Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy any Bénin

Fa Inona àry ity Nataoko!

Fa Inona àry ity Nataoko!

MARAINA ny andro tamin’izay. Hita mihitsy hoe atỳ Afrika Andrefana aho. Manitra erỳ ny vary sy saosy. Dia ireny misy vehivavy mandalo miloloha entana mavesatra be. Sady mahare olona tapa-tsinay ianao no maheno feon’olona miady varotra. Vetivety dia migaingaina be ny andro.

Vao mahita Yovo, na vazaha, ny ankizy dia mihira sy mandihy. Izany koa no nataon’izy ireo tamiko. Hoatr’izao no fiandohan’ilay hira: “Yovo, Yovo, bon soir.” Dia izao no fiafarany: “Mba manomeza kely amin’izay e!” Nisy ankizilahikely iray anefa tsy nihira. Narahiny aho dia nanao fihetsika tamin’ny tanany izy. Hoatran’ny hoe tenin’ny tanana ilay izy. Efa nianatra ny litera amin’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina ihany aho tany Etazonia, saingy miteny frantsay ny olona atỳ Bénin.

Sahirana aho nanao ny litera valo amin’ny anarako tamin’ny tenin’ny tanana. Nitsikitsiky erỳ ilay ankizilahy. Notantanany nankany an’elakela-trano ho any aminy aho. Biriky simenitra ny tranony ary misy efitra roa. Nitangorona izy mianakavy rehefa tonga aho ary samy nanao tenin’ny tanana. Hoy aho anakampo: ‘Inona re no hataoko e?’ Nataoko tamin’ny tenin’ny tanana ny anarako. Nosoratako avy eo hoe misionera mampianatra Baiboly aho ary hiverina amin’ny manaraka. Nisy olona mandre koa tonga teo, ary nihatokatoka erỳ rehefa nilazako izany. Nieritreritra anefa aho hoe: ‘Fa inona àry ity nataoko!’

Nieritreritra aho tany an-trano hoe: ‘Tokony mba hisy olona any ho any, afaka hampianatra azy ireo ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe: “Hatao mandre ny sofin’ny marenina.”’ (Isaia 35:5) Hitako tamin’ny fikarohana fa 12 000 no fantatra hoe marenina sy tsy dia mandre tsara atỳ Bénin. Gaga be aho fa hay tsy Tenin’ny Tanana Frantsay no ampiasain’ny ankizy marenina any am-pianarana, fa Amerikanina. Tsy mba misy mahay azy io anefa ny Vavolombelon’i Jehovah eto. Sady nisento aho no nilaza tamin’ny Vavolombelona iray hoe: “Enga anie mba hisy olona mahay Tenin’ny Tanana Amerikanina ho tonga eto!” Dia hoy izy: “Angaha moa ianao tsy efa eto?” Marina ny azy. Nanafatra boky sy DVD tamin’ny tenin’ny tanana navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah àry aho, dia nampiana-tena. Nivaly koa ny vavaka nataoko satria nisy Vavolombelona mahay Tenin’ny Tanana Amerikanina avy any Cameroun tonga tatỳ Bénin.

Lasa nalaza be hoe nianatra tenin’ny tanana aho. Nasain’ny olona nitsidika an’i Brice aho. Mpanao hoso-doko izy ary nanana toeram-piasana vita tamin’ny ravina palmie. Nangatsiatsiaka erỳ tao rehefa mafana be ny andro. Milokoloko be ny rindriny, satria teo foana izy no nanadio ny borosy fandokoany nandritra ny taona maro. Namafa seza bory roa izy, dia niandry ahy hanomboka. Nandefa DVD tamin’ny fitaovana kely nentiko aho. Nampanatoniny akaikikaiky ny sezany, dia nanao tenin’ny tanana izy hoe: “Mazava! Mazava!” Nitangorona ny ankizy sady nanalava hatoka mihitsy mba hahita tsara. Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Fa maninona ry zareo no mijery filma tsy misy feo?”

Nihamaro foana ny olona nitangorona teo amin’ilay fandefasana DVD isaky ny niverina tany amin’i Brice aho. Tsy ela dia nivory tany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Brice sy ny namany sasany. Nihanahay aho rehefa nandika teny ho azy ireo. Nihamaro foana izy ireo ary ny sasany aza nitady ahy mihitsy. Nandeha fiara, ohatra, aho indray andro. Nisy osy sy kisoa nirenireny anefa teny amin’ny arabe ka niala azy ireo aho dia latsaka tao anaty lavaka. Efa somary reradreraka ihany ilay fiara ka niraondraona tsy tafala tao. Nisy zavatra nipoaka be tampoka avy eo tany aoriana. ‘Aza hitako ka nisy zavatra simba indray!’, hoy aho. Hay lehilahy marenina nihazakazaka nanatratra ny fiarako ilay izy. Tena tiany ho hitako izy ka nodoniny mafy be ny fiarako.

Lasa nisy antoko-mpitory mampiasa Tenin’ny Tanana Amerikanina tany amin’ny tanàna hafa. Nanjary nisy fivoriambe tamin’ny tenin’ny tanana àry isan-taona, ka nasaina nandika teny aho. Nahatsiaro an’ilay fotoana nanombohako nanao misionera aho, rehefa teny amin’ny lampihazo, niandry an’ilay mpandahateny hanomboka. Nieritreritra foana aho taloha hoe: ‘Inona koa re no mba azoko atao atỳ Afrika e?’ Tonga saina aho, rehefa nijery ny mpanatrika, hoe hay tonga mba ho misionera hanampy ny marenina aho. Tsy miteny intsony aho izao hoe: ‘Fa inona àry ity nataoko!’