Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

Lasa Nahay Nanaja Tena sy Nanaja Vehivavy Aho

Lasa Nahay Nanaja Tena sy Nanaja Vehivavy Aho
  • TERAKA: 1960

  • FIRENENA: FRANTSA

  • FIAINANY TALOHA: NAHERY SETRA, NIDOROKA ZAVA-MAHADOMELINA, TSY NANAJA VEHIVAVY

NY FIAINAKO TALOHA:

Teraka tany Mulhouse aho. Tanàna lavidavitry ny renivohitra, any amin’ny faritra avaratratsinanan’i Frantsa izy io. Nahantra sy nalaza ho tia herisetra ny olona tany. Tadidiko hoe niady sy nifamono foana ny olona teny aminay. Nambanina ny vehivavy tao an-tranonay, ary indraindray ihany ny lehilahy vao mba nanontany ny heviny. Nampianarina an’ahy hoe any an-dakozia ihany no ilana ny vehivavy, ary mikarakara ny lehilahy sy ny ankizy fotsiny no asany.

Tsy mora ny fiainako tamin’ny mbola kely. Matin’ny toaka dadanay, tamin’izaho folo taona. Namono tena ny zokiko lahy, dimy taona taorian’izay. Nisy niady koa ny fianakavianay, dia nisy maty mihitsy tamin’ilay izy, ary nanatri-maso an’izany aho. Nampalahelo be an’ahy daholo izany. Nampianatra an’ahy hiady sy hampiasa antsy sy basy ny havanay, satria nieritreritra ry zareo hoe mety hilaiko izany. Kivy tanteraka aho, ka nanomboka nasiako tatoazy ny vatako, ary lasa nisotro toaka be koa aho.

Nahalany labiera 10 ka hatramin’ny 15 tavoahangy aho isan’andro, tamin’izaho 16 taona. Lasa nidoroka zava-mahadomelina koa aho, tsy ela taorian’izay. Nivarotra fatim-by sy nangalatra aho mba hahazoana vola hanaovana an’izany. Efa nigadra aho, tamin’izaho 17 taona. Raha atambatra, dia efa im-18 aho no voasazy, satria nangalatra sy nahery setra.

Vao mainka niharatsy be ny fiainako, tamin’izaho 20 taona mahery. Nifoka singana rongony 20 isan’andro aho, ary nampiasa herôinina sy zava-mahadomelina hafa. Imbetsaka aho no saika maty, satria be loatra ny rongony laniko. Lasa nivarotra zava-mahadomelina aho, ka nisy antsy sy basy foana tatỳ amiko. Nitifitra rangahy iray izay aho indray mandeha. Soa ihany anefa fa nidona tamin’ny hidin’ny fehikibony fotsiny ilay bala. Maty neninay, tamin’izaho 24 taona, ka vao mainka aho tezitra be. Natahotra an’ahy ny olona, dia niampita arabe raha vao nahita an’ahy. Niady aman’olona foana aho, ka matetika aho no voatazona tany amin’ny polisy rehefa faran’ny herinandro. Indraindray koa aho tany amin’ny hopitaly satria naratra.

Nanambady aho, tamin’izaho 28 taona. Efa ampoizinao angamba hoe tsy nanaja ny vadiko aho. Nikasi-tanana sy nanambany azy aho. Tsy mba niara-nanao zavatra mihitsy izahay. Nieritreritra aho hoe: ‘Tsy rehefa mahazo an’ireny firavaka be dia be nangalariko ireny ve izy dia ampy e!’ Nisy zavatra tsy nampoizina nitranga anefa. Lasa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadiko. Vao nianatra indray mandeha fotsiny izy, dia efa tsy nety nifoka sigara sy nandray vola halatra avy tatỳ amiko intsony. Naveriny koa ny firavaka nomeko azy. Tezitra be aho, ka tsy navelako nianatra intsony izy. Nataoko tany amin’ny tarehiny ny setroka rehefa nifoka sigara aho. Nesoesoiko teny imason’ny mpiray tanàna taminay koa izy.

