Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | AHOANA NO HIATREHANAO NY OLANA MAHAZO ANAO?

Olana: Be Atao Loatra

Olana: Be Atao Loatra

MILA anao maika ny zanakao. Dia hoatr’izany koa ny mpampiasa anao. Ny vadinao koa miantso. Ianao anefa mbola mikarakara ny dadanao, fa tsy salama izy. Very hevitra ianao. Tsy noeritreretinao ho hoatr’izany mihitsy ny fiainanao. Mihakely isan’andro ny herinao. Raha hanao izay rehetra angatahin’izy ireo anefa ianao, dia mety tsy hisy handray soa na ianao na ry zareo. Ahoana no hiatrehanao an’izany?

OHATRA AO AMIN’NY BAIBOLY: MOSESY

I Mosesy irery no nitsara ny Israely, fahiny. Nieritreritra angamba izy hoe adidy tsy maintsy nataony izany. Hoy anefa ny rafozany: “Tsy mety izao fomba fiasanao izao. Tena ho reraka ianao.” Notoroany hevitra i Mosesy mba hanendry lehilahy mahay hitsara ny olona, fa ny raharaha lehibe ihany no hokarakarainy. Inona no ho vokatr’izany? Hoy ihany ny rafozany: “Azo antoka fa ho zakanao io andraikitra io ary hilamin-tsaina ity vahoaka ity rehefa mody any amin’ny fonenany avy.”—Eksodosy 18:17-23.

INONA NO NATAON’I DELINA?

Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra voalohany fa voan’ny aretin’ny rafi-pitatitra i Delina, ka tsy afaka mibaiko ny hozatra sasany amin’ny vatany ny atidohany. Mbola izy koa anefa no mikarakara ny zokiny telo lahy, izay samy sembana. Hoy izy: “Tsy dia miady saina loatra aho, raha izay tokony ho vitako androany ihany no ataoko sady tsy mangataka andro aho. Resahiko amin’ny hafa koa ny mahazo ahy, dia mba manampy ahy ry zareo, anisan’izany ny vadiko. Maka fotoana kely hanaovana zaridaina koa aho isa-maraina, ary tena mahafaly ahy izany.”

“Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy.”​—Mpitoriteny 3:1

INONA NO AZONAO ATAO?

Raha be atao loatra ianao, dia izao atao:

  • Jereo hoe iza avy no afaka manampy anao. Afaka manampy ve, ohatra, ny ankizy ao an-trano? Misy havana na namana afaka manampy ve eny akaikinareo?

  • Resaho amin’ny hafa izay ilainao. Miresaha, ohatra, amin’ny mpampiasa anao raha tsy rariny intsony ny zavatra takiny. Tsy hoe handrahona azy akory ianao, fa hanazava aminy fotsiny ny olana mahazo anao. Mety hahenany ny asa ampanaoviny anao amin’izay.

  • Soraty izay zavatra tsy maintsy vitainao ao anatin’ny herinandro. Jereo sao dia misy azonao ampanaovina olon-kafa amin’izy ireo.

  • Tsy voatery handeha foana ianao rehefa asain’ny olona hanatrika fiaraha-mikorana. Mahaiza mandà rehefa tsy manana fotoana na hery hanatrehana an’ilay izy ianao.

Fehiny: Raha enjehinao daholo ity rehetra ity, dia mety ho reraka ianao ka tsy hahavita na inona na inona intsony.