Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Famoronana

Famoronana

Enina andro nisy 24 ora avy ve no namoronan’Andriamanitra ny zava-drehetra?

“Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.”—Genesisy 1:1.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Efa ela be Andriamanitra no namorona an’izao rehetra izao. Tsy voafaritra hoe oviana izany fa “tany am-piandohana” fotsiny, araka ny Genesisy 1:1. Eken’ny mpahay siansa fa nisy fiandohana izao rehetra izao. Tombanan-dry zareo ho efa 14 000 tapitrisa taona izay no nisiany.

Miresaka koa ny Baiboly fa naharitra enina “andro” ny famoronana. Na izany aza, dia tsy lazaina ao hoe 24 ora avy ireo andro ireo. (Genesisy 1:31) Samihafa ny fomba ampiasana ny hoe “andro”, ao amin’ny Baiboly. Nantsoina hoe “andro nanaovan’i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra”, ohatra, ny fotoana rehetra namitany ny famoronana. (Genesisy 2:4) Azo inoana anefa fa naharitra an’arivony taona ireny “andro” ireny.—Salamo 90:4.

ILAINA FANTARINA IZANY

Raha mino ianao hoe enina andro nisy 24 ora ny famoronana, dia mety heverinao fa diso tanteraka ny Baiboly. Mitombina tsara anefa ny fanazavana ao, momba ny famoronana. Raha mandinika tsara azy io ianao, dia handray soa amin’ny “fahendrena” voarakitra ao koa.—Ohabolana 3:21.

 Namorona zavatra bitika kely ve Andriamanitra ka iny no nataony nivoatra miandalana?

‘Hoy Andriamanitra: “Aoka ny tany hamoaka zavamananaina araka ny karazany avy.”’—Genesisy 1:24.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Tsy namorona zavatra tsotsotra Andriamanitra ka hoe iny no nivoatra ho be pitsiny avy eo. Biby sy zavamaniry ‘isan-karazany’ kosa no noforoniny, ary ireny no niteraka “araka ny karazany avy.” (Genesisy 1:11, 21, 24) Ireny zavamananaina noforonin’i Jehovah ireny ihany àry no nihamaro ka nameno ny tany. (Salamo 89:11) Mbola miteraka “araka ny karazany avy” izy ireny hatramin’izao.

Marina fa samihafa ny biby na dia iray tarika aza, arakaraka ny faritra misy azy. Mety hisy fiovana kely koa ny taranany rehefa mifanambady. Tsy miresaka an’izany amin’ny an-tsipiriany ny Baiboly. Azo antoka anefa fa tsy misy karazany vaovao miforona. Hitan’ny mpahay siansa mihitsy fa zara raha miova ny biby sy zavamaniry ao anatin’ny fotoana lava be.

ILAINA FANTARINA IZANY

Inona ny vokany rehefa voaporofo fa mifanaraka amin’ny siansa ny fanazavan’ny Baiboly momba ny zavaboary? Lasa azo antoka fa marina koa ny zavatra hafa voalaza ao, toy ny tantara sy faminaniana.

Avy aiza ny akora namoronana an’izao rehetra izao?

“Ny tanako no namelatra ny lanitra.”—Isaia 45:12.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Manana hery na angovo tsy mety lany Andriamanitra. (Joba 37:23) Mahaliana izany satria hitan’ny mpahay siansa fa azo avadika ho singa na zavatra ny angovo. Avy amin’Andriamanitra ihany àry ny akora namoronana izao rehetra izao, satria milaza ny Baiboly fa nampiasa “hery lehibe” izy. (Isaia 40:26) Io heriny io koa no ampiasainy mba hampaharitra ny zavatra noforoniny. Hoy mantsy ny Baiboly momba ny masoandro sy volana ary kintana: “Ataony izay haharetan’izy ireo mandrakizay.”—Salamo 148:3-6.

ILAINA FANTARINA IZANY

Hoy ilay astronoma atao hoe Allan Sandage: “Tsy mahavaly fanontaniana lalina be ny siansa. Tsy ho voavalin’ny siansa mihitsy, ohatra, ny hoe nahoana no misy izao rehetra izao.” Ny Baiboly ihany no mahavaly an’izany, ary tena mifanaraka amin’ny siansa ny fanazavany momba ny famoronana. Mbola mamaly fanontaniana hafa tsy voavalin’ny siansa koa izy io, toy ny hoe: Inona no fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona? *

^ feh. 16 Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 3, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Azo jerena ao amin’ny www.mt711.com/mg koa izy io.