Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hoatran’ny olona manao spaoro ianao rehefa miasa mafy. Mahasoa anao ilay izy, na amin’izao na amin’ny hoavy

HO AN’NY TANORA

11: Aza Kamo Miasa

11: Aza Kamo Miasa

AHOANA IZANY?

Tsy kamo miasa ny olona iray raha vonona foana izy rehefa misy asa tokony hatao. Tia miasa mafy izy, amin’izay mba mahazo izay ilainy sady afaka manampy olona. Tiany foana ny asany na dia tsy be mpitia aza ilay izy.

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Betsaka ny adidy miandry anao, na tianao izany na tsia. Handray soa anefa ianao raha mazoto miasa, satria vitsy ny olona hoatr’izany amin’izao.—Mpitoriteny 3:13.

“Niezaka ho tia miasa aho, satria hitako hoe lasa faly sy afa-po ny olona rehefa miasa mafy. Lasa tsara laza koa ianao rehefa tsy kamo miasa.”—Rolland.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Ahitana tombontsoa ny fisasarana rehetra.”—Ohabolana 14:23.

INONA NO AZONAO ATAO?

Araho ireto dingana ireto raha tianao hahafinaritra anao ny asanao:

Ataovy tsara izay ampanaovina anao. Ataovy amin’ny fo izay ataonao, na raharaha izany, na devoara, na asa fivelomana. Rehefa hainao tsara ilay zavatra ampanaovina anao, dia mitadiava fomba hanatsarana an’ilay izy na hamitana azy haingana kokoa. Vao mainka ho tianao ny manao an’ilay izy, arakaraka ny ahaizanao azy.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Mahita olona mahay ny asany ve ianao? Eo anatrehan’ny mpanjaka no ijoroany, fa tsy hijoro eo anatrehan’ny olon-tsotra izy.”—Ohabolana 22:29.

Tadidio hoe mahasoa ny hafa ny asanao. Raha mazoto manao raharaha, ohatra, ianao, dia mba mihena ny asa ataon’ny hafa.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

Manaova mihoatra noho izay takina aminao. Aza ferana hoe izay tena tsy maintsy ataonao ihany no ataonao, fa miezaha hanao mihoatra noho izany. Tsy hiferinaina ianao amin’izay, satria an-tsitrapo no anaovanao an’ilay izy fa tsy terena.—Matio 5:41.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Mba tsy ho an-tery ny soa ataonao, fa ho an-tsitrapo kosa.”—Filemona 14.

Mahaiza mandanjalanja. Vonona hiasa foana ny olona mazoto miasa, nefa koa tsy adalan’asa. Tiany ny asany, nefa mba maka aina koa izy indraindray.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.”—Mpitoriteny 4:6.