Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

Lasa Fantatro hoe Mamela Heloka i Jehovah

Lasa Fantatro hoe Mamela Heloka i Jehovah
  • TERAKA: 1954

  • FIRENENA: KANADA

  • FIAINANY TALOHA: MPANAO HOSOKA, SADY MPILOKA

NY FIAINAKO TALOHA:

Nihalehibe tany amin’ny faritra mahantra iray eto Montréal aho. Maty dadanay tamin’izaho enim-bolana, dia i Neny irery sisa no nitaiza anay. Valo mianadahy izahay, ary izaho no farany.

Zava-mahadomelina, loka, herisetra, ary asan-jiolahy no hitako isan’andro rehefa nihalehibe aho. Lasa irakiraky ny mpivaro-tena sy ny mpanjana-bola aho, tamin’izaho folo taona. Matetika aho no nandainga, ary nahafinaritra ahy ny nanambaka olona. Tsy azoko mihitsy ny aiko raha tsy namitaka olona aho.

Lasa nahay nanambaka olona be aho, tamin’izaho 14 taona, ka nampiasa tetika isan-karazany. Nividy famantaranandro sy brasele ary kavina be dia be nasiana takela-bolamena, ohatra, aho. Nasiako hoe 14 karà izy rehetra, dia avy eo namidiko teny an-dalana sy teny amin’ny fijanonan’ny fiara, any amin’ireny toeram-pivarotana lehibe ireny. Faly erỳ aho fa mahazo vola nefa tsy misahirana be akory. Indray mandeha aza aho nahazo 10 000 dolara be izao, tao anatin’ny iray andro!

Tsy nanana trano nipetrahana aho, tamin’izaho 15 taona, satria voaroaka avy tany amin’ny fitaizana zaza maditra. Natory teny an-dalana sy teny amin’ny zaridainam-panjakana àry aho, na tany an-tranon’ny namako.

Matetika aho no nanontanintanian’ny polisy, noho ireo zavatra maizimaizina nataoko. Tsy mbola nigadra mihitsy anefa aho satria tsy nivarotra halatra. Imbetsaka kosa aho no nandoa lamandy be. Nanao hosoka sy namitaka olona mantsy aho, ary nivarotra nefa tsy nahazo alalana. Izaho mihitsy aza no nitaky ny volan’ireo mpanjana-bola tany aman’olona, satria tsy natahotra na iza na iza aho. Nampidi-doza anefa ny nanao an’izany, ka matetika aho no nitondra basy. Nisy fotoana aza aho niara-niasa tamin’ny fikambanan-jiolahy.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Niara-nipetraka izahay sy ny sipako, tamin’izaho 17 taona. Tamin’izay aho vao mba nahita Baiboly, satria nampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Tsy tiako anefa ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny fitondran-tena, ka nisarahako izy dia nifindra tany amin’ilay sipako anankiray aho.

Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ilay vehivavy. Gaga aho fa lasa tsara fanahy sy nandefitra kokoa izy. Nanaiky aho rehefa nasaina nivory tany amin’ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandray tsara ahy daholo ny olona tany. Tsara fanahy koa ry zareo, madio sy milamina, ary mahalala fomba. Vaovao be tamiko izany! Tsy mba nahatsapa hoe tiana aho, tao an-trano. Tsy nisy olona mba tia sy nanambitamby ahy mihitsy koa tamin’izaho mbola kely. Nahatsapa anefa aho hoe tiana rehefa niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary izany mihitsy no tena nilaiko. Tonga dia nanaiky aho rehefa nasain’izy ireo hianatra Baiboly.

Raha tsy nianatra Baiboly angamba aho, mety ho efa maty hoatr’izay! Izao mantsy: Bokan’ny trosa tamin’ny filokana aho. Efa 50 000 dolara mahery no tokony haloako. Nieritreritra ny hamaky trano àry izaho sy ny namako roa lahy. Soa ihany fa tsy nandeha indray aho. Voasambotra mantsy ny iray tamin’izy roa lahy, fa ny iray kosa maty.

Hitako hoe be dia be ny fiovana tokony hataoko, rehefa nandeha ny fianarako. Lasa haiko, ohatra, ilay voalaza ao amin’ny 1 Korintianina 6:10 hoe: “Na mpangalatra, na olona manana faniriana tsy mety afa-po, na mpimamo, na mpanevateva, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.” Nandini-tena aho teo am-pamakiana an’io, dia nilatsaka ny ranomasoko. Tena nila niova tanteraka aho. (Romanina 12:2) Nahery setra mantsy aho, ary efa zatra nandainga loatra.

Lasa fantatro koa hoe mamela heloka i Jehovah, rehefa nianatra Baiboly aho. (Isaia 1:18) Nivavaka mafy aho, ka niangavy azy mba hanampy ahy hiova. Nanampy ahy izy, ka afaka niova tsikelikely ihany aho. Nisora-panambadiana izahay sy ilay vehivavy niaraka tamiko, ary anisan’ny dingana lehibe nataoko izany.

Efa maty aho hoatr’izay raha tsy nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly

Izaho tamin’izay 24 taona, ary telo ny zanakay. Tsy maintsy nitady asa nanara-dalàna aho. Tsy dia nianatra firy anefa aho, sady tsy nisy olona azo nitokisana afaka nilaza zavatra tsara momba ahy. Nivavaka mafy tamin’i Jehovah indray aho, dia avy eo nandeha nitady asa. Nilaza tamin’izay olona nitadiavako asa aho fa vonona ny hiova, ka hiasa tsara sady hanao ny marina. Hazavaiko indraindray hoe mianatra Baiboly aho, ary te ho lasa olom-pirenena tsara kokoa. Betsaka anefa no tsy nanaiky handray ahy. Farany, dia tonga tao amin’izay rangahy izay aho, ary notantaraiko azy daholo ny fiainako. Hoy izy: “Tsy fantatro fa hoatran’ny hoe misy zavatra manery ahy izany, handray anao hiasa ato amiko.” Mino aho fa valim-bavaka iny. Natao batisa izahay mivady, tatỳ aoriana.

NY SOA NORAISIKO:

Efa maty aho hoatr’izay raha tsy nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly sy tsy niezaka ho tsara fitondran-tena. Faly aho izao fa manam-bady aman-janaka, sady tena mifankatia izahay. Tsapako koa hoe tena namela ny heloko i Jehovah, ary tsy enjehin’ny eritreritro intsony aho.

Efa 14 taona izay aho no nanokana 70 ora isam-bolana mba hampianarana Baiboly. Nanomboka nanao an’izany koa ny vadiko, vao haingana. Tato anatin’ny 30 taona, dia 22 ny mpiara-miasa amiko nampiako mba hanompo an’i Jehovah. Mbola mankeny amin’ny toeram-pivarotana lehibe ihany aho. Tsy hanambaka olona intsony anefa no ataoko eny, fa hiresaka amin’izy ireo momba ny zavatra inoako. Tiako mantsy izy ireo raha mahafantatra hoe afaka ny hiaina ao amin’ny tontolo vaovao izy ary tsy hisy mpanambaka olona intsony amin’izany.—Salamo 37:10, 11.