Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-tsarobidy Hita tao Tel Arad

Zava-tsarobidy Hita tao Tel Arad

Zava-tsarobidy Hita tao Tel Arad

Eritrereto hoe nandeha ianao dia nahita tanàna haolo, misy tempoly hafahafa, sy soratra efa tranainy be. Hoatran’ireny filma mampientanentana ireny angamba izany. Mihoatra noho izany anefa no hitan’ny mpikaroka, tany Tel Arad, any Israely.

ANY amin’ny tany efitr’i Jodia, andrefan’ny Ranomasina Maty, no misy an’i Arada ankehitriny, izay misy mponina 27 000. Vahiny maro no mihevitra fa toa azy io avokoa ny tanàna any Israely. Valo kilaometatra andrefan’izy io no nisy an’ilay tanànan’i Arada fahiny. Nahita soratra sy sisan-javatra maro be tao ny mpikaroka, rehefa nanaisotra ny fasika teo ambonin’ilay faritra.

Vakin-tanimanga no nisy an’ireo soratra hitan’ny mpikaroka. Fanaon’ny olona tamin’ny andron’ny Baiboly ny nanoratra tamin’ny zavatra vita amin’ny tanimanga toy izany. Tao Tel Arad no nahitana vakin-tanimanga betsaka indrindra, tany Israely. Nahoana no sarobidy ireny sisan-javatra ireny?

Manaporofo ny fahamarinan’ny Baiboly izy ireny, satria nahitana zavatra efa nisy tamin’ny andron’ny Mpitsaran’ny Israely, ka hatramin’ny nandravan’ny Babylonianina an’i Joda tamin’ny 607 T.K. Hita tamin’izy ireny koa fa fanaon’ny Israelita fahiny ny nampiasa ny anarana manokan’Andriamanitra.

Izay lazain’ny Baiboly

Tsy miresaka firy momba an’i Arada ny Baiboly. Tsara toerana io tanàna fahiny io satria nisy lalana falehan’ny mpivarotra. Araka ny tantara sy ny fikarohana, dia imbetsaka izy io no nisy nanafika sy nandrava. Naorina foana anefa io tanàna an-tampon-kavoana io, ka lasa tanàna lehibe.

Miresaka voalohany momba an’i Arada ny Baiboly, rehefa mitantara an’ilay dia nataon’ny Israely tany an-tany efitra nandritra ny 40 taona. Nandalo teo amin’ny sisiny atsimon’ny Tany Nampanantenaina izy ireo, taoriana kelin’ny nahafatesan’i Arona, rahalahin’i Mosesy. Nihevitra ny mpanjakan’i Arada tamin’izay, fa ho resiny mora foana izy ireo, ka notafihiny. Nampian’i Jehovah Andriamanitra anefa ny vahoakany, ka nandresy an’ireo Kananita. Rava tanteraka ny tanànan’i Arada, na dia nisy velona ihany aza ny mponina tao.—Nomery 21:1-3.

Naorin’ireo Kananita haingana indray ilay tanànany. Niverina tany i Josoa taona vitsy tatỳ aoriana, ary nanafika an’ilay faritra. Nasesiny hatrany avaratra izany, ka hatrany amin’ny “tany havoana sy ny tany atsimo” tany Negeba. Anisan’ny fahavalo resiny ny “mpanjakan’i Arada.” (Josoa 10:40; 12:14) Nanaraka sy nanampy ny Israely tany an-tany efitra ny taranak’i Hobaba Kenita. Izy ireo no nipetraka teo amin’ilay faritra tany Negeba, tatỳ aoriana.—Mpitsara 1:16.

Ireo sisan-javatra hita

Mitantara zava-nitranga sasany tatỳ aoriana koa ny Baiboly, ary manamarina azy ireny ilay fikarohana tao Tel Arad. Nahita manda maromaro, ohatra, ny mpikaroka. Efa nisy hatramin’ny andron’i Solomona Mpanjaka ny sasany tamin’ireo. Nanao tetikasa fanorenana lehibe mantsy io mpanjaka io. (1 Mpanjaka 9:15-19) Hitan’ny mpikaroka fa efa nisy fotoana naha may tanteraka an’ilay toerana, tamin’ny fiandohan’ny taonjato fahafolo T.K. tany ho any. Azo inoana fa nitranga izany rehefa nanafika an’i Joda i Sisaka mpanjakan’i Ejipta, dimy taona monja taorian’ny nahafatesan’i Solomona. Misy sary fahatsiarovana an’io fanafihana io, ny rindrina iray ao Karnak, faritra atsimon’i Ejipta. Hita eo fa anisan’ny noravana tamin’izany i Arada.—2 Tantara 12:1-4.

