Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Nanome Tsiny An’Andriamanitra ve Ianao?

Efa Nanome Tsiny An’Andriamanitra ve Ianao?

NIANJERA tao anaty dobo filomanosana i Sidnei avy any Brezila, tamin’izy 24 taona. Lasa nalemy izy, ka nanjary nampiasa seza misy kodiarana. Nieritreritra foana izy hoe: “Fa nahoana aho no navelan’Andriamanitra ho tratran’izao?”

Mora manome tsiny an’Andriamanitra ny olona rehefa voan’ny loza, na marary, na tratran’ny hetraketraky ny natiora, na maty ny olona tena tiany, na mijaly vokatry ny ady. Tsy vaovao anefa izany. Tratran’ny loza nifanesisesy, ohatra, i Joba, ka nanome tsiny an’Andriamanitra hoe: “Miantso vonjy aminao aho, nefa tsy valianao. Mijoro aho, mba hiheveranao ahy. Manjary masiaka amiko ianao, ary mankahala ahy, ka manohitra ahy amin’ny herinao manontolo.”—Joba 30:20, 21.

Tsy fantatr’i Joba hoe inona no nahatonga azy hijaly, ary nahoana Andriamanitra no tsy nisakana an’izany. Soa ihany fa hazavain’ny Baiboly ny antony mahatonga ny loza toy ireny, sy izay tokony hataontsika rehefa mitranga ilay izy.

TIAN’ANDRIAMANITRA HIJALY VE NY OLONA?

Hoy ny Baiboly momba an’Andriamanitra: ‘Tonga lafatra izay ataony, fa ara-drariny daholo ny lalany. Andriamanitra mendri-pitokisana izy, ary tsy mba manao ny tsy rariny. Marina sy mahitsy izy.’ (Deoteronomia 32:4) Andriamanitra “marina sy mahitsy” àry ve dia hampijaly olona? Izy ve dia handefa loza mba hanasaziana olona na hanitsiana azy ireo?

Milaza ny Jakoba 1:13 hoe: “Rehefa misy fitsapana, dia aoka izy tsy hilaza hoe: ‘Fitsapana avy amin’Andriamanitra izao.’ Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.” Hitantsika ao amin’ny Baiboly fa tsara be ny fiainan’ny olona tamin’ny voalohany. Nomen’Andriamanitra fonenana tsara tarehy izy ireo, ary nomeny an’izay rehetra nilainy sy asa tsara. Hoy Andriamanitra tamin’izy ireo: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany.” Tsy nanana antony hanomezana tsiny an’Andriamanitra mihitsy àry i Adama sy Eva.—Genesisy 1:28.

Tsy tsara be intsony anefa ny fiainana amin’izao, fa mijaly be ny olona. Marina mihitsy ny voalazan’ny Romanina 8:22 hoe: “Mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra mandraka ankehitriny.” Fa nahoana?

NAHOANA NO MISY NY FIJALIANA?

Mila fantarintsika aloha ny niandohany. Nomen’Andriamanitra lalàna momba ny tsara sy ny ratsy i Adama sy Eva, ka tsy navelany hihinana tamin’ilay “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.” Nikomy tamin’Andriamanitra anefa ny anjely iray, ka nitaona azy ireo tsy hankatò. Nantsoina hoe Satana Devoly io anjely io, tatỳ aoriana. Nilaza tamin’i Eva izy fa tsy ho faty izy ireo raha tsy mankatò an’Andriamanitra. Nampangainy hoe mpandainga àry Andriamanitra. Te hilaza koa izy hoe tsy mba mamela ny olona hamaritra izay atao hoe tsara sy ratsy Andriamanitra, ary ho tsara kokoa ny fiainan’ny olona raha tsy Andriamanitra no mitondra azy ireo. (Genesisy 2:17; 3:1-6) Nipoitra àry izao fanontaniana lehibe izao: Mendrika ny hitondra ny olona ve Andriamanitra?

