Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ahoana Raha Mandainga ny Zanakao?

Ahoana Raha Mandainga ny Zanakao?
 

OLANA

Milalao ao amin’ny efitra ilany ao ny zanakao dimy taona. Tampoka teo anefa dia henonao hoe nisy zavatra vaky tao, ka lasa haingana ianao nijery. Io fa nisy vazy vaky teo akaikiny. Vao jerenao izy, dia fantatrao hoe izy no namaky an’ilay izy.

“Iza no namaky an’io?”, hoy ianao sady tezitra.

“Tsy izaho!”, hoy haingana izy.

Tsy vao sambany io zanakao io no tratranao nandainga. Izy anefa vao dimy taona. Inona no azonao atao mba hanitsiana azy?

TSARA HO FANTATRAO

Ratsy daholo rehefa lainga. Milaza ny Baiboly fa halan’i Jehovah ny “lela fandainga.” (Ohabolana 6:16, 17) Araka ny Lalàna nomena ho an’ny Israely, dia nosazina mafy izay namitaka olona.—Levitikosy 19:11, 12.

Tsy mitovy daholo anefa ny lainga. Misy, ohatra, mandainga satria te hanisy ratsy olona. Ny sasany indray mandainga satria menatra na matahotra ny ho voasazy. (Genesisy 18:12-15) Marina fa ratsy daholo rehefa lainga. Misy lainga sasany anefa tena ratsy be. Raha mandainga àry ny zanakao, dia arakaraka ny taonany sy ny antony nandaingany no tokony hanitsianao azy.

Mila anarina ny ankizy dieny mbola kely. Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe David Walsh: “Tena mila ampianarina hilaza ny marina ny ankizy, indrindra rehefa matahotra izy. Raha mandainga mantsy izy, dia tsy hatokisan’ny olona. Tokony ho azo itokisana anefa izy, raha te hifandray tsara amin’olona.” *

Aza dia matahotra loatra. Na dia nandainga aza ny zanakao, dia tsy midika akory izany hoe ho lasa maditra be izy. Tadidio fa nilaza toy izao ny Baiboly: “Latsa-paka ao am-pon’ny zaza ny hadalana.” (Ohabolana 22:15) Izany no mahatonga ny ankizy sasany handainga indraindray, satria tsy te ho voasazy izy. Eritrereto tsara àry izay hataonao sy holazainao azy.

 INONA NO AZONAO ATAO?

Fantaro hoe nahoana no nandainga ny zanakao. Matahotra ny ho bedy ve izy? Sa tsy te hampalahelo anao? Raha manao tantara valamaty amin’ny namany izy, sao dia hoe mbola kely loatra izy ka tsy mahay manavaka ny tena zava-misy sy ny angano? Ho hainao kokoa ny hanitsy ny zanakao, rehefa fantatrao ny antony andaingany.—Toro lalan’ny Baiboly: 1 Korintianina 13:11.

Tonga dia teneno izy fa aza anontaniana intsony. Rehefa nanontaniana izao ilay ankizy tetsy aloha hoe: ‘Iza no namaky an’io vazy io?’, dia nandainga izy satria tsy te ho bedy. Eritrereto anefa hoe tsy nanontaniana intsony izy fa tonga dia notenenina hoe: “Andray! Novakinao ilay vazy!” Tsy hieritreritra ny handainga izy amin’izay, ary mampianatra azy hilaza ny marina foana koa izany.—Toro lalan’ny Baiboly: Kolosianina 3:9.

Derao izy rehefa milaza ny marina. Tadidio fa tena tian’ny ankizy ny mampifaly ny ray aman-dreniny. Ataovy azon’ny zanakao tsara àry hoe zava-dehibe amin’ny fianakavianareo ny milaza ny marina foana. Ho tsapany amin’izay fa izany no andrasanao aminy.—Toro lalan’ny Baiboly: Hebreo 13:18.

Ampianaro ny zanakao hoe tsy atokisan’ny olona ny mpandainga, ary ela be indray ny olona vao hatoky azy raha zatra mandainga izy. Derao foana àry izy, amin’izay zatra milaza ny marina. Afaka miteny, ohatra, ianao hoe: “Faly aho fa nilaza ny marina ianao.”

Miezaha mba ho modely. Tsy tokony hanantena ianao hoe hilaza ny marina ny zanakao, raha ianao aza tsy manao an’izany akory. Raha misy mitady, ohatra, ianao nefa tsy te hiresaka amin’ilay olona, dia hiteny ve ianao hoe: “Mody ataovy hoe tsy ato aho”? Ary ianao ve manao hoe: “Tsy hiasa aho androany fa marary”, nefa ianao kamo fotsiny?—Toro lalan’ny Baiboly: Jakoba 3:17.

^ feh. 11 Nalaina tao amin’ilay boky hoe Aza Mampihanta Zanaka: Fa Nahoana ary Amin’ny Fomba Ahoana? (anglisy).