Salamo 87:1-7

  • Ziona, tanànan’ilay tena Andriamanitra

    • Ireo teraka tany Ziona (4-6)

Salamo nataon’ny taranak’i Kora.+ Hira. 87  Any amin’ny tendrombohitra masina no fototra iorenan’ny tanànan’Andriamanitra.+   Ny vavahadin’i Ziona+ no tian’i Jehovah kokoaNoho ny tranolay rehetran’i Jakoba.   Malaza ho be voninahitra ianao, ry tanànan’ilay tena Andriamanitra!+ (Sela)   Hisaiko ho anisan’ireo mahalala* ahy i Rahaba+ sy Babylona;Izao no holazaina momba an’ireo any Filistia sy Tyro ary Kosy: “Teraka tany Ziona io olona io.”   Ary hisy hilaza momba an’i Ziona hoe: “Samy teraka tao ny tsirairay amin’ireo.” Hanamafy orina an’i Ziona ilay Avo Indrindra.   Izao no holazain’i Jehovah, rehefa horaketiny an-tsoratra ireo firenena: “Teraka tany Ziona io olona io.” (Sela)   Hilaza toy izao ny mpihira+ sy ireo mpandihy manao boribory:+ “Ao aminao daholo ny loharanoko.”*+

Fanamarihana

Na: “manaiky.”
Na: “Amiko dia ianao no loharanon’ny zava-drehetra.”