Tena mahaliana ireo vakin-tanimanga 200 teo ho eo hita tao Arada. Maro taminy mantsy no nahitana anarana hebreo ao amin’ny Baiboly, toy ny hoe Pasora, Meremota, ary ny zanakalahin’i Kora. Nahitana ny anarana manokan’Andriamanitra mihitsy aza ny sasany tamin’ireny vakin-tanimanga ireny. Nosoratana tamin’ny litera hebreo efatra hoe יהוה (YHWH) io anarana io, ary ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ihany no mitondra azy io. Lasa ninonino foana ny olona maro tatỳ aoriana, ka nihevitra fa tsy azo tononina ny anaran’Andriamanitra satria manevateva azy, hono, izany. Hita tamin’ireo sisan-javatra tao Tel Arad anefa fa fanaon’ny olona tamin’ny andron’ny Baiboly ny nanonona ny anaran’Andriamanitra, rehefa niarahaba, nitso-drano, na rehefa niresaka isan’andro. Izao, ohatra, no soratra tamin’ny vakin-tanimanga iray: “Ho an’i Elyashib tompoko. Hitahy anao anie i Iaveh [Jehovah]. ... Mijanona ao amin’ny tempolin’i Iaveh izy.”

Ary inona ilay tempoly hafahafa, voalaza tetsy aloha? Tempoly hita tao Tel Arad izy io, izay misy alitara, ary efa nisy tamin’ny andron’ny Israely fahiny. Kely lavitra noho ny tempolin’i Solomona tao Jerosalema izy io, nefa misy itovizany betsaka amin’ilay izy. Inona no antony nanaovana an’ilay tempoly tao Arada? Ahoana no nampiasana azy io? Ary oviana? Tsy hain’ny mpikaroka sy ny mpahay tantara ny valin’izany.

Efa nilaza mazava i Jehovah fa ny tempolin’i Jerosalema ihany no nekeny hanaovana ireo fety fanao isan-taona sy hanolorana fanatitra. (Deoteronomia 12:5; 2 Tantara 7:12) Tena nanohitra ny Lalàn’Andriamanitra àry izay nanorina sy nampiasa an’ilay tempoly tao Arada. Tamin’izany angamba ny Israelita no nanao fombafomba teny amin’ny alitara ho an’ny sampy, fa tsy nanaraka ny fivavahana marina. (Ezekiela 6:13) Raha izany dia mety ho tamin’ny taonjato fahavalo na fahafito T.K. no potika io tempoly io, rehefa nandrava ny fanompoan-tsampy i Hezekia sy Josia.—2 Tantara 31:1; 34:3-5, 33.

Kely ihany no fantatsika momba an’i Arada, nefa ahalalantsika zavatra maro izany. Porofoin’ireo sisan-javatra hita taonjato maro tatỳ aoriana, fa tena marina ny Baiboly. Fantatsika koa ny momba an’ilay alitara ho an’ny sampy nampitovina tamin’ny alitaran’i Jehovah. Ary hitantsika fa nampiasa tamim-panajana ny anaran’i Jehovah ny Israely fahiny, teo amin’ny fiainany andavanandro.

[Sarintany/Sary, pejy 23]

(Jereo ny gazety)

JEROSALEMA

Ranomasina Maty

Arada

Tel Arad

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary, pejy 24]

Ilay rindrina misy sary ao Karnak, any Ejipta

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary, pejy 25]

Hita eo ny soratra hoe: “Hitahy anao anie i Iaveh [ Jehovah]”

[Sary nahazoan-dalana]

Photograph © Israel Museum, Jerusalem; courtesy of Israel Antiquities Authority

[Sary, pejy 25]

Ampahan’ilay tempoly tao Tel Arad

[Sary, pejy 25]

Ny tanànan’i Tel Arad, raha jerena avy any atsinanana

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Todd Bolen/Bible Places.com