Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Inona no antony hiverenan’i Kristy?

Niakatra tany an-danitra i Jesosy Kristy, tamin’ny taona 33, ary nampanantena izy fa mbola hiverina. Nilaza izy fa toy ny andriandahy nankany an-tany lavitra ny tenany, ary niverina rehefa avy nahazo fahefana hanjaka. Ny hanjaka amin’ny olombelona àry no antony hiverenan’i Jesosy, ary hahomby ny fitondrany.—Vakio ny Lioka 19:11, 12.

Hanjaka amin’ny olombelona i Jesosy, ary hahomby ny fitondrany

Hita maso ve ny fiverenan’i Kristy? Lasa fanahy izy rehefa natsangana tamin’ny maty. (1 Petera 3:18) Nankany an-danitra izy avy eo ary nipetraka teo ankavanan’i Jehovah Andriamanitra. (Salamo 110:1) Nasaina nankeo anatrehan’i Jehovah, ilay “Efa Nisy Hatry ny Ela Be”, i Jesosy tatỳ aoriana, ary nomena fahefana mba hitondra ny olombelona. Ho Mpanjaka tsy hita maso àry izy rehefa hiverina, fa tsy olona nofo aman-dra.—Vakio ny Daniela 7:13, 14.

Inona no hataon’i Jesosy rehefa tonga izy?

Hitsara ny olona izy rehefa tonga miaraka amin’ny anjeliny. Horinganiny ny ratsy fanahy, fa homeny fiainana mandrakizay kosa ireo manaiky azy ho Mpanjaka.—Vakio ny Matio 25:31-33, 46.

Hanova ny tany ho paradisa i Jesosy rehefa hanjaka. Hatsangany koa ireo maty, ka ho afaka hankafy fiainana ao amin’ny Paradisa eto an-tany.—Vakio ny Lioka 23:42, 43.