Timoty Faharoa 4:1-22

  • “Ataovy tsara ny fanompoanao” (1-5)

    • Torio tsy misy hataka andro ny teny (2)

  • “Efa niady ny ady tsara aho” (6-8)

  • Toromarika ho an’i Timoty (9-18)

  • Firarian-tsoa (19-22)

4  Izao no ampirisihako mafy anao eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy, izay hitsara+ ny velona sy ny maty+ rehefa miseho+ sy manjaka ao amin’ny Fanjakany+ izy:  Torio ny teny,+ ary ataovy tsy misy hataka andro izany* na amin’ny mora na amin’ny sarotra; mananara,+ teneno mafy ireo mila tenenina, ampirisiho ny hafa, ka miezaha hanam-paharetana tanteraka sady hahay hampianatra+ rehefa manao an’izany.  Ho avy mantsy ny fotoana tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana mahasoa*+ ka hitadiavany mpampianatra, araka izay tiany, mba handrenesany zavatra mahafinaritra ny sofiny.*+  Tsy hihaino ny fahamarinana intsony izy ireo, fa hihaino tantara tsy marina.  Fa ianao kosa, aoka ianao hisaina tsara foana amin’ny zava-drehetra, miareta fahoriana,+ ataovy ny asan’ny mpitory* ny vaovao tsara, ary ataovy tsara ny fanompoanao.+  Fa efa araraka sahady toy ny fanatitra zava-pisotro+ aho, ary efa akaiky ny fotoana hanafahana ahy.+  Efa niady ny ady tsara aho,+ efa nahavita an’ilay hazakazaka hatramin’ny farany aho,+ nanaraka ny finoana foana aho.  Manomboka izao, dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana.+ Ny Tompo, ilay mpitsara manao ny rariny,+ no hanome ahy an’io valisoa io amin’izany andro izany,+ ary tsy ho ahy ihany fa ho an’izay rehetra maniry mafy ny hisehoany koa.  Ataovy izay rehetra azonao atao mba hahatongavana haingana atỳ amiko. 10  Efa nandao ahy mantsy i Demasy+ satria tia an’izao tontolo izao,* ka lasa any Tesalonika. I Kreska lasa any Galatia ary i Titosy lasa any Dalmatia. 11  I Lioka irery no eto amiko. Ento miaraka aminao i Marka fa ilaiko amin’ny fanompoana izy. 12  I Tykiko+ kosa nirahiko ho any Efesosy. 13  Rehefa mankatỳ ianao, dia ento ilay akanjo ivelany navelako tany amin’i Karpo any Troasy. Ento koa ireo horonam-boky, indrindra fa ireo horonam-boky hoditra. 14  Betsaka ny ratsy nataon’i Aleksandra mpanefy varahina tamiko. I Jehovah* no hamaly azy araka izay nataony.+ 15  Ianao koa mba mitandrema ihany amin’izy iny, fa tena nanohitra mafy an’izay nolazainay izy. 16  Tsy mba nisy tonga nanotrona ahy, tamin’izaho nilaza ny fiarovan-tenako voalohany, fa nandao ahy izy rehetra. Enga anie tsy homelohina noho izany izy ireo! 17  Nijoro teo anilako anefa ny Tompo ka nankahery ahy, mba ho vita tsara amin’ny alalako ny asa fitoriana, ary mba haheno an’ilay hafatra toriko ny firenena rehetra.+ Ary novonjeny tamin’ny vavan’ny liona aho.+ 18  Hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ny Tompo, ary hamonjy ahy ka hitondra ahy any amin’ny Fanjakany any an-danitra.+ Ho azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena. 19  Mampamangy any amin’i Priska sy Akoila+ ary ny ankohonan’i Onesiforosy.+ 20  Nijanona any Korinto i Erasto,+ fa navelako any Mileto kosa i Trofimo+ satria narary. 21  Ataovy izay rehetra azonao atao mba hahatongavana atỳ alohan’ny ririnina. Mampamangy, hono, ianao, hoy i Eobolo, Poda, Lino, Klaodia, ary ny rahalahy rehetra. 22  Ny Tompo anie hitahy ny toe-tsaina tsara anananao! Enga anie ianareo hanehoany hatsaram-panahy miavaka!

Fanamarihana

Na: “mazotoa manao an’izany.”
Na: “marina; tsara.”
Na: “mba hilaza amin’izy ireo an’izay tiany ho heno.”
Na: “torio foana.”
Na: “an’izao vanim-potoana izao.” Jereo F.T.
Jereo F.F. A5.