Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”​—Jakoba 4:8

Mihaino ny Vavaka Ataontsika ve Andriamanitra?

Mihaino ny Vavaka Ataontsika ve Andriamanitra?

Hoatran’ny tsy henoin’Andriamanitra mihitsy ve ny vavaka ataonao? Tsy ianao irery no mahatsapa hoatr’izany. Be dia be ny olona mivavaka momba ny olana mahazo azy, nefa tsy milamina akory ilay izy. Tsy miraharaha ny vavaka ataontsika ve izany Andriamanitra? Manome toky ny Baiboly hoe mihaino izy, rehefa mifanaraka amin’ny zavatra takiny ny vavaka ataontsika. Andeha isika hijery izay lazain’ny Baiboly momba ny vavaka.

TENA MIHAINO ANDRIAMANITRA.

“Ry Mpihaino vavaka ô, ianao no hohatonin’ny karazan’olona rehetra.”​—Salamo 65:2.

Misy olona tsy mino hoe tena misy mihaino ny vavaka ataony. Mivavaka ihany anefa izy, satria lasa milamin-tsaina, hono, izy rehefa manao an’izany. Tsy hoe natao hanamaivanana antsika fotsiny anefa ny vavaka. Hoy ny Baiboly: “Akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah, * dia izay rehetra miantso azy araka ny fahamarinana. ... Hohenoiny izy ireo rehefa miantso vonjy.”​—Salamo 145:18, 19.

Afaka matoky àry isika fa mihaino ny vavaka ataon’ny mpanompony i Jehovah Andriamanitra. Hoy izy: “Hiantso ahy ianareo ka ho avy hivavaka amiko, ary hihaino anareo aho.”​—Jeremia 29:12.

TIANY HIVAVAKA AMINY IANAO.

“Mahareta amin’ny vavaka.”​—Romanina 12:12.

Mampirisika antsika ny Baiboly hoe “mivavaha foana.” Hita avy amin’izany hoe tian’i Jehovah Andriamanitra hivavaka aminy isika.​—Matio 26:41; Efesianina 6:18.

Nahoana isika no tian’Andriamanitra hivavaka aminy? Saintsaino izao: Faly be ny raim-pianakaviana iray rehefa miteny aminy ny zanany hoe: “Dada a, izaho ampio.” Efa fantatr’ilay lehilahy hoe inona no ilain’ilay zanany, na inona no tsapany. Rehefa henony mangataka fanampiana aminy anefa ilay zaza, dia tsapany hoe matoky azy izy sady mifandray tsara aminy. Rehefa mivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra koa isika, dia ho hitany hoe matoky azy isika sady te ho akaiky azy.​—Ohabolana 15:8; Jakoba 4:8.

TENA TIA ANAO ANDRIAMANITRA.

“Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”​—1 Petera 5:7.

Tian’Andriamanitra hivavaka aminy isika, satria tia sy miahy antsika izy. Fantany tsara ny zavatra mampiady saina sy mampanahy antsika, dia te hanampy antsika izy.

Nivavaka tamin’i Jehovah foana i Davida Mpanjaka. Nangataka fanampiana taminy izy, ary nolazainy taminy izay tao an-tsainy sy tao am-pony. (Salamo 23:1-6) Inona no vokatr’izany? Tia an’i Davida i Jehovah ka nihaino ny vavaka nataony. (Asan’ny Apostoly 13:22) Mihaino ny vavaka ataontsika koa Andriamanitra satria tia antsika izy.

“FENO FITIAVANA AHO, SATRIA NOHENOIN’I JEHOVAH NY FEOKO”

Tenin’ny mpanao salamo iray ao amin’ny Baiboly ireo. Natoky izy hoe nihaino ny vavaka nataony Andriamanitra. Nahatsiaro ho akaiky kokoa an’Andriamanitra àry izy, ary lasa vitany ny nizaka ny alahelony sy ny fahoriany.​—Salamo 116:1-9.

Mivavaka amin’Andriamanitra foana isika rehefa matoky hoe mihaino ny vavaka ataontsika izy. Eritrereto ny zavatra niainan’i Pedro, mipetraka any Espaina. Maty tamin’ny lozam-piarakodia ny zanany lahy iray 19 taona. Nalahelo be izy ka namboraka an’izay rehetra tao am-pony tamin’Andriamanitra. Nivavaka foana koa izy mba hahazoana fampiononana sy fanampiana. Inona no vokany? Hoy izy: “Namaly ny vavaka nataoko i Jehovah. Nampiasa ny mpiara-mivavaka aminay izy mba hampionona sy hanampy anay mivady.”

Rehefa mamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra, dia matetika izy no mampiasa ny namantsika mba hampionona sy hanampy antsika

Tsy hoe velona indray akory ny zanak’i Pedro rehefa nivavaka izy. Tena nanampy azy mianakavy anefa ny vavaka. Hoy i María Carmen vadiny: “Ny vavaka no nanampy ahy hizaka ny fahoriako. Tsapako hoe nahatakatra ny nahazo ahy i Jehovah Andriamanitra, satria rehefa nivavaka aho dia lasa tony sy nilamin-tsaina.”

Hitantsika avy amin’izay lazain’ny Baiboly sy ny tantaran’ny olona amin’izao, fa tena mihaino vavaka Andriamanitra. Tsy ny vavaka rehetra anefa no valiany. Nahoana izy no tsy mamaly ny vavaka sasany?

^ feh. 5 Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Salamo 83:18.