Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NISY NAMORONA VE?

Ny Hoditry ny Androngo Matsilotsilo

Ny Hoditry ny Androngo Matsilotsilo

MITROKA hamandoana avy amin’ny zavona sy ny rivotra ary ny fasika ny androngo matsilotsilo any Aostralia. Tonga any am-bavany iny rano iny avy eo. Ahoana no mahatonga an’izany?

Mifandray amin’ny fantsona kely ao ambanin’ny hoditr’io androngo io ireo lakandrano kely ao ambany kirany. Izany no mahatonga ny rano ho tonga hatrany am-bavany

Diniho izao: Misy kirany ny hoditr’io androngo io, ary misy karazana lakandrano kely eny anelanelany. Mitsofoka eny anelanelan’ireo kirany ireo ny hamandoana ary mankao amin’ireo lakandrano kely. Mifandray ireny lakandrano ireny ary tonga hatrany akaikin’ny vavan’ilay androngo.

Anisan’ny mitroka rano ny hoditra eo amin’ny tongotr’ilay androngo. Manao toy izany koa ny kibony rehefa mifampikasoka amin’ny tany mando. Manohitra ny hery misinton’ny tany ilay rano ka miakatra, avy eo manaraka ny vatan’ilay androngo, ary tonga hatrany am-bavany. Ahoana no ahavitany an’izany?

Toa nahita ny tsiambaratelon’io androngo io ny mpikaroka. Mifampitohy amin’ny fantsona kely ao anatin’ny hoditr’ilay androngo ireo lakandrano kely ao ambanin’ireo kirany. Madinika kely izy ireo ka tsy misy vokany aminy ny hery misinton’ny tany. Afaka mitarika rano miakatra foana izy ireo. Izany no mahatonga ny hoditr’ilay androngo ho mora mitroka rano toy ny spaonjy.

Milaza i Janine Benyus, filohan’ny fikambanana iray, fa ho afaka hamorona fitaovana manala hamandoana eny amin’ny rivotra ny injeniera, raha maka tahaka ny teknika ampiasain’ny androngo. Hanampy azy ireo hahazo rano fisotro madio izany, sady hanampy azy hahita fomba mandaitra hampangatsiatsiahana trano.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny fahaizan’ny hoditry ny androngo matsilotsilo mitroka hamandoana? Sa nisy namorona?