Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Tsara ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Fantatrao Tsara ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Efa hitanao nitory angamba izahay. Mety ho efa hitanao tamin’ny gazety koa ny momba anay na henonao tamin’olona. Fantatrao tsara ve anefa izahay Vavolombelon’i Jehovah?

HAINAO VE?

Marina sa diso?

MARINA DISO

  1. Kristianina izahay.

  2. Mino ny fampianarana rehetra momba ny famoronana izahay.

  3. Tsy manaiky hotsaboina izahay.

  4. Mino ny Baiboly manontolo izahay.

  5. Ny Baibolinay ihany no ampiasainay.

  6. Novanay hifanaraka amin’ny zavatra inoanay ny Baibolinay.

  7. Tsy manao asa soa izahay.

  8. Manambany ny olona avy amin’ny fivavahana hafa izahay.

Ho hitanao eto ambany ny valin’ireo.

  1. 1 MARINA. Miezaka mampihatra an’izay nampianarin’i Jesosy Kristy izahay sady miezaka manahaka ny toetrany. (1 Petera 2:21) Betsaka anefa ny tsy mampitovy anay amin’ny fivavahana hafa milaza azy ho Kristianina. Hitanay tao amin’ny Baiboly, ohatra, fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy, ary tsy anisan’ny Andriamanitra telo izay iray. (Marka 12:29) Tsy mino izahay hoe mankany ankoatra ny olona rehefa maty na hoe mampijaly ny olona mandrakizay any amin’ny afobe Andriamanitra. Tsy mino koa izahay hoe tokony homena anaram-boninahitra ny mpitondra fivavahana.—Mpitoriteny 9:5; Matio 23:8-10.

  2. 2 DISO. Mino izahay hoe namorona ny zava-drehetra Andriamanitra. Tsy ekenay anefa ny fampianaran’ny olona sasany momba ny famoronana, satria tsy mifanaraka amin’ny Baiboly. Misy, ohatra, milaza fa naharitra enina andro ara-bakiteny ny famoronana. Mety hanondro fotoana lavalava anefa ny teny hoe “andro” ao amin’ny Baiboly. (Genesisy 2:4; Salamo 90:4) Mampianatra koa ireny olona ireny hoe vao an’arivony taona monja no nisian’ny tany. Asehon’ny Baiboly anefa fa efa nisy ela be talohan’ilay enina andro ny tany sy izao rehetra izao. 1Genesisy 1:1.

  3. 3 DISO. Manaiky hotsaboina izahay. Dokotera aza ny sasany aminay, toa an’ilay Kristianina tamin’ny taonjato voalohany atao hoe Lioka. (Kolosianina 4:14) Lavinay kosa ny fitsaboana mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly. Tsy manaiky hampidiran-dra, ohatra, izahay satria raran’ny Baiboly ny fihinanana ra.—Asan’ny Apostoly 15:20, 28, 29.

    Na izany aza dia miezaka mitady ny fitsaboana tsara indrindra ho anay sy ny fianakavianay izahay. Lasa nitady teknika hampihenana ny ra very àry ny mpitsabo. Tsy izahay ihany no mandray soa avy amin’izany. Afaka misoroka ny voka-dratsin’ny fampidiran-dra izao ny marary any amin’ny tany maro. Mety hitondra otrikaretina mantsy ny ra. Mety tsy hiasa tsara intsony koa ny hery fanefitra, ary mety hisy fahadisoana ataon’ny mpitsabo eo amin’ny resaka sokajin-dra na ny toy izany.

  4. 4 MARINA. Mino izahay fa “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” ny Baiboly ary “mahasoa.” (2 Timoty 3:16) Anisan’izany ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, araka ny iantsoan’ny olona azy. Izahay kosa miantso azy ireo hoe Soratra Hebreo sy Soratra Grika Kristianina, mba tsy hieritreretana hoe efa lany andro na tsy ilaina intsony ny ampahany sasany amin’ny Baiboly.

  5. 5 DISO. Mampiasa Baiboly hafa izahay rehefa mianatra Baiboly. Tena tianay anefa ny mampiasa Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao satria mampiasa ny anaran’Andriamanitra izy io sady mazava sy marina tsara. Voaresaka ao amin’ny teny fampidirana ao amin’ny Baiboly iray, ohatra, ny anaran’ny olona 79 nandika azy io. Nesorina tao anefa ny anaran’ilay tena mpanoratra ny Baiboly, dia i Jehovah Andriamanitra. Ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao kosa mamerina an’io anarana io amin’ny laoniny, satria niverimberina inarivony izy io tamin’ny Baiboly vao nosoratana. 2

  6. 6 DISO. Ny zavatra inoanay no ovanay rehefa hitanay hoe tsy mifanaraka tsara amin’izay lazain’ny Baiboly. Tamin’ny 1950 izahay vao nanomboka namoaka Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Izay Baiboly nisy no nampiasainay talohan’izay, ary nataonay niorina tamin’izany ny zavatra ninoanay.

  7. 7 DISO. Betsaka no mandray soa amin’ny fitoriana sy fampianarana ataonay. Maro no efa nampianay hiala amin’ny fahazaran-dratsy, toy ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fisotroan-toaka. Olona an’arivony eran-tany no ampianarinay mamaky teny sy manoratra. Mandefa fanampiana izahay rehefa misy loza, ka samy omenay na ny Vavolombelona na ny tsy Vavolombelona. Miezaka mampahery an’ireo tra-boina koa izahay. 3

  8. 8 DISO. Arahinay ny torohevitry ny Baiboly hoe “hajao ny karazan’olona rehetra”, na inona na inona fivavahany. (1 Petera 2:17) Ana hetsiny, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany sasany. Tsy mitady hanery ny mpanao politika na ny mpanao lalàna handrara ny zavatra ataon’ny fivavahana hafa anefa izahay, sady tsy tadiavinay hatao lalàna tsy maintsy arahin’ny fiaraha-monina ny zavatra inoanay. Manaja ny hafa kosa izahay satria tianay hanaja anay ny olona.—Matio 7:12.

Nalaina avy tao amin’ny jw.org/mg ny fanazavana sasany ato. Raha mila fanazavana fanampiny dia midira ao amin’ilay hoe MOMBA ANAY > FANONTANIANA FAMETRAKY NY OLONA.

^ 1. Izany no mahatonga anay tsy handa ny tenin’ny mpahay siansa sasany hoe mety ho efa an’arivony tapitrisa taona ny tany.

^ 2. Anisan’ny mampiavaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao koa ilay izy zaraina maimaim-poana. An-tapitrisany àry no afaka mamaky azy io amin’ny fitenin-drazany. Misy amin’ny fiteny 130 eo ho eo izy io izao. Azonao vakina ao amin’ny Internet mihitsy aza izy io, ao amin’ny www.mt711.com/mg.

^ 3. Ampiasainay hanampiana ny tra-boina ny ampahany amin’ny fanomezana an-tsitrapo azonay. (Asan’ny Apostoly 11:27-30) Koa satria mpiasa an-tsitrapo ireo olona mitondra fanampiana, dia tsy lany hanakaramana azy ireo ny vola.