Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NISY NAMORONA VE?

Ny Kofehy Maditiditin’ny Betsimitsitekiteky

Ny Kofehy Maditiditin’ny Betsimitsitekiteky

MIRAIKITRA amin’ny vato, hazo, na vatan-tsambo ny betsimitsitekiteky. Tsy mitovy amin’ny biby hafa any an-dranomasina anefa izy. Tsy mipetaka be mantsy izy fa afaka mihetsiketsika, satria mampiasa kofehy maditidity rehefa miraikitra amin-javatra. Mora aminy àry ny misakafo sy mifindrafindra. Hoatran’ny hoe mora tapaka anefa ireo kofehy ka tsy hahatohitra onjan-dranomasina. Nahoana àry izy ireo no manampy an’ilay betsimitsitekiteky hiraikitra amin-javatra sy tsy ho lasan’ny rano?

Diniho izao: Mafy ny ampahany betsaka (80 isan-jato) amin’ireo kofehy, fa ny ilany (20 isan-jato) kosa malefaka sy mora mitatra. Hitan’ny mpikaroka hoe izany no tena mampiraikitra an’ilay betsimitsitekiteky. Tsy lasan’ny rano mihitsy àry izy na dia atopatopan’ny onja mahery aza.

Milaza ny Profesora Guy Genin fa “mahagaga” ilay voka-pikarohana. Hoy ihany izy: “Mifampiraikitra tsara ny ampahany malefaka sy ny ampahany mafy amin’ireo kofehy, ka izay no tena mahavariana amin’io biby io.” Mino ny mpahay siansa fa azo alaina tahaka ny firafitr’ireo kofehy mba hampiasaina amin-javatra maro, ohatra hoe rehefa mametaka zavatra amin’ny rindrina na amin’ny sambo mpisitrika, ary rehefa mampifandray hozatra amin’ny taolana na mampikatona fery aorian’ny fandidiana. Hoy i Herbert Waite, profesora ao amin’ny Oniversiten’i Kalifornia any Etazonia: “Tena betsaka ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny zavaboary, raha ny teknika mampiraikitra zavatra no resahina.”

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny kofehy maditiditin’ny betsimitsitekiteky, sa nisy namorona?