Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Inona no nahatonga ny vehivavy iray ho lasa mpiasa azo atokisana, nefa mpanondrana diamondra an-tsokosoko izy taloha, ary mpangalatra tany am-piasana? Nahoana ny vehivavy iray no lasa nankafy indray ny fiainana, na dia efa indroa aza no nanandrana namono tena? Inona no nanampy ny lehilahy iray ho afaka tanteraka tamin’ny toaka sy rongony, na dia efa saika tsy afa-niala tamin’izany aza? Diniho izay nolazain’izy ireo.

MOMBAMOMBA AZY

ANARANA: MARGARET DEBRUYN

TAONA: 45

FIRENENA: BOTSWANA

FIAINANY TALOHA: MPANAO VARO-MAIZINA SY MPANGALATRA

NY FIAINAKO TALOHA: Alemà ny raiko fa mizaka ny zom-pirenena namibianina. Avy amin’ny foko mongologa, eto Botswana, kosa ny reniko. Teraka tany Gobabis, any Namibia, aho.

Nanjakazaka be tany Namibia i Afrika Atsimo, teo anelanelan’ny 1970 sy 1980, ka nampihariny nanerana an’io tany io ny fanavakavaham-bolon-koditra. Noterena hisaraka àry ny ray aman-dreniko satria tsy nitovy volon-koditra. Nody tany Ghansi, eto Botswana, i Neny sy izahay ankizy.

Nifindra tany Lobatse, eto Botswana, aho tamin’ny 1979. Nipetraka taman’olona aho mandra-pahavitan’ny fianarako. Niasa tao amin’ny garazy iray aho tatỳ aoriana. Nino aho fa tsy manome izay ilain’ny olona Andriamanitra. Nihevitra àry aho hoe tokony hanao izay rehetra azonao atao ianao, na tsara na ratsy, mba hivelomana.

Natokisan’ny mpampiasa aho, ka nohararaotiko izany mba hangalarana entana tao am-piasana. Rehefa nisy lamasinina nandalo koa tamin’ny alina, dia nitsofoka tao izahay sy ny namako, ka naka izay azonay nalaina. Lasa nanondrana an-tsokosoko diamondra sy volamena ary halimo koa aho. Lasa nifoka rongony aho, nahery setra be ary niaraka tamin’ny lehilahy maro.

Tratra nangalatra aho tamin’ny 1993, ka voaroaka tamin’ny asako. Tsy niaraka tamiko intsony ny namako, satria natahotra sao ho tratra koa. Nalahelo be àry aho ka tsy natoky olona intsony.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nihaona tamin’i Tim sy Virginia aho tamin’ny 1994. Misionera Vavolombelon’i Jehovah izy mivady, ary nampianariny Baiboly aho. Efa nahita asa hafa aho tamin’izay, ka tany am-piasana izahay no nianatra, ary nandritra ny fiatoana. Hitako tatỳ aoriana fa azo atokisana ry zareo, ka nasaiko nampianatra ahy tany an-trano.

Tsy ela dia fantatro fa nila niova aho raha te hampifaly an’Andriamanitra. Nianarako tao amin’ny 1 Korintianina 6:9, 10, ohatra, fa ‘tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra ny mpijangajanga, mpangalatra, olona manana faniriana tsy mety afa-po, mpimamo, mpanevateva, ary mpanao an-keriny.’ Nialako àry ny zava-dratsy fanaoko. Tsy nangalatra intsony aho sady tsy niaraka tamin’ireo jiolahy namako taloha. Nahavita nisaraka tamin’ireo lehilahy niarahako koa aho, noho ny fanampian’i Jehovah.

NY SOA NORAISIKO: Niezaka mafy aho, ka lasa tsy mora tezitra ary tsy milelalela amin’ny zanako intsony, isaky ny misy zavatra mahasosotra ahy. (Efesianina 4:31) Miezaka ny halemy fanahy aho rehefa miresaka amin’izy ireo. Nisy vokany tsara izany satria lasa mifankatia kokoa izahay.

Hitan’ny namako sy ny mpiray tanàna amiko fa lasa azo atokisana aho. Lasa olona manao ny marina aho, ka tsy atahoran’ny mpampiasa hangalatra entana na vola. Mahavita mamelon-tena tsara àry aho, sady afaka mampiasa ny ankamaroan’ny fotoanako hampianarana Baiboly. Tena manaiky an’ity Ohabolana 10:22 ity aho: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena ary tsy ampiany fahoriana izany.”

