Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | AZO ATAO VE NY MINAMANA AMIN’ANDRIAMANITRA?

Tsy Misy Zavatra Tsara Noho Izany!

Tsy Misy Zavatra Tsara Noho Izany!

Efa hitantsika hoe ireto ny zavatra sasany tokony hatao raha te ho naman’Andriamanitra:

  1. Mamantatra ny anarany hoe Jehovah ary mampiasa an’izany

  2. Mifampiresaka aminy tsy tapaka, izany hoe mivavaka aminy sy mianatra Baiboly

  3. Manao an’izay ankasitrahany foana

Ho lasa naman’Andriamanitra ianao raha mampiasa ny anarany, mivavaka aminy, mianatra ny Teniny, ary manao izay asainy atao

Rehefa avy nandinika an’ireo ianao, hitanao ve hoe efa miezaka ny ho akaiky an’Andriamanitra ianao? Sa mbola misy zavatra mila hatsarainao amin’ireo? Marina aloha fa ilaina ny miezaka, nefa misy vokany tsara ilay izy.

Hoy i Jennifer, any Etazonia: “Tsy hanenina mihitsy ianao raha miezaka ho naman’Andriamanitra. Hahazo fitahiana be dia be ianao, ohatra hoe lasa matoky kokoa azy, lasa mahafantatra kokoa ny toetrany, ary indrindra indrindra lasa tia azy kokoa. Tsy misy zavatra tsara noho izany!”

Afaka manampy anao ho akaiky an’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka mampianatra Baiboly anao maimaim-poana izy ireo. Asaina koa ianao hiara-mivory amin’izy ireo any amin’ny efitrano fivoriany eny akaikinareo. * Ho faly ianao any satria hiaraka amin’ny olona maro mifandray tsara amin’Andriamanitra. Hitovy hevitra amin’ny mpanao salamo ianao amin’izay. Hoy izy: “Izaho kosa, dia ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara amiko.”—Salamo 73:28.

^ feh. 9 Raha te hangataka hianatra Baiboly ianao na te hitady toerana fivoriana eny akaikinareo, dia miresaha amin’izay nanome anao an’ity gazety ity, na midira ao amin’ny www.mt711.com/mg, ary jereo eo ambanin’ilay hoe HIFANDRAY AMINAY, eny amin’ny farany ambany.