Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Manakaiky An’Andriamanitra no Tsara Amiko

Ny Manakaiky An’Andriamanitra no Tsara Amiko

TSY nitombo intsony aho tamin’izaho sivy taona. Efa 34 taona lasa izany, tamin’izahay tany Côte d’Ivoire. Mbola iray metatra izao ny halavako. Tsy tian’i Dada sy Neny hieritreritra be ny paoziko aho, ka nasainy niasa mafy. Nanangana fivarotam-boankazo teo anoloan’ny tranonay aho ary nalamiko tsara foana ilay izy, ka maro no tonga nividy.

Tsy namaha olana anefa ilay niasa mafy. Mbola fohy kely ihany aho ary sahirana be vao nahavita zavatra tsotra kely. Toa natao ho an’ny olona lava be daholo ny zava-drehetra. Tsy takatro, ohatra, ny toerana fandoavam-bola eny amin’ny mpivarotra. Nampalahelo ahy ny paoziko. Tsy naninona intsony anefa aho rehefa 14 taona.

Nisy vehivavy roa Vavolombelon’i Jehovah nividy voankazo teo amiko, indray mandeha, ary nampianarin’izy ireo Baiboly aho. Tsy ela dia fantatro fa zava-dehibe kokoa noho ny paoziko ny mahalala an’i Jehovah sy ny fikasany. Nahasoa ahy izany. Lasa andinin-teny tiako indrindra ny Salamo 73:28. Hoy ny tapany voalohany amin’izy io: “Ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara amiko.”

Nifindra tampoka teto Burkina Faso ny fianakavianay ka niova be ny fiainako. Efa nahazatra ny mpiray tanàna taminay tany Côte d’Ivoire ny nahita ahy teo akaikin’ilay fivarotam-boankazo. Vahiny kosa aho teto Burkina Faso sady vahiny hafahafa. Nijerijery ahy ny olona ka tsy nivoaka ny trano aho nandritra ny herinandro maromaro. Tadidiko avy eo hoe tena nahasoa ahy ny nanakaiky an’i Jehovah. Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah àry aho ka tonga tao amiko ny misionera iray nitaingina skotera. Nani no anarany ary tena nanampy ahy izy.

Be fasika ny lalana atỳ ka malama, ary mamotaka rehefa avy ny orana. Imbetsaka i Nani no nianjera avy teny ambony skotera, isaky ny hampianatra ahy. Tsy kivy anefa izy. Nasainy hivory aho avy eo. Midika izany fa tsy maintsy hivoaka ny trano aho ary hiaritra ny mason’ny olona. Efa nanahirana koa ny nitondra an’ilay skotera, nefa vao mainka ilay izy havesatra raha hitondrana ahy. Nanaiky anefa aho. Tadidiko mantsy ny tapany faharoa amin’ilay andinin-teny tiako indrindra, manao hoe: “I Jehovah Tompo Fara Tampony no ataoko fialofako.”

Nianjera tao anaty fotaka izahay sy Nani indraindray, nefa nandeha nivory foana. Hafa mihitsy ny tao amin’ny Efitrano Fanjakana. Nitsikitsiky sy be fitiavana ny olona tao fa tsy nijerijery ahy hoatran’ny olon-kafa. Natao batisa aho, sivy volana tatỳ aoriana.

Izao no tapany fahatelo amin’ilay andinin-teny tiako indrindra: “Mba hanambarako ny asany rehetra.” Tena sarotra tamiko ny nandeha nitory. Mbola tadidiko ilay izaho nitory isan-trano voalohany. Nijerijery sy nanaraka ahy ny ankizy sy ny tanora ary nataon’izy ireo ny fandehako. Tena mafy izany nefa niaretako ihany. Niezaka nitadidy aho hoe nila Paradisa koa ry zareo.

Nividy bisikileta misy kodiarana telo aho ary novoizin-tanana ilay izy. Natosika aho rehefa fiakarana. Nijapy an’ilay bisikileta kosa ny mpitory namako rehefa fidinana. Lasa tiako be ny nanompo, na dia mafy tamiko aza izany tamin’ny voalohany. Nirotsaka ho mpisava lalana maharitra mihitsy aho tamin’ny 1998.

Betsaka ny olona nampianariko Baiboly ary vita batisa ny efatra. Nanaiky ny fahamarinana koa ny zandriko vavy iray. Kivy aho indraindray ka faly erỳ rehefa mandre hoe misy olona mandroso ara-panahy. Nahazo taratasy avy tany Côte d’Ivoire aho indray mandeha, tamin’izaho voan’ny tazomoka. Nisy mpianatry ny oniversite nampianariko Baiboly teo am-baravarana teto Burkina Faso, ary nafindrako tamin’ny ranadahy iray. Nifindra tany Côte d’Ivoire ilay mpianatra tatỳ aoriana. Faly be aho fa efa lasa mpitory tsy vita batisa izy.

Inona no fivelomako? Nampianatra ahy hanjaitra ny fikambanana iray mpanampy ny sembana. Tsikaritry ny mpampianatra iray ny fomba fiasako ka nilaza izy fa tokony hampianarina manao savony aho. Nampianarin-dry zareo tokoa aho. Nanamboatra savony àry aho. Tian’ny olona ny savoniko ka nampirisika ny hafa hividy izay efa nampiasa. Izaho ihany no manatitra azy ireny any amin’ny olona. Manana skotera misy kodiarana telo mantsy aho.

Nampalahelo fa tsy afaka nanao ny asan’ny mpisava lalana intsony aho, tamin’ny 2004. Mivilana mantsy ny hazondamosiko ka nanaintaina be. Mbola mazoto manompo anefa aho.

Malaza ho tia mitsikitsiky aho. Rariny aho raha faly, satria mahasoa ahy ny manakaiky an’Andriamanitra.—Notantarain’i Sarah Maiga.