Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOPY MASO ERAN-TANY

Maresaka Momba An’ireo Tanin’i Amerika

Maresaka Momba An’ireo Tanin’i Amerika

Asehon’ny vaovao avy any amin’ny faritr’i Amerika fa tena sarobidy sady tsy lany andro ny zavatra resahin’ny Baiboly.

Hihena ny Adin-tsaina Raha Tsy Mijery E-mail Matetika

Hitan’ny mpikaroka any Vancouver, Kanada, fa mety hihena ny adin-tsain’ny olona iray raha intelo isan’andro fotsiny izy no mijery e-mail, fa tsy mijery azy io foana. Hoy i Kostadin Kushlev, izay nitarika an’ilay fikarohana: “Sarotra amin’ny olona ny mifehy tena tsy hijery e-mail. Tsy dia hiady saina anefa izy raha manao an’izany.”

ERITRERETO IZAO: Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika, ka tsy aleo ve mba miezaka mampihena ny adin-tsaina?—2 Timoty 3:1.

Mihabetsaka Indray ny Hazandrano

Milaza ny tatitra avy amin’ny Fikambanana Mpiaro ny Bibidia (WCS) fa “nihabetsaka ny sifodranomasina, oran-dranomasina, ary trondro any amin’ireo faritra tsy azo anjonoana” any Belize sy any amin’ny faritra hafa any Karaiba. Hoy ihany ilay tatitra: “Mety ho ao anatin’ny 1-6 taona dia efa mitombo ny isan’ny trondro, any amin’ny faritra tsy azo anjonoana. Mety ho am-polony taona kosa ilay izy ... vao tafaverina amin’ny laoniny.” Hoy i Janet Gib­son, tale ao amin’ny WCS: “Hiverina amin’ny laoniny ny habetsahan’ny hazandrano sy ny zavamaniry any an-dranomasina any [Belize], raha misy foana ny faritra tsy azo anjonoana.”

ERITRERETO IZAO: Vitan’ny hazandrano sy ny zavamaniry ny ­mihabetsaka indray, na dia efa saika lany tamingana aza. Tsy midika ve izany hoe hendry ny Mpamorona?—Salamo 104:24, 25.

Herisetra any Brezila

Mihamitombo ny herisetra any Brezila, araka ny vaovao navoakan’ny Agência Brasil. Maherin’ny 56 000 ny olona nisy namono, tamin’ny 2012. Io no taona be vonoan’olona indrindra, araka ny tatitra nataon’ny Minisiteran’ny Fahasalamana. Nilaza i Luís Sapori, manam-pahaizana momba ny filaminam-bahoaka, fa mitombo ny herisetra satria miharatsy fitondran-tena ny olona. Hoy koa izy: ‘Tsy manaja ny lalàn’ny tany mandroso ny olona, ka lasa mampiasa herisetra mba hiarovany ny tombontsoany.’

FANTATRAO VE? Efa nilaza ny Baiboly fa “hihamangatsiaka” ny fitiavan’ny olona, ary hitombo ny fandikan-dalàna.—Matio 24:3, 12.