Nosoratan’i Jaona 15:1-27

  • Fanoharana momba ny tena voaloboka (1-10)

  • Mifankatiava ianareo, hoatran’ny nitiavako anareo (11-17)

    • “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao” (13)

  • Halan’izao tontolo izao ny mpianatr’i Jesosy (18-27)

15  “Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboly.  Esoriny daholo izay sampany rehetra tsy mamoa eo amiko. Fa izay mamoa kosa rantsanany mba hadio, amin’izay misy voany betsaka kokoa.+  Efa madio ianareo, noho ny teny nolazaiko taminareo.+  Miezaha ho tafaray amiko foana, dia ho tafaray aminareo foana koa aho. Tsy afaka mamoa irery ny sampam-boaloboka raha tsy mikambana amin’ny voaloboka. Tsy afaka mamoa koa ianareo raha tsy tafaray amiko foana.+  Izaho no voaloboka dia ianareo no sampany. Izay tafaray amiko foana ary izaho tafaray aminy, dia izy no mamoa be.+ Fa tsy afaka manao na inona na inona mihitsy ianareo raha misaraka amiko.  Raha misy miala amiko, dia lasa hoatran’ny sampany ariana eny ivelany izy ka malazo. Ary angonin’ny olona ireny, dia atsipiny ao anaty afo ka may.  Angataho izay tianareo fa homena anareo izany, raha tafaray amiko foana ianareo sady ao am-ponareo foana ny teniko.+  Mahazo voninahitra ny Raiko rehefa mamoa be foana ianareo sady asehonareo hoe mpianatro ianareo.+  Mitovy amin’ny itiavan’ny Ray ahy no itiavako anareo.+ Koa ataovy foana izay hitiavako anareo. 10  Raha mankatò ny didiko ianareo, dia hataonareo foana izay hitiavako anareo. Izaho koa mantsy mankatò ny didin’ny Ray sady ataoko foana izay hitiavany ahy. 11  “Lazaiko aminareo izany mba ho faly hoatr’ahy ianareo, sady mba ho feno izany fifalianareo izany.+ 12  Izao no didiko: “Mifankatiava ianareo, hoatran’ny nitiavako anareo.+ 13  Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany.+ 14  Ho namako ianareo raha mankatò ny didy omeko anareo.+ 15  Tsy antsoiko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony. Fa antsoiko hoe namana kosa ianareo, satria ampahafantariko anareo daholo izay henoko tamin’ny Raiko. 16  Tsy ianareo no nifidy ahy, fa izaho no nifidy anareo. Notendreko hamokatra foana ianareo, sady hamokatra voa maharitra eo foana. Amin’izay dia homen’ny Ray anareo izay rehetra angatahinareo aminy amin’ny anarako.+ 17  “Ireo no didy omeko anareo, amin’izay ianareo mifankatia.+ 18  Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantaro fa izaho efa halany talohanareo.+ 19  Raha anisan’izao tontolo izao ianareo, dia ho tian’izao tontolo izao satria azy. Fa satria tsy anisan’izao tontolo izao ianareo,+ fa efa nofidiko avy teo amin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo.+ 20  Tadidio ilay teniko taminareo hoe: Tsy lehibe noho ny tompony ny mpanompo. Raha nanenjika ahy izy, dia hanenjika anareo koa.+ Ary raha nankatò ny teniko izy, dia hankatò ny teninareo koa. 21  Noho ny anarako anefa no hanaovany an’izany rehetra izany aminareo, satria tsy fantany Ilay naniraka ahy.+ 22  Raha ohatra ka tsy tonga aho sady tsy niteny taminy, dia tsy ho meloka izy.+ Izao anefa izy tsy manana fialan-tsiny amin’ny fahotany.+ 23  Izay mankahala ahy dia mankahala ny Raiko.+ 24  Tsy ho meloka izy, raha tsy nataoko teo aminy ireny fahagagana mbola tsy nisy nanao ireny.+ Izao anefa izy sady nahita ahy no mbola mankahala ahy sy ny Raiko koa. 25  Mitranga anefa izany mba ho tanteraka ilay voasoratra ao amin’ny Lalàna hoe: ‘Nankahala ahy tsy amin’antony izy ireo.’+ 26  Ho tonga ilay mpanampy hirahiko ho any aminareo avy any amin’ny Ray, dia ny fanahin’ny fahamarinana.+ Rehefa tonga io mpanampy avy any amin’ny Ray io, dia hanome porofo momba ahy.+ 27  Dia ianareo indray avy eo no hanome porofo momba ahy,+ satria ianareo efa niaraka tamiko hatramin’ny voalohany.

Fanamarihana