Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miahy Anao Andriamanitra

Miahy Anao Andriamanitra

AVY amin’Andriamanitra ny Baiboly, ka ao no misy ny torohevitra tsara indrindra. Marina hoe tsy boky momba ny fahasalamana izy io. Afaka manampy antsika anefa izy io rehefa miatrika olana mampitebiteby isika, na miady saina, na mikorontana ny fihetseham-pontsika, na isika tsy salama ara-tsaina na ara-batana.

Izao anefa no tena zava-dehibe: Manome toky antsika ny Baiboly fa i Jehovah Andriamanitra, a ilay Mpamorona antsika, dia mahazo tsara ny eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika mihoatra noho ny olon-kafa. Te hanampy antsika amin’izay olana mahazo antsika izy. Ireto, ohatra, misy andinin-teny roa mampahery:

“Akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay kivy.”​—SALAMO 34:18.

“Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitazona anao mafy amin’ny tananao ankavanana, dia Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’”​—ISAIA 41:13.

Ahoana anefa no anampian’i Jehovah antsika rehefa tratran’ny aretin-tsaina isika? Ho hitanao ao amin’ireo lahatsoratra manaraka fa betsaka ny fomba ampisehoany hoe tena miahy sy manampy antsika izy.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Salamo 83:18.