MOMBAMOMBA AZY

ANARANA: GLORIA DE CHOPERENA

TAONA: 37

FIRENENA: MEKSIKA

FIAINANY TALOHA: NANANDRANA NAMONO TENA

NY FIAINAKO TALOHA: Tany Naucalpan aho no nipetraka taloha. Tanàna manankarena ao amin’ny Fanjakan’i Mexico izy io. Mbola kely aho dia efa naditra be, ary tia nandeha tamin’ny fety. Nanomboka nifoka sigara aho tamin’izaho 12 taona, nisotro toaka tamin’izaho 14 taona, ary nifoka rongony tamin’izaho 16 taona. Tsy nipetraka tao an-trano intsony aho, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Ankizy nampijalin’ny olona tao an-tranony no mba namako. Tsy tiako intsony ny fiainako, ka indroa aho no nanandrana namono tena.

Nanomboka niasa aho tamin’izaho 19 taona. Lasa mpilatro aho, ary nifanerasera tamin’ny mpanao politika sy olo-malaza hafa. Nanambady aho tatỳ aoriana ary niteraka. Izay tiako foana anefa no natao tao an-trano. Mbola nifoka sigara sy nisotro toaka koa aho, ary nandany fotoana be tamin’ilay asako. Tia niteny ratsy sy nanao vazivazy vetaveta aho, ary tena mora tezitra.

Nitovitovy tamin’izany daholo ny ankamaroan’ny namako. Nihevitra izy ireo hoe tsy nisy nahory ahy, nefa hitako fa mbola tsy nisy dikany ny fiainako.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho tamin’ny 1998. Lasa nanantena hoavy tsara àry aho. Nianarako mantsy fa hanova ny tany ho paradisa i Jehovah Andriamanitra, ary hanangana ny maty. Fantatro koa fa mety hahita an’izany rehetra izany aho.

Nianarako fa mila mankatò an’Andriamanitra aho raha tena tia azy. (1 Jaona 5:3) Sarotra be tamiko izany tamin’ny voalohany, satria tsy nanaiky hobaikoin’iza na iza mihitsy aho. Niaiky ihany anefa aho tatỳ aoriana fa tsy afaka ny hitondra samirery ny fiainako foana. (Jeremia 10:23) Nivavaka tamin’i Jehovah àry aho mba hanampy ahy hankatò azy, sy hampianatra ny zanako tsy hanao toy ny nataoko.

Tena mafy tamiko ny niova. Narahiko anefa ilay torohevitra ao amin’ny Efesianina 4:22-24 hoe: ‘Esory ny toetranareo taloha, izay mifanaraka amin’ny fitondran-tenanareo fahiny, ka tafio ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy tsy fivadihana.’ Mba hitafiana ny toetra vaovao àry, dia tsy maintsy nialako ny fanao mandoto ny vatana, toy ny fifohana sigara. Nila niezaka tsy hiteny ratsy intsony koa aho. Efa ho telo taona vao vitako izany. Afaka natao batisa aho avy eo, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Niezaka nanao tsara ny andraikitro tao an-tokantrano koa aho. Narahiko ny torohevitra ao amin’ny 1 Petera 3:1, 2 hoe: “Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo mba ho voataonanareo tsy amin’ny teny izy, raha misy tsy mankatò ny teny masina, fa amin’ny fitondran-tena kosa, noho izy mahita ny fitondran-tena madio anananareo, sy ny fanajana lalina asehonareo.”

NY SOA NORAISIKO: Tena misaotra an’i Jehovah aho satria lasa misy dikany ny fiainako. Nihatsara ny toetrako ka afaka mitaiza tsara ny zanako aho. Malahelo be aho indraindray noho ny zavatra nataoko. Fantatr’i Jehovah anefa ny ato am-poko. (1 Jaona 3:19, 20) Soa ihany aho fa nankatò azy, satria tsy potika ny fiainako ary milamin-tsaina aho.

MOMBAMOMBA AZY

ANARANA: JAILSON DE OLIVEIRA

TAONA: 33

FIRENENA: BREZILA

FIAINANY TALOHA: MPISOTRO TOAKA SY MPIFOKA RONGONY

NY FIAINAKO TALOHA: Teraka tao amin’ny tanànan’i Baģe, eto Brezila, aho. Eo amin’ny sisin-tany manasaraka an’i Brezila sy Orogoay no misy azy io, ary misy mponina 100 000 eo ho eo ao. Mpamboly sy mpiompy ny ankamaroan’ny olona any Baģe. Nahantra ny faritra nisy anay, ka feno andian-jiolahy nahery setra sy tanora mpisotro toaka sady mpifoka rongony.

