Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

Namaly ny Fanontaniako Rehetra ny Baiboly

Namaly ny Fanontaniako Rehetra ny Baiboly
  • TERAKA: 1987

  • FIRENENA: AZERBAÏDJAN

  • FIAINANY TALOHA: SILAMO NY RAINY ARY JIOSY NY RENINY

NY FIAINAKO TALOHA:

Teraka tany Bakou, any Azerbaïdjan, aho. Mirahavavy izahay ary izaho no zandriny. Silamo i Dada ary Jiosy i Neny. Nifankatia i Dada sy Neny ka tsy nampaninona azy roa na dia samy hafa aza ny fivavahany. Nanohana an’i Dada i Neny rehefa nifady hanina izy nandritra ny Ramadany. Nanohana an’i Neny koa i Dada rehefa nankalaza ny Paska i Neny. Nanana Kôrana sy Torah (boky misy lalàna jiosy) ary Baiboly izahay tao an-trano.

Silamo no niheverako ny tenako. Nino aho hoe misy Andriamanitra nefa betsaka ny zavatra tsy nazava tamiko. Nieritreritra aho hoe: ‘Maninona Andriamanitra no namorona antsika, ary maninona no misy olona mijaly mandritra ny androm-piainany nefa mbola hijaly mandrakizay koa any amin’ny afobe?’ Milaza ny olona hoe sitrapon’Andriamanitra izay rehetra mitranga. Lasa saina àry aho hoe: ‘Ataon’Andriamanitra ve izany izay hampisy olana eo amin’ny fiainan’ny olona, dia avy eo izy faly erỳ mijery azy ireo mijaly?’

Nanomboka nanao vavaka silamo indimy isan’andro aho, tamin’izaho 12 taona. Nalefan’i Dada nianatra tany amin’ny sekoly jiosy izahay mirahavavy tamin’izany. Nianatra ny Torah sy nianatra teny hebreo izahay, ankoatra ny taranja hafa. Nanao vavaka jiosy izahay isan’andro, alohan’ny hianarana. Vao maraina àry aho dia nanao vavaka silamo tao an-trano, ary avy eo niara-nanao vavaka jiosy tamin’ny ankizy tany am-pianarana.

Tena te hahazo valim-panontaniana mahafa-po aho. Imbetsaka aho no nanontany mpitondra fivavahana jiosy tany am-pianarana hoe: “Nahoana Andriamanitra no namorona ny olona? Ahoana no fiheverany ny dadako? Izy mantsy Silamo. Olona mahafinaritra izy, koa maninona no lazaina fa maloto? Inona fotsiny no namoronan’Andriamanitra azy?” Zara raha nahazo valiny aho, nefa koa tsy mazava ilay izy sady tsy mandresy lahatra.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Lasa tsy nino an’Andriamanitra aho, nanomboka tamin’ny 2002. Vao nifindra tany Alemaina izahay tamin’izay, nefa herinandro taorian’izay dia tapaka lalan-dra i Dada ary tsy nahatsiaro tena. Efa an-taonany maro aho no nivavaka mba ho salama foana ny fianakaviako. Niangaviako isan’andro ilay Andriamanitra Mahery Indrindra mba hiaro an’i Dada tsy ho faty, satria resy lahatra aho hoe izy irery no mahavita an’izany. Nieritreritra aho hoe: ‘Mora amin’Andriamanitra ny manao an’izany, sady tena vokatry ny foko ilay izy. Ankizivavikely hoatr’ahy ve dia tsy hohenoiny?’ Nino aho hoe hanaiky ny fiangaviako izy. Maty ihany anefa i Dada.

Kivy be aho satria toa tsy miraharaha ahy mihitsy Andriamanitra. Lasa saina aho hoe: ‘Tsy nety angamba ny vavaka nataoko, na Andriamanitra no tsy misy.’ Tsy nahavita nanao an’ilay vavaka silamo intsony aho. Tsy azoazoko koa ny fivavahana hafa, ka nanatsoaka hevitra aho hoe tsy misy Andriamanitra.

Nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao aminay, enim-bolana taorian’izay. Tsy tena tia Fivavahana Kristianina izahay mirahavavy, ka niezaka hahalala fomba fotsiny sady nampiseho tamin’izy ireo hoe diso izy ireo. Nanontanianay izy ireo hoe: “Maninona ny Kristianina no mivavaka amin’i Jesosy, lakroa, Maria, ary zavatra hafa, nefa voararan’ny Didy Folo izany?” Nasehon’ireo Vavolombelona anay avy tao amin’ny Baiboly fa tsy mahazo mivavaka amin’ny sampy ny tena Kristianina, ary Andriamanitra irery no tokony hivavahana. Gaga be aho!

Hoy indray izahay: “Ary ahoana ny Andriamanitra telo izay iray? Raha Andriamanitra i Jesosy, nahoana izy no niaina teto an-tany sy azon’ny olona novonoina?” Nohazavain’izy ireo avy tao amin’ny Baiboly koa àry hoe tsy Andriamanitra i Jesosy sady tsy mitovy amin’Andriamanitra. Nilaza ireo Vavolombelona fa izany no antony tsy inoan’izy ireo ny Andriamanitra telo izay iray. Taitra be aho ary nieritreritra hoe: ‘Mba Kristianina hafahafa koa ireto!’

Tiako ho fantatra koa hoe nahoana ny olona no maty ary nahoana Andriamanitra no mamela antsika hijaly. Nasehon’ireo Vavolombelona ahy àry ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. * Misy toko maro mamaly ny fanontaniako ao. Tonga dia nampianarin’izy ireo Baiboly aho.

Voavaly tsara foana ny fanontaniako isaky ny nianatra Baiboly aho. Lasa fantatro hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Ny fitiavana tsy mitady valiny no tena toetrany. (1 Jaona 4:8) Namorona ny olona izy satria tiany hankafy fiainana izy ireo. Ankahalainy ny tsy rariny, ary hofoanany tsy ho ela izany na dia mbola avelany hisy aza aloha. Nianarako fa nitondra loza ho an’ny olombelona ny fikomian’i Adama sy Eva. (Romanina 5:12) Anisan’izany loza izany ny fahafatesana, toy ny nahazo an’i Dada. Hiova anefa izany ao amin’ny tontolo vaovao satria hatsangan’Andriamanitra ny maty.—Asan’ny Apostoly 24:15.

Nahafa-po ahy ny fanazavan’ny Baiboly. Lasa nino an’Andriamanitra indray aho. Rehefa fantatro tsara ny Vavolombelon’i Jehovah, dia hitako hoe fianakaviambe maneran-tany izy ireo. Nampiaiky ahy ny nahita azy ireo miray saina sy mifankatia. (Jaona 13:34, 35) Lasa te hanompo an’i Jehovah aho rehefa nianatra momba azy. Nanapa-kevitra ho tonga Vavolombelon’i Jehovah àry aho ka natao batisa ny 8 Janoary 2005.

NY SOA NORAISIKO:

Nandresy lahatra ahy ny fanazavan’ny Baiboly, ka niova tanteraka ny fahitako ny fiainana. Lasa nilamin-tsaina aho. Mampanantena koa ny Baiboly hoe hatsangana ny maty. Mahafaly sy mampahery be ahy izany satria manantena aho fa hihaona amin’i Dada indray.—Jaona 5:28, 29.

Nanambady an’i Jonathan, lehilahy matahotra an’Andriamanitra, aho enin-taona lasa izay, ary sambatra am-panambadiana. Nianaranay hoe tsotra sady mitombina ny fahamarinana momba an’Andriamanitra nefa tena sarobidy. Izany no mahatonga anay ho faly mitory momba ny zavatra inoanay sy antenainay. Fantatro izao fa tsy “hafahafa” ny Vavolombelon’i Jehovah fa tena Kristianina.

^ feh. 15 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.