Ohabolana 20:1-30

  • Tsy manaja tena izay mamon’ny divay (1)

  • Tsy miasa tany ny kamo amin’ny ririnina (4)

  • Toy ny rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona (5)

  • Aza maimaika hanao voady (25)

  • Voninahitry ny tanora ny tanjany (29)

20  Tsy manaja tena izay mamon’ny divay,+ ary tsy mahafehy tena izay mamon’ny toaka.+Tsy hendry izay voavilin’ireny satria manaonao foana.+   Atahorana hoatran’ny liona* mierona ny mpanjaka,+Ka mety hamoy ny ainy izay mampahatezitra azy.+   Voninahitra ho an’ny olona ny mifehy tena tsy hifamaly,+Fa ny tsisy saina rehetra kosa miditra amin’ilay fifamaliana.+   Tsy miasa tany ny kamo amin’ny ririnina,Ka hangataka izy amin’ny fotoam-pijinjana rehefa tsy manana na inona na inona.*+   Toy ny rano lalina ny hevitra* ao am-pon’ny olona,Fa mahay manovo an’izany izay mahay mandinika.   Be dia be no milaza hoe tia sy tsy mivadika,Saingy sarotra ny mahita olona azo itokisana.   Tsy mivadika ny olo-marina,+ Ary sambatra izay zanany* mandimby azy.+   Rehefa mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ny mpanjaka mba hitsara,+Dia hain’ny masony ny manavaka* ny ratsy rehetra.+   Iza no afaka milaza hoe: “Efa nanadio ny foko aho,+Ka madio tsy misy ota”?+ 10  Samy maharikoriko an’i Jehovah,Na ny vatomizana mandainga na ny famarana tsy marina.*+ 11  Na ny ankizikely* aza dia hita amin’ny ataonyRaha madio sy mety ny fanaony.+ 12  Na ny sofina mandre na ny maso mahita,Dia samy nataon’i Jehovah.+ 13  Aza tia torimaso, sao ianao ho lasa mahantra.+ Sokafy ny masonao, dia ho voky sakafo ianao.+ 14  “Tsisy ilana an’io! Tsisy ilana an’io!”, hoy ny mpividy.Dia lasa izy avy eo sady mirehareha.+ 15  Mety hanana volamena sy haran-dranomasina* be dia be ny olona,Fa ny molotra mampita fahalalana anefa no tena sarobidy.+ 16  Raha niantoka olona tsy fantany ny olona iray, dia alaivo ny akanjony.+Raha niantoka vehivavy hafa firenena* izy, dia alaivo ny antoka nomeny.+ 17  Matsiro amin’ny olona ny sakafo azo tamin’ny fitaka,Nefa avy eo ho feno vatokely ao am-bavany.+ 18  Hahomby* izay kasaina hatao raha maka hevitra amin’olona,*+Ary tari-dalana tsara* no ilainao rehefa handeha hiady.+ 19  Mandehandeha mamoaka tsiambaratelo ny mpanendrikendrika.+Aza miarakaraka amin’ny olona tia fosafosa.* 20  Izay manozona ny rainy sy ny reniny,Dia ho faty ny jirony rehefa tonga ny alina.+ 21  Raha fitiavan-karena no nahazoana lova tamin’ny voalohany,Dia tsy hahazoana fitahiana izany amin’ny farany.+ 22  Aza miteny hoe: “Handeha hamaly faty aho!”+ Aoka ianao hanantena an’i Jehovah,+ dia hamonjy anao izy.+ 23  Maharikoriko an’i Jehovah ny vatomizana mandainga,*Ary tsy tsara ny mizana mamitaka. 24  I Jehovah no mitarika ny dian’ny olona;+Fa ahoana moa no ahafantaran’ny olona an’izay lalana tokony halehany?* 25  Fandrika ho an’ny olona ny maimaika hanao voady hoe: “Masina!”,+ Ka efa atỳ aoriana izy vao mandinika an’ilay voady nataony.+ 26  Avahan’ny mpanjaka hendry ny ratsy fanahy,+Ka hosihoseny amin’ny kodiaram-by.*+ 27  Ny fofonain’ny olona no jiron’i JehovahHitsilovana ny hatrany anatin’ny fony. 28  Voaro ny mpanjaka raha be fitiavana sy tsy mivadika ary mitana ny teniny.+Maharitra eo amin’ny seza fiandrianany izy raha be fitiavana sy tsy mivadika.+ 29  Voninahitry ny tanora ny tanjany,+Fa voninahitry ny zokiolona kosa ny volofotsiny.+ 30  Ny ratra sy ny mangana no manala* ny toetra ratsy rehetra,+Ary ny kapoka no manadio ny hatrany anatin’ny fo.

Fanamarihana

Na: “liona tanora.”
Na mety hoe “Hitady izy rehefa fotoam-pijinjana nefa tsy hahita na inona na inona.”
Na: “fikasana.” Abt: “torohevitra.”
Abt: “zanany lahy.”
Na: “manivana.”
Na: “Ny vatomizana roa karazana sy ny famarana roa karazana.”
Na: “zazalahy.”
Jereo F.T.
Na: “niantoka vahiny.”
Na: “Ho mafy orina.”
Na: “mangataka torohevitra.”
Na: “tari-dalana feno fahendrena.”
Na: “olona manao teny manangoly.”
Na: “vatomizana roa karazana.”
Na: “ahafantaran’ny olona ny lalany?”
Na: “kodiaran’ny fitaovana fanosihosena varimbazaha.”
Na: “manadio.”