Lasa nisotro toaka aho rehefa tsy nianatra intsony. Nifoka rongony koa aho ary tia nihaino rock mavesatra. Lasa tsy nino an’Andriamanitra aho, rehefa nahita ny fijaliana sy ny korontana eran-tany.

Mpitendry gitara aho sady mpamoron-kira. Namaky ny bokin’ny Apokalypsy aho matetika, ka ny hevitra ao no nataoko hira. Tsy nalaza araka ny nantenaiko anefa ny tarika noforoniko, ka vao mainka aho nifoka rongony mahery. Tsy nampaninona ahy na ho fatin’ny rongony aza aho, satria izany no nahafaty ny mpihira sasany tena tiako.

Nindram-bola tamin’ny bebeko nitaiza ahy aho, mba hividianana rongony. Nandainga aho rehefa nanontaniany hoe hataoko inona ilay izy. Vao mainka nanao zava-dratsy aho, satria lasa tia nifandray tamin’ny Devoly. Nieritreritra mantsy aho hoe hanampy ahy hamorona hira tsara kokoa izany.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, ary nivavaka tany amin’izy ireo. Nahasoa ahy izany. Lasa nankafy ny fiainana aho, ary te ho sambatra. Notapahiko àry ny voloko. Nohalavaiko mantsy izy io mba hampisehoako fa nisy zavatra nahasosotra ahy. Nianarako koa fa tokony hiala tamin’ny toaka sy rongony ary sigara aho, mba hampifaliana an’Andriamanitra. Nila nanova ny karazana mozika tiako koa aho.

Tamin’izaho nandeha voalohany tany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nahita andinin-teny teo amin’ny rindrin’ilay efitrano fivavahany aho. Ny Ohabolana 3:5, 6 izy io, ary manao hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.” Nosaintsainiko ireo, ka lasa natoky aho fa vonona hanampy ahy i Jehovah, saingy miankina amiko izany.

Mafy tamiko ny nanova ny fiainako sy niala tamin’ny toaka sy rongony. Toy ny hoe nasaina nanapaka ny tanako aho. (Matio 18:8, 9) Niezaka niova tsikelikely aho saingy tsy vitako ilay izy. Naleoko àry nialana indray miaraka ny zava-dratsy rehetra fanaoko. Nohalaviriko koa izay toerana sy olona mety hahatonga ahy ho resin’ny fakam-panahy indray.

Niezaka ny ho faly aho isaky ny naharesy fakam-panahy, fa tsy nifantoka tamin’ny zavatra nahakivy. Fantatro fa mendri-kaja eo imason’i Jehovah ny olona, rehefa madio sy tsara fitondran-tena ary miezaka ny ho masina. Nivavaka taminy aho mba hanampiany ahy tsy hieritreritra ny lasa intsony, fa hijery ny hoavy. Novaliany ilay vavaka nataoko. Marina fa mbola niverina nisotro sy nifoka aho indraindray, ary mbola nalemilemy rehefa tonga tao amiko ilay olona nampianatra ahy. Tsy nanaiky anefa aho raha tsy nianatra.

Hitako fa marina izay lazain’ny Baiboly momba an’Andriamanitra. Nianarako, ohatra, fa miahy antsika tsirairay izy, mitahy ny asa fitoriana eran-tany, ary hanafoana ny fivavahan-diso. (Matio 7:21-23; 24:14; 1 Petera 5:6, 7) Nanokan-tena ho an’Andriamanitra aho tatỳ aoriana, satria faly be noho ny zava-drehetra nataony tamiko.

NY SOA NORAISIKO: Misy dikany izao ny fiainako. (Mpitoriteny 12:13) Tsy manararaotra ny havako intsony aho fa manampy azy ireo kosa. Nampianariko Baiboly, ohatra, ny bebeko ka nanokan-tena ho an’i Jehovah. Lasa Vavolombelona koa ny havanay sasany, sy ny olona iray tao amin’ilay tarika nisy ahy.

Efa manambady aho izao. Mampianatra Baiboly no tena ataonay mivady. Nahazo fitahiana lehibe aho, satria lasa ‘matoky an’i Jehovah amin’ny foko manontolo.’

[Teny notsongaina, pejy 29]

“Lasa nankafy ny fiainana aho, ary te ho sambatra”