Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NISY NAMORONA VE?

Zavamiaina Bitika Mandevona Solika

Zavamiaina Bitika Mandevona Solika

NIPOAKA ny toerana fitrandrahana solika tao amin’ny Hoalan’i Meksika, tamin’ny 2010, ka solika mbola tsy voadio efa ho 800 tapitrisa litatra no niraraka tao an-dranomasina. Nanjavona anefa ny ankamaroany, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Fa nahoana?

Diniho izao: Hitan’ny mpikaroka fa misy bakteria maro be, ao an-dranomasina, izay afaka mandevona ny molekiolan’ny karbonina ao amin’ny solika. Milaza ny Profesora Terry Hazen fa toy ny “balafomanga mpanapotika solika” ireny zavamiaina bitika ireny. Anisan’ny nahatonga an’ilay zavatra noresahina etsy am-piandohana izy ireo.

Hoy ny tatitra nataon’ny BBC: “Tsy mahagaga raha misy mikraoba mpihinana solika ao an-dranomasina.” Efa hatramin’ny an-tapitrisa taona mantsy no “misy solika mivoaka avy any amin’ny fanambanin’izy io ary mihanaka amin’ny ranomasina eran-tany.”

Mahomby ihany ny ezaka ataon’ny olona mba handevonana solika, saingy ny voka-dratsiny no tena betsaka. Ireo zavatra simika natao handevonana solika, ohatra, lasa manakantsakana ny fiasan’ireo zavatra voajanahary manao an’io asa io. Manapoizina koa ireny zavatra simika ireny, ary ela vao afaka ny voka-dratsiny eo amin’ny tontolo iainana. Manampy ny ranomasina hanadio ny tenany kosa ireo mikraoba sy ireo zavatra voajanahary hafa mandevona solika, nefa tsy misy voka-dratsiny toa an’ireo zavatra nataon’olombelona. *

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny fahaizan’ireo zavamiaina bitika mandevona solika, sa nisy namorona?

^ feh. 6 Vao haingana loatra ilay loza tao amin’ny Hoalan’i Meksika, ka mbola tsy fantatra izay mety ho vokany maharitra eo amin’ny zavaboary ao an-dranomasina.