Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ahoana no Hiderana ny Ankizy?

Ahoana no Hiderana ny Ankizy?

OLANA

Misy milaza fa tsy tokony hasiana fetrany ny teny fiderana ny ankizy. Ny hafa indray mieritreritra hoe manimba ankizy ny teny fiderana rehefa be loatra. Lasa manambony tena, hono, izy raha atao an’izany, ka hieritreritra hoe afaka manao izay tiany.

Tsy ny habetsahan’ny teny fiderana ihany no tokony hoeritreretinao, fa ny karazana teny fiderana ataonao koa. Teny fiderana hoatran’ny ahoana no tena hahasoa ny zanakao? Ary ahoana no tokony hanaovanao an’ilay izy?

TSARA HO FANTATRAO

Tsy mitovy ny teny fiderana rehetra. Diniho, ohatra, ireto:

Mety tsy hahasoa ny teny fiderana be loatra. Misy ray aman-dreny faly midera ny zanany fotsiny. Amin’izay, hono, izy mba mahatsiaro hoe manana ny maha izy azy. Nilaza anefa ny Pr. David Walsh fa marani-tsaina ny ankizy ka “fantany rehefa tsy tena mitombina ny teny fiderana atao aminy. Fantany hoe tsy mendrika an’izany izy, ka lasa tsy atokisany intsony ianao.” *

Tsara ny midera azy noho ny talentany. Aoka hatao hoe mahay manao sary ny zanakao vavy. Azo antoka fa te hidera azy ianao. Hanampy azy hampitombo ny fahaizany mantsy izany. Raha ny talentany fotsiny anefa no ideranao azy dia mety hieritreritra izy hoe izay fahaizana voajanahary ihany no tokony hifantohany. Mety tsy ho sahy hianatra zava-baovao izy fa matahotra sao tsy hahavita an’ilay izy. Tsy miezaka manao zavatra sarotra izy satria heveriny hoe tsy voatery ho hainy izany.

Ny midera azy noho ny ezaka ataony no tsara indrindra. Raha deraina noho ny asa mafy ataony sy ny faharetany ny ankizy, fa tsy noho ny talentany fotsiny, dia ho hainy hoe mila miezaka sy manam-paharetana izy vao hahay zavatra iray. “Hiezaka hanatratra an’ilay tanjona izy” rehefa mahafantatra an’izany, araka ny boky Omeo Fitiavana sy Fatokisana Izy mba Hianatra Hahaleo Tena (anglisy). “Tsy ho kivy izy amin’izay na dia tsy mahomby aza, fa vonona hianatra foana.”

INONA NO AZONAO ATAO?

Aza ny talentany fotsiny no iderana azy. Mety ho tsara kokoa ny miteny hoe: “Niezaka be mihitsy ianao mba hahavitana an’ity sary ity a!”, toy izay hiteny hoe: “Manan-talenta mihitsy ianao.” Samy teny fiderana ireo nefa toa te hilaza ilay faharoa hoe ny talenta voajanahary ihany no manavanana ny zanakao.

Rehefa midera ny ezaka ataon’ny zanakao ianao dia mampianatra azy hoe hihamahay zavatra iray izy raha manao an’ilay izy foana. Mety hatoky tena kokoa izy rehefa mianatra zava-baovao.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 14:23.

Ampio izy hiarina raha tsy nahomby. Na ny olona tsara aza mba manao fahadisoana, ary mety hiverimberina izany. (Ohabolana 24:16) Isaky ny manao fahadisoana anefa izy dia miarina sy mandray lesona ary mandroso foana. Ahoana no azonao anampiana ny zanakao mba hanana toe-tsaina toy izany?

Mifantoha foana amin’ny ezaka ataony. Mety hiteny matetika amin’ny zanakao vavy, ohatra, ianao hoe: “Talentanao mihitsy ilay matematika!” Ahoana anefa raha ratsy be ny naotiny aorian’izay? Mety hanatsoaka hevitra izy hoe very ilay talentany ka tsy mila miezaka intsony izy.

Rehefa mifantoka amin’ny ezaka ataony anefa ianao dia hanampy azy hanana fikirizana. Tsy hoheveriny ho olana lehibe amin’izay ilay izy tsy nahomby. Tsy ho kivy izy fa hitady vahaolana hafa na hiezaka mafy fotsiny.—Toro lalan’ny Baiboly: Jakoba 3:2.

Ampio izy mba handray soa amin’ny fanakianana ataonao. Raha mahay mandanjalanja ianao dia tsy ho kivy ny zanakao na dia manakiana azy aza ianao. Raha mazoto midera azy araka ny antonony koa ianao, dia handray tsara ny torohevitra omenao izy, rehefa misy zavatra tokony hiezahany. Tena ho afa-po ianareo mianaka amin’izay, rehefa mahita fahombiazana izy.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 13:4.

^ feh. 8 Avy ao amin’ilay boky hoe Aza Mampihanta Zanaka: Fa Nahoana ary Amin’ny Fomba Ahoana? (anglisy)