Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2017

Ho hitanao ato fa hanampy anao hanao ny tsara foana sy hahavita hiatrika fitsapana ny fandaharana amin’ny andro tsirairay amin’io fivoriambe io.

Zoma

Inona no afaka manampy ny Kristianina hanana an’ireo toetra ilaina mba hiaretana zava-tsarotra?

Asabotsy

Ahoana no ataon’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra mba hanampiana antsika hiaritra sy mba hanomezana fampiononana antsika?

Alahady

Nilaza i Jesosy hoe: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.” Inona àry no azonao atao mba hankatoavana an’izany?

Fanazavana

Hisy fivoriana manokana amin’ilay fivoriambe raha mahaliana anao. Misy fanazavana momba ny asa an-tsitrapo, batisa, fanomezana, fitsaboana vonjimaika, mpikarakara ny mpanatrika, toerana, ary ny zavatra very sy hita koa ato.