Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NISY NAMORONA VE?

Ny Sofin’ny Samoina

Ny Sofin’ny Samoina

MIAVAKA amin’ny biby rehetra ny samoina, satria afaka mandre feo faran’izay maranitra indrindra. Tsotra kely anefa ny sofiny, sady hoatran’ny loham-panjaitra ny habeny.

Diniho izao: Efa ela ny manam-pahaizana no nandinika ny sofin’ny samoina. Vao haingana izay, dia nanao fanandramana ny mpikaroka tao amin’ny Oniversiten’i Strathclyde, any Ekosy. Nandefa onjam-peo isan-karazany izy ireo, ary nodinihiny hoe hatraiza no mbola henon’ny samoina. Rehefa mandre feo izy, dia mihovotrovotra ny ampongantsofiny ary mihetsika ny selam-pitatitra ao anaty sofiny. Noraisin’ny mpikaroka ny refin’ireny onjam-peo ireny, izany hoe ny isan’ilay izy mihovotrovotra iny ao anatin’ny iray segondra. Hitan’izy ireo àry fa mbola henon’ny samoina ny onjam-peo hatramin’ny 300 kilohertz, satria mbola mihovotrovotra ny ampongantsofiny. Ny an’ny ramanavy anefa 212 kilohertz no farany henony. Ny an’ny feso kosa 160 kilohertz, ary ny an’ny olona tsy mihoatra ny 20 kilohertz.

Te haka tahaka ny sofin’ny samoina ny mpikaroka, mba hanamboarana fitaovana vaovao. Inona, ohatra? Hoy i James Windmill, profesora ao amin’ny Oniversiten’i Strathclyde: “Hanamboarana mikrô matanjaka be nefa kely dia kely ilay izy. Azo apetaka amin’ny fitaovana elektronika isan-karazany izany, ohatra hoe telefaonina na fitaovana ho an’ny olona tsy mandre tsara.”

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny sofin’ny samoina, sa nisy namorona?