Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA | AZA MAMOY FO!

Satria Misy Afaka Manampy Anao

Satria Misy Afaka Manampy Anao

“Apetraho [amin’Andriamanitra] daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”—1 PETERA 5:7.

Rehefa tena mafy ny manjo anao, ka hoatran’ny tsy misy azo atao intsony, dia mety hieritreritra ianao hoe aleo maty. Afaka manampy anao anefa ireto:

Vavaka. Tsy hoe natao handaminana saina fotsiny ny vavaka, ary tsy hoe rehefa tsy misy vahaolana intsony vao ilaina izy io. Resaka atao amin’i Jehovah Andriamanitra kosa ny vavaka. Tena miahy anao izy, ary tiany mihitsy aza raha lazainao aminy izay mampiady saina anao. “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao”, hoy ny Salamo 55:22.

Maninona àry raha miresaka amin’Andriamanitra androany? Ampiasao ilay anarany hoe Jehovah, ka lazao aminy izao ao am-ponao. (Salamo 62:8) Tena tiany ho lasa namany ianao. (Isaia 55:6; Jakoba 2:23) Afaka mivavaka foana ianao na aiza na aiza, ary na rahoviana na rahoviana.

Nasehon’ny tatitra fa “ny 90 isan-jato na mahery amin’ny olona maty namono tena no nikorontan-tsaina. Matetika anefa no tsy fantatra hoe aretina ilay izy, ka tsy voatsabo, na koa fantatra ihany fa tsy voatsabo tsara”

Olona tia anao. Tena misy olona mieritreritra izay manjo anao. Anisan’izany ny namanao sy ny fianakavianao, izay mety ho efa hita hoe manahy momba anao. Misy olona miahy anao koa, na dia mbola tsy fantatrao aza. Rehefa mitory isan-trano, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah dia indraindray sendra olona kivy. Misy aza efa saika hamono tena, satria tsy nanantena intsony hoe mba hisy hiraharaha azy. Afaka manampy ny olona toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Manahaka an’i Jesosy mantsy izy ireo, ka miahy ny hafa. Te hanampy anao koa izy ireo.—Jaona 13:35.

Fitsaboana. Misy olona kivy foana, ary efa aretina mihitsy ilay hakiviany. Matetika izy ireny no mieritreritra ny hamono tena. Izany koa ve no mahazo anao? Aza menatra mihitsy raha toa mikorontana ny fihetseham-ponao, satria toy ny aretina rehetra ihany izany. Be dia be ny olona voan’izy io, hoatran’ny olona voan’ny sery. Azo tsaboina tsara ilay izy. *

TADIDIO IZAO: Hoatran’ny hoe ao anaty lavaka ianao rehefa kivy be. Afaka mivoaka avy ao anefa ianao, rehefa misy manampy.

IZAO ATAO ANDROANY: Mitadiava dokotera mahay mitsabo aretina toy ny hakiviana be loatra.

^ feh. 8 Raha tsy afaka ao an-tsainao mihitsy ny hoe hamono tena, dia mitadiava fanampiana. Tsara, ohatra, ny manatona dokotera satria efa nampiofanina mba hamonjy olona izy ireny.