Petera Faharoa 3:1-18

  • Tsy miraharaha an’ilay fandringanana ho avy ny mpaneso (1-7)

  • Tsy mba ela i Jehovah (8-10)

  • Diniho hoe olona tokony hanao ahoana ianareo (11-16)

    • Lanitra vaovao sy tany vaovao (13)

  • Mitandrema sao ho voataona ka ho lavo (17, 18)

3  Ry malala, ity no taratasy faharoa soratako aminareo. Toy ny tao amin’ilay taratasiko voalohany, dia mampirisika anareo hisaina tsara aho ka mampahatsiahy+ anareo an’izay efa fantatrareo,  mba ho tadidinareo ny teny efa voalazan’ny mpaminany masina, sy ny didin’ny Tompo sady Mpamonjy izay nampitain’ny apostolinareo.  Fantaro aloha izao: Amin’ny andro farany, dia hisy mpaneso hanesoeso sady hanao izay tiany fotsiny,+  ka hilaza hoe: “Aiza akory izay fanatrehany eo? Fampanantenana poakaty fotsiny izany!+ Efa hatramin’ny andro nahafatesan’ny razambentsika* no tsy niova ny zava-drehetra, fa mbola mitovy tanteraka amin’izay nisy hatramin’ny namoronana an’izao tontolo izao.”+  Fa odian’izy ireo tsy hita hoe efa nisy hatry ny ela ny lanitra, ary nisy tany mafy tsara koa nipoitra avy tao anaty rano sady teo afovoan’ny rano, noho ny tenin’Andriamanitra.+  Tamin’ny alalan’ireo no nandravana an’ilay tontolo nisy tamin’izany, rehefa safotry ny rano ny tany.+  Atokana mba haringana amin’ny afo amin’ny alalan’izany teny izany koa anefa ny lanitra sy ny tany misy amin’izao, ka tehirizina mandra-pahatongan’ny andro hitsarana sy handringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.+  Aza hadinoina anefa izao, ry malala: Ny iray andro amin’i Jehovah* dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny iray andro.+  Tsy mba ela i Jehovah* manatanteraka ny fampanantenany,+ araka ny fiheveran’ny sasany azy, fa manam-paharetana aminareo kosa izy, satria tsy tiany hisy ho ringana ny olona fa tiany hibebaka daholo.+ 10  Ho avy toy ny mpangalatra+ anefa ny andron’i Jehovah.*+ Amin’izany andro izany dia handalo haingana ny lanitra,+ ka ho toy ny feon-javatra mirodorodo* be ny fandalovany. Ho levona kosa ireo singan-javatra efa mahamay be, ary haharihary ny tany sy ny asa eo aminy.+ 11  Koa satria ho levona toy izany ireo zavatra rehetra ireo, dia diniho hoe olona tokony hanao ahoana ianareo! Tokony hanana fitondran-tena masina sy hahafoy tena ho an’Andriamanitra ianareo, 12  sady hiandry sy hanao an-tsaina foana* ny fahatongavan’ny* andron’i Jehovah.*+ Noho io andro io, dia ho levon’ny afo ny lanitra+ ary hitsonika noho ny hafanana mandoro ireo singan-javatra eo aminy. 13  Araka ny nampanantenainy anefa, dia hisy lanitra vaovao sy tany vaovao+ hanjakan’ny fahamarinana,+ ary izany no andrasantsika. 14  Noho ianareo miandry an’izany zavatra izany, ry malala, dia ataovy izay rehetra azonareo atao mba ho hitan’Andriamanitra hoe tsy misy pentina sy tsy misy tsininy ary mihavana tsara aminy ianareo, amin’ny farany.+ 15  Ankoatra izany, dia hevero ho famonjena ny faharetan’ny Tompontsika. Nanoratra taminareo momba an’izany koa i Paoly rahalahy malalantsika, araka ny fahendrena nomena azy.+ 16  Niresaka momba an’izany zavatra izany izy tao amin’ny taratasy rehetra nosoratany. Sarotra azo anefa ny zavatra sasany ao amin’ireny, ka aolan’ny olona tsy mahatakatra na inona na inona* sy tsy miorina tsara, hoatran’ny ataon’izy ireo amin’ny andininy hafa ao amin’ny Soratra Masina. Ho ringana izy ireo noho izany. 17  Koa satria fantatrareo mialoha izany, ry malala, dia mitandrema sao ho voataona hiaraka amin’ireny ianareo noho ny hevi-dison’ireo mpandika lalàna, ka ho lavo ianareo fa tsy hiorina tsara intsony.+ 18  Ataovy foana kosa izay hahatonga anareo hanehoana hatsaram-panahy miavaka, sy izay hahalalanareo an’i Jesosy Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho azy anie ny voninahitra ankehitriny sy ho mandrakizay! Amena!

Fanamarihana

Abt: “natorian’ny razambentsika (ao amin’ny fahafatesana).”
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Na: “miraondraona; mirimorimo.”
Jereo F.F. A5.
Na: “haniry mafy.” Abt: “hanafaingana.”
Abt: “fanatrehan’ny.”
Jereo F.F. A5.
Na: “tsy nampianarina.”