Mamo be aho indray alina izay, dia nodorako ny tranonay. Ny vadiko no nanavotra an’ahy sy ny zanakay vavy dimy taona. Nanenina be aho rehefa nisava ny toakako. Nieritreritra aho hoe tena tsy hamela an’ahy intsony Andriamanitra. Efa naheno mompera niteny aho mantsy hoe mankany amin’ny afobe, hono, ny ratsy fanahy. Na ny dokoterako aza niteny hoe: “Vita hatreo ny aminao! Efa tsy avotra intsony ianao.”

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Nifindra tany amin’ny rafozako izahay, taorian’ilay tranonay may. Rehefa nitsidika ny vadiko ny Vavolombelona, dia nanontaniako ry zareo hoe: “Mbola havelan’Andriamanitra ihany ve ny fahotako rehetra?” Nasehon’izy ireo ahy ny 1 Korintianina 6:9-11. Voaresaka ao ireo zavatra tsy tian’Andriamanitra, nefa ao amin’ilay izy koa misy hoe: “Efa toy izany ihany ny sasany aminareo.” Hitako tamin’ireo teny ireo fa mbola afaka miova aho. Nasehon’ireo Vavolombelona ahy avy eo ny 1 Jaona 4:8, ary nanome toky ahy izy ireo fa tian’Andriamanitra aho. Faly be aho, ka nasaiko nampianatra Baiboly an’ahy indroa isan-kerinandro ry zareo. Nanomboka nanatrika fivoriana koa aho, ary nivavaka tamin’i Jehovah foana.

Nanapa-kevitra ny hiala tamin’ny toaka sy rongony aho, iray volana tatỳ aoriana. Tsy ela taorian’izay anefa, dia tsapako hoe nikorontana be mihitsy ny tany anatiko tany. Lasa nanonofy ratsy aho, narary an-doha, ary voan’ny kirampy foana. Mbola nisy zavatra hafa nahazo an’ahy koa, vokatr’ilay izaho niala tamin’ny toaka sy rongony. Hitako koa anefa tamin’izay fa toy ny hoe nitantana ahy i Jehovah ka nanampy ahy. Nitovy tamin’izay tsapan’ny apostoly Paoly mihitsy no tsapako. Nilaza mantsy izy hoe: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.” (Filipianina 4:13) Tafala tamin’ny sigara koa aho, tamin’ny farany.—2 Korintianina 7:1.

Tsy hoe nanampy ahy hiala tamin’ny fahazaran-dratsiko fotsiny ny Baiboly, fa nanatsara ny fiainanay mianakavy koa. Niova ny fomba nifandraisako tamin’ny vadiko. Lasa nanaja azy bebe kokoa aho ary nahay niteny hoe “azafady” sy “misaotra.” Nanjary nahay nitaiza tsara an’ilay zanakay vavy koa aho. Nanao hoatran’ny vadiko aho, ka nanokan-tena ho an’i Jehovah ary natao batisa, herintaona taorian’ny nianarako Baiboly.

NY SOA NORAISIKO:

Tena miaiky aho hoe namonjy ahy ny toro lalan’ny Baiboly. Na ny havako tsy Vavolombelona aza nilaza fa efa matin’ny toaka sy rongony aho hoatr’izay, na maty tamin’izaho niady aman’olona.

Nanova tanteraka ny fiainanay mianakavy ny Baiboly. Hazavaina ao mantsy hoe inona avy ny andraikitry ny lehilahy manambady sy ny raim-pianakaviana. (Efesianina 5:25; 6:4) Nanomboka niara-nanao zavatra izahay mianakavy. Lasa mpitory manontolo andro izao ny vadiko, fa tsy hoe manao raharaha ao an-dakozia fotsiny, ary tena faly aho manohana azy. Faly koa izy manohana ahy amin’ny andraikitro, satria anti-panahy eo anivon’ny fiangonana aho.

Be fitiavana sy mamindra fo i Jehovah, ka tena nisy vokany be tamin’ny fiainako izany. Tena tiako ny miresaka ny toetrany amin’ny olona heverina hoe tsy misy antenaina intsony ny aminy. Hoatr’izany mantsy no fahitan’ny olona an’ahy taloha. Fantatro fa afaka manampy an’izay olona te hiova sy hanana tanjona tsara eo amin’ny fiainana ny Baiboly. Nanampy ahy hanaja tena ny Baiboly sady nampianatra ahy ho tia sy hanaja olona, na lehilahy izany na vehivavy.