Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | MANAHY BE LOATRA VE IANAO?

Manahy Momba ny Vola

Manahy Momba ny Vola

Hoy i Paul, manambady sady manan-janaka roa: “Nisondrotra be ny vidim-piainana ka zara raha nisy sakafo sady nidangana be koa ny vidiny. Nilahatra ela be izahay nefa matetika no mbola tsy tonga akory ny anjaranay, dia efa tsy nisy sakafo intsony. Nahia kely ny olona ary nisy aza nianjera fotsiny teny an-dalana. Niakatra an-tapitrisany koa ny vidin’ny zavatra ilaina andavanandro, ary avy eo lasa an’arivony tapitrisa mihitsy. Tsy nisy dikany intsony ny sandam-bolanay tamin’ny farany, ka foana ny kaontiko tany amin’ny banky sy ny vola fiantohana ary ny fisotroan-drononoko.”

Paul

Fantatr’i Paul hoe mila “fahendrena” izy mba hamelomana ny fianakaviany. (Ohabolana 3:21) Hoy izy: “Mpandraharaha tamin’ny resaka elektrisite aho, nefa nataoko daholo izay asa hitako na kely karama aza. Sakafo na zavatra ilaina ao an-trano no karamako indraindray. Rehefa mahazo baran-tsavony efatra, ohatra, aho, dia namidiko ny roa fa nampiasainay kosa ny roa. Nahazo akohokely 40 aho tatỳ aoriana. Namidiko izy ireo rehefa lehibe, ka nividy akoho kely 300 aho. Natakaloko koban-katsaka roa kitapo (50 kg tsirairay) ny akoho 50. Ireo koban-katsaka ireo no nivelomanay mianakavy sy ny fianakaviana maromaro, nandritra ny fotoana elaela.”

Takatr’i Paul koa fa tena ilaina ny miantehitra amin’Andriamanitra. Raha manaraka ny didiny isika dia hampiany. Hoy i Jesosy momba ny zavatra tena ilaintsika: “Aza be fanahiana intsony. ... Ny Rainareo [mantsy] mahalala fa mila izany ianareo.”—Lioka 12:29-31.

Mampalahelo fa vitan’i Satana, ilay fahavalon’Andriamanitra, ny nitarika ny ankamaroan’ny olona tsy hieritreritra afa-tsy ny fitadiavana. Manahy be loatra izy ireo, ary tsy tena ilainy akory ny zavatra sasany nefa miezaka mafy erỳ izy ireo mba hahazo an’ilay izy. Betsaka no nidi-trosa, ka efa voa vao tonga saina hoe “izay misambo-bola dia mpanompon’ilay mampisambotra.”—Ohabolana 22:7.

Tsy nety ny fanapahan-kevitry ny olona sasany. Hoy i Paul: “Betsaka no nandao ny fianakaviany sy ny namany, ka ‘nila ravinahitra’ tany ivelany. Nisy aza nandeha nefa tsy ara-dalàna ny taratasiny ka tsy nahita asa mihitsy. Nandositra polisy izy ireo matetika sady teny an-dalana no natory. Tsy mba navelany hanampy azy Andriamanitra. Tapa-kevitra ny hiara-miatrika an’ilay olana kosa izahay mianakavy sady niantehitra tamin’Andriamanitra.”

ARAHO NY TOROHEVITR’I JESOSY

Hoy ihany i Paul: “Nilaza i Jesosy hoe: ‘Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany. Ampy ho an’ny andro tsirairay ny ratsy mitranga eo aminy.’ Nivavaka àry aho isan’andro hoe ‘omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio’, mba ho velona izahay mianakavy. Nanampy anay tokoa Andriamanitra, araka ny tenin’i Jesosy. Tsy hoe mahazo izay tianay foana anefa izahay. Nilahatra hividy sakafo, ohatra, aho indray mandeha, nefa tsy fantatro hoe inona no tao. Hay yaorta ilay izy! Izaho anefa tsy tia yaorta. Izay anefa no nisy, dia iny no nohaninay ny alin’iny. Misaotra an’Andriamanitra aho satria tsy nandry fotsy mihitsy izahay tamin’ireny fotoana ireny.” *

Nampanantena Andriamanitra hoe: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.”—Hebreo 13:5

“Marina fa tsy dia sahirana ara-bola izahay izao. Nianaranay tamin’ireny anefa hoe rehefa misy zavatra mampanahy, dia ny miantehitra amin’Andriamanitra ihany no fanafodiny. Hanampy antsika foana i Jehovah * raha mbola manao ny sitrapony koa isika. Marina mihitsy ny Salamo 34:8 hoe: ‘Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah. Sambatra ny olona mialoka aminy.’ Tsy matahotra ho tratran’ny olana ara-bola intsony àry izahay.

Omen’Andriamanitra ny “hanina sahaza” azy isan’andro ny olona mino azy

“Fantatray tsara izao hoe ny sakafo no mahavelona, fa tsy asa na vola. Tsy andrinay mihitsy ny hahatanterahan’ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe: ‘Hahavokatra be ny tany.’ Mandra-pahatongan’izany anefa, dia hianina amin’ny ‘hanina sy fitafiana ary fialofana’ efa anananay izahay. Nampahery anay ilay andinin-teny hoe: ‘Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola, fa aoka ianareo hianina amin’izay efa eo. Fa hoy izy: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.” Koa be herim-po àry isika, ka milaza hoe: “Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho.” ’ ” *

Tena ilana finoana ny ‘miara-mandeha amin’Andriamanitra’, toy ny ataon-dry Paul mianakavy. (Genesisy 6:9) Raha sahirana ara-bola ianao izao na amin’ny hoavy, dia tena niana-javatra avy tamin’ny finoan’i Paul sy ny fahendreny.

Ary ahoana indray raha mampanahy anao ny olana ao an-tokantranonareo?

^ feh. 10 Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.