Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 89

Miangavy Anao i Jehovah hoe: “Hendre, Anaka”

Miangavy Anao i Jehovah hoe: “Hendre, Anaka”

(Ohabolana 27:11)

1. Ianao tovovavy,

ianao ry tovolahy,

Hendre tsara fa misy

manaratsy ahy.

Tianao ve ny hanompo

ahy amin’ny fo?

Asehoy àry

fa ianao tia ahy tokoa.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Koa hendre tsara, aza maditra.

Ianao anie tena tiako.

Hendre ’zany zanako izany.

Ampifalio re ny foko.

2. Mifalia hatrany

dieny tanora ianao.

Raha sendra solafaka ianao,

’zaho tsy handao.

Na kivy aza ianao,

tsy hafoiko sanatria,

F’izaho tia anao,

eo foana aho, ka matokia.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Koa hendre tsara, aza maditra.

Ianao anie tena tiako.

Hendre ’zany zanako izany.

Ampifalio re ny foko.