Asehon’ireo takelaka avy tany Al-Yahudu ireo fa be dia be ny Jiosy nifidy ny hijanona tany Babylona na dia efa afaka nody amin’izay aza izy ireo. Azo lazaina hoe nilamina ihany àry ny fiainan’izy ireo tany Babylona. Izany mihitsy anefa no resahin’ny Tenin’Andriamanitra.