Mbola nisy zavatra hafa koa anefa. Nilaza ny Devoly fa tsy manompo an’Andriamanitra izany ny olona raha tsy misy tombontsoa azony. Hoy izy tamin’Andriamanitra momba an’i Joba: ‘Tsy ianao ve no niaro azy sy ny tranony ary ny fananany rehetra? Fa ahinjiro kosa ny tananao, azafady, ary kasiho ny fananany rehetra, dia jereo raha tsy hanozona anao eo imasonao izy.’ (Joba 1:10, 11) Marina fa i Joba no notenenin’i Satana. Ny olona rehetra anefa no tiany holazainy.

INONA NO NATAON’ANDRIAMANITRA?

Inona no fomba tsara indrindra handaminana tanteraka an’ireo olana ireo? Tena manam-pahendrena Andriamanitra ka izy no nahita ny vahaolana tsara indrindra, ary tsy handiso fanantenana antsika izy. (Romanina 11:33) Navelany hifampitondra ny olona, dia ho voaporofo amin’izay hoe ny fitondran’iza no tena tsara.

Inona no vokany? Mampalahelo be ny zava-misy eto an-tany, ka hita amin’izany fa tsy nahomby ny fitondran’olombelona. Tsy vitan’izy ireo ny nanao izay hahasambatra ny olona sy nampisy fandriampahalemana. Efa mitady ho simba mihitsy koa aza ny tany noho ny ataon’izy ireo. Marina mihitsy ilay voalazan’ny Baiboly hoe: ‘Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ny olona.’ (Jeremia 10:23) Ny fitondran’Andriamanitra ihany no hahatonga ny olona hiadana sy ho sambatra ary tsy hanana ahiahy mandrakizay. Izany mantsy no fikasan’Andriamanitra.—Isaia 45:18.

Inona àry no hataon’Andriamanitra mba hanatanterahana ny fikasany ho an’ny olombelona? Tadidio fa nampianatra ny mpianany hivavaka toy izao i Jesosy: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:10) Amin’ny fotoana voatondrony, dia hampiasa an’io Fanjakana io Andriamanitra mba hanafoana an’izay rehetra mampijaly antsika. (Daniela 2:44) Tsy hisy intsony ny fahantrana sy ny aretina ary ny fahafatesana. Hoy ny Baiboly: ‘Hovonjen’Andriamanitra ny mahantra miantso vonjy.’ (Salamo 72:12-14) Tsy hisy hiteny intsony koa hoe: “Marary aho.” (Isaia 33:24) Ary ireo efa maty nefa mbola ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra? Hoy i Jesosy: “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo.” (Jaona 5:28, 29) Tsy hahafinaritra be ve izany?

Tsy hanome tsiny an’Andriamanitra mihitsy isika raha matoky ny zavatra nampanantenainy

INONA NO HANAMPY ANAO TSY HO KIVY?

Afaka 17 taona taorian’ilay loza, dia nilaza toy izao i Sidnei, ilay voaresaka tany aloha: “Tsy mbola nieritreritra mihitsy aho hoe i Jehovah Andriamanitra no nahatonga an’ilay loza. Tsy afeniko anefa fa nanome tsiny azy ihany aho tamin’ny voalohany. Misy fotoana aho kivy be dia mitomany rehefa mieritreritra hoe malemy aho. Nianarako tao amin’ny Baiboly anefa fa tsy sazy avy amin’Andriamanitra ilay izy. ‘Mety ho azon-tsampona’ kosa isika rehetra ‘amin’ny fotoana tsy ampoizina.’ Nivavaka tamin’i Jehovah aho dia namaky andinin-teny tena mahakasika ahy, ka nihanatanjaka ny finoako sady falifaly foana aho.”—Mpitoriteny 9:11; Salamo 145:18; 2 Korintianina 4:8, 9, 16.

Inona àry no hanampy antsika tsy hanome tsiny an’Andriamanitra? Mila tadidintsika foana hoe nahoana no avelany hisy ny fijaliana, ary inona no hataony tsy ho ela mba hanafoanana an’izany. Manome toky antsika ny Baiboly fa “mpamaly soa an’izay mitady mafy azy” Andriamanitra. Tsy ho diso fanantenana mihitsy izay matoky azy sy ny Zanany.—Hebreo 11:6; Romanina 10:11.